Levitikosy 4:18 - Baiboly Katolika18 hanentina ra ny tandroky ny ôtely, izay eo anatrehan’i Iaveh ao an-trano lay fihaonana, ary hanidina ny ra rehetra eo ambodin’ny ôtely fanaovan-tsorona dorana, izay eo anoloan’ny trano lay fihaonana. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy 201118 Hakany koa ny ra dia hohosorany ireo tandroky ny alitara izay eo anatrehan’NY TOMPO, dia ilay ao anatin’ny tranolay fihaonana. Ny ra sisa rehetra dia haidiny eo an-tongotry ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana manontolo, izay eo am-baravaran’ny tranolay fihaonana. Jereo ny tokoDIEM PROTESTANTA18 Hakany koa io ra io hatentiny eo amin’ny tandroky ny alitara eo anoloan’ny Toeramasina Indrindra, alitara izay ao anatin’ny Tranolay fihaonana. Ary ny ra sisa rehetra dia haidiny eo am-pototry ny alitara fanaovan-tsorona dorana, alitara izay eo am-baravaran’ny Tranolay fihaonana. Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara18 Hakany koa io ra io hatentiny eo amin’ny tandroky ny alitara eo anoloan’ny Toeramasina Indrindra, alitara izay ao anatin’ny Tranolay fihaonana. Ary ny ra sisa rehetra dia haidiny eo am-pototry ny alitara fanaovan-tsorona dorana, alitara izay eo am-baravaran’ny Tranolay fihaonana. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy18 Ary hangalany koa ny ra ka hatentiny eo amin’ny tandroky ny alitara izay eo anatrehan’i Jehovah, dia ilay ao anatin’ny trano-lay fihaonana, ary ny ra sisa rehetra dia haidiny eo am-bodin’ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana, izay eo am-baravaran’ny trano-lay fihaonana. Jereo ny tokoMalagasy Bible18 Ary hangalany koa ny rà ka hatentiny eo amin'ny tandroky ny alitara izay eo anatrehan'i Jehovah, dia ilay ao anatin'ny trano-lay fihaonana, ary ny rà sisa rehetra dia haidiny eo ambodin'ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana, izay eo am-baravaran'ny trano-lay fihaonana. Jereo ny tokoLa Bible en Malgache18 Hakany koa ny ra dia hohosorany ireo tandroky* ny alitara izay eo anatrehan’NY TOMPO, dia ilay ao anatin’ny tranolay fihaonana. Ny ra sisa rehetra dia haidiny eo an-tongotry ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana manontolo, izay eo am-baravaran’ny tranolay fihaonana. Jereo ny toko |