Levitikosy 4:5 - DIEM PROTESTANTA5 Ary hangalan’ny mpisorombe ny ran’ny ombilahy ka hoentiny ho ao amin’ny Tranolay fihaonana; Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy 20115 Hakan’ny mpisorona voahosotra ny ran’ny vantotra ombilahy dia hoentiny ho ao amin’ny tranolay fihaonana; Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara5 Ary hangalan’ny mpisorombe ny ran’ny ombilahy ka hoentiny ho ao amin’ny Tranolay fihaonana; Jereo ny tokoBaiboly Katolika5 Ny mpisorona efa voahosotra haka amin’ny ran’ny ombalahy sy hitondra izany ho ao an-trano lay fihaonana, Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy5 Ary hangalan’ny mpisoroan voahosotra ny ran’ny vantotr’ombilahy ka ho entiny ho ao amin’ny trano-lay fihaonana; Jereo ny tokoMalagasy Bible5 Ary hangalan'ny mpisorona voahosotra ny ran'ny vantotr'ombilahy ka ho entiny ho ao amin'ny trano-lay fihaonana; Jereo ny tokoLa Bible en Malgache5 Hakan’ny mpisorona voahosotra ny ran’ny vantotra ombilahy dia hoentiny ho ao amin’ny tranolay fihaonana; Jereo ny toko |
Manaraka izany, rehefa voavonon’i Aharôna ny osilahy izay hatao sorona fanalana ny ota ho an’ny vahoaka israelita, dia hoentiny miditra ao anatin’ny Toeramasina Indrindra koa ny rany; hataony tahaka ny efa nataony tamin’ny ran’ilay ombilahy izany, ka hafafiny eo ambonin’ny rakotra volamena sy eo anoloany.