Levitikosy 4:4 - DIEM PROTESTANTA4 Izy mpisorombe no hitondra ny ombilahy ho eo akaikin’ny varavaran’ny Tranolay fihaonana, ho eo anoloan’ny Toeramasin’ny TOMPO; dia hametra-tanana eo amin’ny lohan’ilay ombilahy izy ka hamono azy eo anoloan’ny Toeramasina. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy 20114 Hitondra ny vantotra ombilahy ho eo anoloan’ny varavaran’ny tranolay fihaonana eo anatrehan’NY TOMPO izy ka hametraka ny tanany amin’ny lohan’ny vantotra ombilahy ary hamono azy eo anatrehan’NY TOMPO. Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara4 Izy mpisorombe no hitondra ny ombilahy ho eo akaikin’ny varavaran’ny Tranolay fihaonana, ho eo anoloan’ny Toeramasin’ny TOMPO; dia hametra-tanana eo amin’ny lohan’ilay ombilahy izy ka hamono azy eo anoloan’ny Toeramasina. Jereo ny tokoBaiboly Katolika4 Hitondra ny vantotr’ombalahy ho eo anoloan’ny trano lay fihaonana izy, eo anatrehan’i Iaveh, dia hametraka ny tanany eo ambony lohan’ny ombalahy sy hamono azy eo anatrehan’i Iaveh. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy4 Ary hitondra ny vantotr’ombilahy ho eo anoloan’ny varavaran’ny trano-lay fihaonana izy ho eo anatrehan’i Jehovah; ary hametraka ny tànany amin’ny lohan’ny vantotr’ombilahy izy ka hamono azy eo anatrehan’i Jehovah. Jereo ny tokoMalagasy Bible4 Ary hitondra ny vantotr'ombilahy ho eo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana izy ho eo anatrehan'i Jehovah; ary hametraka ny tànany amin'ny lohan'ny vantotr'ombilahy izy ka hamono azy eo anatrehan'i Jehovah. Jereo ny tokoLa Bible en Malgache4 Hitondra ny vantotra ombilahy ho eo anoloan’ny varavaran’ny tranolay fihaonana* eo anatrehan’NY TOMPO izy ka hametraka ny tanany amin’ny lohan’ny vantotra ombilahy ary hamono azy eo anatrehan’NY TOMPO. Jereo ny toko |
Rehefa tapitra ny fito taona in-62, dia hisy lehilahy voahosotra iray hovonoina ho faty nefa tsy hisy hiaro azy. Ary tafika entin’ny mpitarika iray no handrava ny tanàna sy ny toera-masina; kanefa hanam-piafarana io mpitarika io fa hitosahan’ny fahatezeran’Andriamanitra; saingy mandra-pahatapitry ny ady dia hisy fandravana araka ny efa voatendry.
Hapetrany amin’ny lohan’io osilahy io ny tanany roa, ary hotanisainy eo amboniny avokoa ny heloka amam-pahadisoan’ny Israelita, araka ny fahotana rehetra vitany. Hatambesatr’i Aharôna amin’ilay osilahy ireo fahotana rehetra ireo; izay izy vao hampandroaka azy hankany an-taniefitra, hoentina lehilahy anankiray voatendry.