Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Levitikosy 4:18 - DIEM PROTESTANTA

18 Hakany koa io ra io hatentiny eo amin’ny tandroky ny alitara eo anoloan’ny Toeramasina Indrindra, alitara izay ao anatin’ny Tranolay fihaonana. Ary ny ra sisa rehetra dia haidiny eo am-pototry ny alitara fanaovan-tsorona dorana, alitara izay eo am-baravaran’ny Tranolay fihaonana.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

18 Hakany koa ny ra dia hohosorany ireo tandroky ny alitara izay eo anatrehan’NY TOMPO, dia ilay ao anatin’ny tranolay fihaonana. Ny ra sisa rehetra dia haidiny eo an-tongotry ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana manontolo, izay eo am-baravaran’ny tranolay fihaonana.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

18 Hakany koa io ra io hatentiny eo amin’ny tandroky ny alitara eo anoloan’ny Toeramasina Indrindra, alitara izay ao anatin’ny Tranolay fihaonana. Ary ny ra sisa rehetra dia haidiny eo am-pototry ny alitara fanaovan-tsorona dorana, alitara izay eo am-baravaran’ny Tranolay fihaonana.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

18 hanentina ra ny tandroky ny ôtely, izay eo anatrehan’i Iaveh ao an-trano lay fihaonana, ary hanidina ny ra rehetra eo ambodin’ny ôtely fanaovan-tsorona dorana, izay eo anoloan’ny trano lay fihaonana.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

18 Ary hangalany koa ny ra ka hatentiny eo amin’ny tandroky ny alitara izay eo anatrehan’i Jehovah, dia ilay ao anatin’ny trano-lay fihaonana, ary ny ra sisa rehetra dia haidiny eo am-bodin’ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana, izay eo am-baravaran’ny trano-lay fihaonana.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

18 Ary hangalany koa ny rà ka hatentiny eo amin'ny tandroky ny alitara izay eo anatrehan'i Jehovah, dia ilay ao anatin'ny trano-lay fihaonana, ary ny rà sisa rehetra dia haidiny eo ambodin'ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana, izay eo am-baravaran'ny trano-lay fihaonana.

Jereo ny toko dika mitovy




Levitikosy 4:18
11 Rohy Ifampitohizana  

Dia novonoina ny ombilahy, ary nalain’ny mpisorona ny ra ka nararany tamin’ny alitara; novonoina koa ny ondrilahy sy ny zanak’ondry ka samy nararaka tamin’ny alitara ny rany.


Hanalanao ny rany ka hatentinao amin’ny fanondro eo amin’ny tandroky ny alitara, ary ny sisa kosa dia haidinao eo am-pototry ny alitara.


Indray mandeha isan-taona i Aharôna no hanadio azy; hapetrany eo amin’ny tandroky ny alitara ny ra nalaina avy tamin’ny biby natao sorona ahazoana famelan-keloka. Havaozina isan-taona io lanonana io eo amin’ny taranaka mifandimby. Voatokana ho Ahy TOMPO io alitara io, ka hanan-kasina fatratra.»


Hangalan’ny mpisorona amin’ny fanondrony ny ran’ilay osilahy ka hatentiny eo amin’ny tandroky ny alitara fanaovan-tsorona dorana; ary ny ra sisa dia haidiny eo am-pototr’io alitara io ihany.


Hangalan’ny mpisorona amin’ny fanondrony ny ra, ka hatentiny eo amin’ny tandroky ny alitara fanaovan-tsorona dorana; ary ny ra sisa rehetra dia haidiny eo ampototr’io alitara io ihany.


Hangalan’ny mpisorona amin’ny fanondrony ny ran’ilay ondry ka hatentiny eo amin’ny tandroky ny alitara fanaovan-tsorona dorana; ary ny ra sisa rehetra dia haidiny eo am-pototr’io alitara io ihany.


Hotentenany ra koa ny tandroky ny alitara fandoroana ditin-kazo manitra eo anoloan’ny Toeramasina Indrindra, alitara izay ao anatin’ny Tranolay fihaonana; ary ny ra sisa rehetra, avy amin’ilay ombilahy, dia haidiny eo am-pototry ny alitara fanaovan-tsorona dorana, alitara izay eo anoloan’ny varavaran’ny Tranolay fihaonana.


hamafazany eo amin’ny rindrin’ny alitara ny ran’ilay vorona, ary ny ra sisa dia hofiaziny eo am-pototr’io alitara io ihany: sorona fanalana ny ota izany.


Novonoin’i Mosesy io ary nangalany ny ra ka notentenany tamin’ny fanondro ny tandroky ny alitara mba ho fanadiovana ny alitara manontolo; ary ny ra sisa dia naidiny teo am-pototry ny alitara: toy izany no nanokanan’i Mosesy ny alitara mba hahazoana manao fombam-pivavahana famelan-keloka eo amboniny.


Ary nentin-janany ho eo amin’i Aharôna ny ran’ilay ombilahikely; dia nanatsoboka ny fanondrony tamin’ny ra i Aharôna, ka notentenany ny tandroky ny alitara; ary ny ra sisa dia naidiny teo am-pototry ny alitara.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra