Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Levitikosy 4:34 - Baiboly Katolika

34 Ny mpisorona haka amin’ny rantsan-tanany amin’ny ran-tsorona, hanentina ny tandroky ny ôtely fanaovan-tsorona dorana amin’izany, ary hanidina ny ra rehetra eo an-tongotry ny ôtely.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

34 Hakan’ny mpisorona amin’ny fanondrony ny ran’ny fanatitra fanadiovana dia hohosorany ireo tandroky ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana manontolo, ary ny ra sisa rehetra dia haidiny eo an-tongotry ny alitara.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

34 Hangalan’ny mpisorona amin’ny fanondrony ny ran’ilay ondry ka hatentiny eo amin’ny tandroky ny alitara fanaovan-tsorona dorana; ary ny ra sisa rehetra dia haidiny eo am-pototr’io alitara io ihany.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

34 Hangalan’ny mpisorona amin’ny fanondrony ny ran’ilay ondry ka hatentiny eo amin’ny tandroky ny alitara fanaovan-tsorona dorana; ary ny ra sisa rehetra dia haidiny eo am-pototr’io alitara io ihany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

34 Ary hangalan’ny mpisorona amin’ny fanondrony ny ran’ny fanatitra noho ny ota ka hatentiny eo amin’ny tandroky ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana, ary ny ra sisa rehetra dia haidiny eo am-bodin’ny alitara.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

34 Ary hangalan'ny mpisorona amin'ny fanondrony ny ran'ny fanatitra noho ny ota ka hatentiny eo amin'ny tandroky ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana, ary ny rà sisa rehetra dia haidiny eo am-bodin'ny alitara.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

34 Hakan’ny mpisorona amin’ny fanondrony ny ran’ny fanatitra fanadiovana dia hohosorany ireo tandroky ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana manontolo, ary ny ra sisa rehetra dia haidiny eo an-tongotry ny alitara.

Jereo ny toko dika mitovy




Levitikosy 4:34
15 Rohy Ifampitohizana  

Sitrak’i Iaveh noho ny fahamarinany, ny nanome lalàna lehibe sy be voninahitra!


hanentina ra ny tandroky ny ôtely, izay eo anatrehan’i Iaveh ao an-trano lay fihaonana, ary hanidina ny ra rehetra eo ambodin’ny ôtely fanaovan-tsorona dorana, izay eo anoloan’ny trano lay fihaonana.


Ny mpisorona haka amin’ny rantsan-tanany amin’ny ran’ny sorona noho ny ota, dia hanentina amin’izany ny tandroky ny ôtely fanaovan-tsorona dorana, sy hanidina ny ra eo an-tongotr’io ôtely io.


Ny mpisorona haka amin’ny rantsan-tanany amin’ny ran’ny sorona, hanentina amin’izany ny tandroky ny ôtely fanaovan-tsorona dorana, ary hanidina ny ra rehetra eo an-tongotry ny ôtely.


Ny mpisorona hanentina ra ny tandroky ny ôtely fandoroan-java-manitra, izay eo anatrehan’i Iaveh ao an-trano lay fihaonana, ary hanidina ny ra rehetra avy amin’ny ombalahy eo ambodin’ny ôtely fanaovan-tsorona dorana, izay eo amin’ny fidiran’ny trano lay fihaonana.


Manamasina ny Tenako ho azy ireo Aho, mba hohamasinina amin’ny fahamarinana koa izy.


I Kristy ihany anefa no anton’ny Lalàna, mba ho fanamarinana an’izay rehetra mino.


Koa ankehitriny, tsy misy fanamelohana intsony ho an’izay ao amin’i Kristy Jesoa sady tsy mandeha ara-nofo;


Satria izay tsy vitan’ny Lalàna noho izy tsy nanan-kery azon’ny nofo, dia vitan’Andriamanitra tamin’ny nanirahany ny Zanany tao amin’ny endriky ny nofom-pahotana sy noho ny fahotana, ka nanameloka ny fahotana tao amin’ny nofony,


Fa he ity izy: Ilay tsy nahalala ota, dia nataony ota ho antsika, mba ho tonga fahamarinan’Andriamanitra ao aminy isika!


mba toy inona kosa àry no hamafin’ny fampijaliana heverinareo ho tandrifin’izay nanitsakitsaka ny Zanak’Andriamanitra, sy nanao ho zavatra tsy masina ny Ran’ny fanekena nanamasinana azy, ary nanevateva ny Fanahin’ny fahasoavana?


Fa mendrika an’Ilay antony sy fototry ny zavatra rehetra, izay mitondra zanaka betsaka ho any amin’ny voninahitra, ny nandavorary ao amin’ny fijaliana Ilay iavian’ny famonjena an’ireo.


Izy Ilay nitondra ny fahotantsika tamin’ny Tenany teo ambony hazo, mba ho faty isika raha ny amin’ny ota, fa ho velona kosa amin’ny fahamarinana; ary ny dian-kapoka taminy no nahasitrana anareo.


Na i Kristy koa aza, niaritra fahafatesana indray mandeha noho ny otantsika, dia Izy marina ho an’ny tsy marina, mba hanolorany antsika amin’Andriamanitra, ka novonoina tamin’ny nofo Izy, fa novelomina tamin’ny fanahy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra