Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Levitikosy 4:3 - DIEM PROTESTANTA

3 «Rehefa ilay mpisorombe no manota, dia mahameloka ny vahoaka rehetra izy; ka noho ny ota vitany, dia ombilahy tsy misy kilema no aoka hatolony amin’ny TOMPO mba ho sorona fanalana ny ota.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

3 Raha ny mpisorona voahosotra no manota ka mahameloka ny olona dia aoka izy hanolotra vantotra ombilahy tsy misy kilema noho ny fahotana izay vitany, dia fanatitra fanadiovana ho an’NY TOMPO.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

3 «Rehefa ilay mpisorombe no manota, dia mahameloka ny vahoaka rehetra izy; ka noho ny ota vitany, dia ombilahy tsy misy kilema no aoka hatolony amin’ny TOMPO mba ho sorona fanalana ny ota.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

3 Raha mpisorona efa voahosotra no nanota, ka nahameloka ny vahoaka amin’izany, dia vantotr’ombalahy iray tsy misy kilema no hatolony amin’i Iaveh, noho ny otany, ho sorona fanonerana.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

3 raha ny mpisorona voahosotra no manota ka mahameloka ny olona, dia aoka hanatitra vantotr’ombilahy tsy misy kilema izy noho ny fahotany izay nataony, dia fanatitra noho ny ota ho an’i Jehovah.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

3 raha ny mpisorona voahosotra no manota ka mahameloka ny olona, dia aoka hanatitra vantotr'ombilahy tsy misy kilema izy noho ny fahotany izay nataony, dia fanatitra noho ny ota ho an'i Jehovah.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

3 Raha ny mpisorona voahosotra no manota ka mahameloka ny olona dia aoka izy hanolotra vantotra ombilahy tsy misy kilema noho ny fahotana izay vitany, dia fanatitra fanadiovana ho an’NY TOMPO.

Jereo ny toko dika mitovy




Levitikosy 4:3
32 Rohy Ifampitohizana  

Ombilahy fito mbamin’ny ondrilahy fito sy zanak’ondry fito no nentina hatao sorona dorana manontolo, ary nisy koa osilahy fito hatao sorona fanalana ny ota ho an’ny ankohonan’ny mpanjaka sy ho an’ny vahoaka jodeanina sady hatao sorona fanadiovana ny tempoly; ka ny mpisorona, taranak’i Aharôna, no nasain’i Hezekià nanolotra ireo teo ambony alitaran’ny TOMPO.


Izay rehetra niverina avy any an-tsesitany dia nanolotra sorona ho an’Ilay Andriamanitr’i Israely. Ka tamin’ny anaran’i Israely tsivakivolo no nanolorany ombilahy 12 sy ondrilahy 96 ary zanakondry 77 ho sorona dorana manontolo, sady nanolorany osilahy 12 ho sorona fanalana ny ota: natao sorona nolevonina manontolo ho an’ny TOMPO izany rehetra izany.


Ho sorona fanalana ny otan’ny mpisorona izany. Fa ny sisa rehetra amin’ilay ombilahy kosa, toy ny henany, ny hoditra mbamin’ny tain-drorohany, dia dory amin’ny afo any ivelan’ny toby.


Hanalanao kely ny ra eo ambony alitara sy ny ilomasina fanokanana, dia hafafinao amin’i Aharôna sy ny fanamiany ary amin’ny zanany lahy sy ny fanamiany; amin’izay dia ho masina i Aharôna sy ny zanany lahy mbamin’ny fanamany.


Dia alao ny ilomasina fanokanana ka araraho eo an-dohany, ary atokany izy.


Indray mandeha isan-taona i Aharôna no hanadio azy; hapetrany eo amin’ny tandroky ny alitara ny ra nalaina avy tamin’ny biby natao sorona ahazoana famelan-keloka. Havaozina isan-taona io lanonana io eo amin’ny taranaka mifandimby. Voatokana ho Ahy TOMPO io alitara io, ka hanan-kasina fatratra.»


Teo an-daniny roa amin’io lalantsara io, dia nisy latabatra roa avy, ka teo no namonoana ireo biby natao sorona: dia ny sorona dorana manontolo na ny sorona famelan-keloka na ny sorom-panonerana.


Homenao ombilahy iray ny Levita mpisorona, taranak’i Tsadôka, izay hany mahazo manompo Ahy; teny hentitra avy amiko Tompo ANDRIANANAHARY izany. Ho sorona fanalana ny ota io ombilahy io.


Amin’ny andro izay hiverenany ao an-kianja anatiny amin’ny Toeramasina, dia hanolotra sorona fanalana ny ota izy; teny hentitra avy amiko Tompo ANDRIANANAHARY izany.


«Rehefa ondry na osy no atolotra ho sorona dorana manontolo, dia ondrilahy sy osilahy tsy misy kilema no aoka hatolotra.


«Raha omby no atolotra ho sorona dorana manontolo, dia ombilahy tsy misy kilema no aoka hatolotra; eo anoloan’ny varavaran’ny Tranolay fihaonana no hitondrany azy mba hankasitrahina eo anatrehan’ny TOMPO.


«Koa hatolotr’i Aharôna izany ny ombilahy hatao sorona fanalana ny ota ho an’ny tenany; izay izy vao hanao ny fombam-pivavahana famelan-keloka ho an’ny tenany sy ny ankohonany. Rehefa avy namono ilay ombilahy i Aharôna,


Rehefa miditra ao amin’ny Toeramasina Indrindra kosa i Aharôna, dia ireto avy no fomba harahiny. Ombilahy iray hatao sorona fanalana ny ota sy ondrilahy iray hatao sorona dorana manontolo no hoentiny.


Ny Fiangonan’ny Israelita tsivakivolo dia handraisany osilahy roa hatao sorona fanalana ny ota sy ondrilahy iray hatao sorona dorana manontolo.


«Dia hatolotr’i Aharôna ny ombilahy hatao sorona fanalana ny ota ho an’ny tenany; izay izy vao hanao fombam-pivavahana famelan-keloka ho an’ny tenany sy ny ankohonany.


Vao fantany kosa ny ota vitany, dia ombilahy no aoka hatolony ho fanalana izany ka hoentiny eo anoloan’ny Tranolay fihaonana.


Vantany vao fantatr’ilay manampahefana ny ota vitany, dia osilahy tsy misy kilema no aoka ho sorona hoentiny.


Vantany vao fantatr’ilay olona ny ota vitany, dia osivavy tsy misy kilema no aoka ho sorona hoentiny noho ny ota vitany.


Ary hangalan’ny mpisorombe ny ran’ny ombilahy ka hoentiny ho ao amin’ny Tranolay fihaonana;


Ary hitondra fanonerana amin’ny TOMPO izy noho ny ota vitany, dia ondrivavy na osivavy mba ho sorona fanalana ny ota; dia hataon’ny mpisorona amin’ilay olona ny fombam-pivavahana famelana, noho ny ota vitany.


mba hamepetra an’i Aharôna sy ireo zanany lahy hoe: «Izao no lalàna momba ny sorona fanalana ny ota: «Eo amin’ny toerana famonoana ny sorona dorana manontolo, dia eo anoloan’ny Toeramasin’ny TOMPO, no famonoana ny sorona fanalana ny ota. Zava-masina dia masina izany,


Ary nandrotsahany menaka fanosorana teo amin’ny lohan’i Aharôna; ka nohosorany i Aharôna mba ho voatokana ho an’Andriamanitra.


ka hoy izy tamin’i Aharôna: –Makà ianao ombilahikely anankiray hatao sorona fanalana ny ota sy ondrilahy anankiray hatao sorona dorana manontolo, dia ombilahikely sy ondrilahikely izay samy tsy misy kilema, ka atero eo anatrehan’ny Toeramasin’ny TOMPO.


Avy eo dia ny Israelita no ilazao hoe: «Makà ianareo osilahy anankiray hatao sorona fanalana ny ota; makà ombilahikely sy ondrilahikely anankiray avy, samy iray taona sady tsy misy kilema, mba hatao sorona dorana manontolo;


Dia niankohoka tamin’ny tany i Mosesy sy i Aharôna sady nanao hoe: –Ry Andriamanitra ô, Andriamanitra loharanom-piainan’ny voaary rehetra Ianao, ka hotezeranao ve ny fiangonana manontolo noho ny olona iray nanota?


Asaovy maka vantotr’ombilahy iray mbamin’ny fanatitra momba azy izy, dia lafarinina voatoto tsara sy voaharo menaka; ary haka vantotr’ombilahy iray kosa ianao ho sorona fanalana ny ota.


Satria izay tsy vitan’ny lalànan’i Mosesy, noho ny lalàna nolemen’ny maha olona mpanota, dia notontosain’Andriamanitra. Voahelok’Andriamanitra ny fahotana tao amin’ny maha olona mpanota fony Izy naniraka ny Zanany, Izay naka ny endriky ny maha olombelona mba hanaisotra ny fahotana.


Tsy mba nanota na oviana na oviana i Kristy, nefa ny otantsika dia nampitondrain’Andriamanitra Azy ho famonjena antsika, mba hahatonga antsika handray ny fahamarinana omen’Andriamanitra noho ny firaisana amin’i Kristy.


Noho izany fahalemen’ny tenany izany, dia tsy maintsy manolotra sorona fanalana ny fahotana izy ho an’ny tenany koa, toy ny ataony ho an’ny vahoaka.


Indray mandeha monja no nidirany tao amin’ny Toeramasina Indrindra, dia ampy; ary tsy mba ran’osilahy na ran-janakomby no nentiny hatolotra, fa ny ra nafoin’ny tenany no nentiny hatolotra ka nahazoany fanavotana mandrakizay ho antsika.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra