ka angalao ny ran’ny ombalahy atenteno amin’ireo tandroky ny ôtely amin’ny fanondronao, dia araraho eo am-pototry ny ôtely avokoa ny sisa.
Levitikosy 4:30 - Baiboly Katolika Ny mpisorona haka amin’ny rantsan-tanany amin’ny ran’ny sorona, hanentina amin’izany ny tandroky ny ôtely fanaovan-tsorona dorana, ary hanidina ny ra rehetra eo an-tongotry ny ôtely. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Hakan’ny mpisorona amin’ny fanondrony ny ra ka hohosorany ireo tandroky ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana manontolo, ny ra sisa rehetra kosa dia hararany eo an-tongotry ny alitara. DIEM PROTESTANTA Hangalan’ny mpisorona amin’ny fanondrony ny ra, ka hatentiny eo amin’ny tandroky ny alitara fanaovan-tsorona dorana; ary ny ra sisa rehetra dia haidiny eo ampototr’io alitara io ihany. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Hangalan’ny mpisorona amin’ny fanondrony ny ra, ka hatentiny eo amin’ny tandroky ny alitara fanaovan-tsorona dorana; ary ny ra sisa rehetra dia haidiny eo ampototr’io alitara io ihany. Baiboly Protestanta Malagasy Ary hangalan’ny mpisorona amin’ny fanondrony ny ra ka hatentiny eo amin’ny tandroky ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana, ary ny ra sisa rehetra dia haidiny eo am-bodin’ny alitara. Malagasy Bible Ary hangalan'ny mpisorona amin'ny fanondrony ny rà ka hatentiny eo amin'ny tandroky ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana, ary ny rà sisa rehetra dia haidiny eo am-bodin'ny alitara. La Bible en Malgache Hakan’ny mpisorona amin’ny fanondrony ny ra ka hohosorany ireo tandroky* ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana manontolo, ny ra sisa rehetra kosa dia hararany eo an-tongotry ny alitara. |
ka angalao ny ran’ny ombalahy atenteno amin’ireo tandroky ny ôtely amin’ny fanondronao, dia araraho eo am-pototry ny ôtely avokoa ny sisa.
hanentina ra ny tandroky ny ôtely, izay eo anatrehan’i Iaveh ao an-trano lay fihaonana, ary hanidina ny ra rehetra eo ambodin’ny ôtely fanaovan-tsorona dorana, izay eo anoloan’ny trano lay fihaonana.
Ny mpisorona haka amin’ny rantsan-tanany amin’ny ran’ny sorona noho ny ota, dia hanentina amin’izany ny tandroky ny ôtely fanaovan-tsorona dorana, sy hanidina ny ra eo an-tongotr’io ôtely io.
Ny mpisorona haka amin’ny rantsan-tanany amin’ny ran-tsorona, hanentina ny tandroky ny ôtely fanaovan-tsorona dorana amin’izany, ary hanidina ny ra rehetra eo an-tongotry ny ôtely.
Ny mpisorona hanentina ra ny tandroky ny ôtely fandoroan-java-manitra, izay eo anatrehan’i Iaveh ao an-trano lay fihaonana, ary hanidina ny ra rehetra avy amin’ny ombalahy eo ambodin’ny ôtely fanaovan-tsorona dorana, izay eo amin’ny fidiran’ny trano lay fihaonana.
hofafazany amin’ny ran-tsorona noho ny ota ny lafiny amin’ny ôtely, ary hofiazany eo an-tongotry ny ôtely ny ra sisa; sorona noho ny ota io.
Namono azy i Môizy dia naka tamin’ny ra dia notentenany manodidina tamin’ny rantsan-tanany ny tandroky ny ôtely ary nanadio ny ôtely izy, naidiny teo an-tongotry ny ôtely ny ra ary nanamasina azy izy, nanao ny fanonerana ao aminy.
Ary natolotr’ireo zanak’i Aarôna azy ny ra, ka natsobony tao ny rantsan-tanany, notentenany ny tandroky ny ôtely, ary naidiny teo an-tongotry ny ôtely ny ra.
Fa mendrika an’Ilay antony sy fototry ny zavatra rehetra, izay mitondra zanaka betsaka ho any amin’ny voninahitra, ny nandavorary ao amin’ny fijaliana Ilay iavian’ny famonjena an’ireo.