Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Levitikosy 4:2 - DIEM PROTESTANTA

2 mba hamepetra ny Israelita hoe: «Raha misy olona manota tsy nahy ka mandika ny anankiray amin’ireny didin’ny TOMPO momba ny zavatra tsy tokony hatao ireny, dia sorona fanalana ny ota no aoka hataony.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

2 Mitenena amin’ny Zanak’Israely hoe: Raha misy olona manota tsy nahy amin’ny fandikana ny iray amin’ireny didin’NY TOMPO rehetra ireny ka manao izay tsy tokony hatao:

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

2 mba hamepetra ny Israelita hoe: «Raha misy olona manota tsy nahy ka mandika ny anankiray amin’ireny didin’ny TOMPO momba ny zavatra tsy tokony hatao ireny, dia sorona fanalana ny ota no aoka hataony.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

2 Mitenena amin’ny zanak’i Israely ka lazao aminy hoe: Raha misy olona manota tsy nahy, mandika ny iray amin’ny didin’i Iaveh momba ny zavatra tsy tokony hatao, ka nanatanteraka zavatra anankiray amin’ireny izy,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

2 Mitenena amin’ny Zanak’Isiraely hoe: Raha misy olona manota tsy nahy ny didin’i Jehovah amin’izay tsy tokony hatao ka mandika ny anankiray amin’ireny:

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

2 Mitenena amin'ny Zanak'Isiraely hoe: Raha misy olona manota tsy nahy ny didin'i Jehovah amin'izay tsy tokony hatao ka mandika ny anankiray amin'ireny:

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

2 Mitenena amin’ny Zanak’Israely hoe: Raha misy olona manota tsy nahy amin’ny fandikana ny iray amin’ireny didin’NY TOMPO rehetra ireny ka manao izay tsy tokony hatao:

Jereo ny toko dika mitovy




Levitikosy 4:2
18 Rohy Ifampitohizana  

Nampiantso an’i Abrahama i Abimelèka, ka nanao taminy hoe: –Inona izao nataonao anay izao? Inona no fahotana nataoko taminao no dia saika nampidiranao heloka lehibe toy izao ny tenako sy ny fanjakako? Zavatra tsy fanao no nataonao tamiko.


Tompo ô, izaho mpanomponao dia hazavain’ireny tokoa; fa lehibe ny tombontsoa ho an’izay mitandrina azy.


Mety manao hadisoana ny olona, saingy tsy mahatsikaritra akory; koa mamelà ahy amin’ny ota tsy nahy.


Arakaraka ny mahabe ny teny no mahabe ny nofy sy ny zava-poana. Koa Andriamanitra no hajao.


«Raha misy Israelita tsy anisan’ny fianakavia-mpisorona ka nahahinana tsy nahy tamin’ny zava-masina, dia honerany amin’ny mpisorona izay laniny ka hotongavany ny ampahadiminy.


Dia niteny tamin’i Mosesy ny TOMPO


«Raha ny Fiangonan’ny Israelita tsivakivolo no manota tsy nahy ka nandika ny anankiray amin’ny didin’ny TOMPO momba ny zavatra tsy tokony hatao, dia meloka izy na tsy misy mahatsikaritra izany aza ny Fiangonany.


«Raha manampahefana no manota tsy nahy ka nandika ny anankiray amin’ny didin’ny TOMPO Andriamanitra momba ny zavatra tsy tokony hatao, dia meloka izy.


«Raha olona iray anisan’ny vahoaka israelita no nanota tsy nahy ka nandika ny anankiray amin’ny didin’ny TOMPO momba ny zavatra tsy tokony hatao, dia meloka izy.


dia hifidy tanàna izay hataonareo tanàna fialokalofana, mba hialokalofan’izay nahafaty olona tsy nahy.


Ny mahazo mandositra ao ka ho velona aina dia izay olona nahafaty ny namany tsy nahy ka tsy nankahala azy teo aloha.


na dia nanevateva Azy aza taloha sady nanenjika sy nampahory Azy mafy. Kanefa namindran’Andriamanitra fo aho satria tsy mbola nanam-pinoana ka tsy nahalala izay nataoko.


Mahay mitondra mora ireo tsy mahalala sy maniasia izy, satria na ny tenany aza dia mba hodidinin’ny fahalemena koa.


fa ao amin’ny tranolay faharoa kosa dia ny mpisorombe irery ihany no miditra ao indray mandeha isan-taona, sady mitondra ram-biby hatolony an’Andriamanitra ho fanalana ny hadisoana tsy nahy vitan’ny tenany sy vitan’ny vahoaka.


vava iray ihany no ivoahan’ny teny fankalazana sy fanozonana. Ry havako, tsy mety ny toy izany!


Nefa i Jônatàna tsy mba nahafantatra ny fianianana nampanaovin-drainy ny besinimaro; koa avy hatrany dia nanatsoboka ny lohatehina teny an-tanany tamin’ny tantely izy ary nanao izany am-bava. Dia tonga nazava terỳ ny fijeriny.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra