Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Levitikosy 4:33 - Baiboly Katolika

33 Hametra-tanana eo ambonin’ny lohan’ny sorona noho ny ota izy sy hamono azy ho sorona fanonerana, eo amin’ny fitoerana fanolorana ny sorona dorana.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

33 Hametraka ny tanany eo amin’ny lohan’ny fanatitra fanadiovana izy dia hamono azy ho fanatitra fanadiovana eo amin’ny famonoana ny fanatitra dorana manontolo.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

33 Hametra-tanana amin’ny lohan’ilay ondry izy, dia hamono azy eo amin’ny toerana famonoana ny sorona dorana manontolo.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

33 Hametra-tanana amin’ny lohan’ilay ondry izy, dia hamono azy eo amin’ny toerana famonoana ny sorona dorana manontolo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

33 ary hametraka ny tànany amin’ny lohan’ny fanatitra noho ny ota izy, dia hamono azy ho fanatitra noho ny ota eo amin’ny famonoana ny fanatitra dorana.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

33 ary hametraka ny tànany amin'ny lohan'ny fanatitra noho ny ota izy, dia hamono azy ho fanatitra noho ny ota eo amin'ny famonoana ny fanatitra dorana.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

33 Hametraka ny tanany eo amin’ny lohan’ny fanatitra fanadiovana izy dia hamono azy ho fanatitra fanadiovana eo amin’ny famonoana ny fanatitra dorana manontolo.

Jereo ny toko dika mitovy




Levitikosy 4:33
7 Rohy Ifampitohizana  

Izay vao naroso eo anatrehan’ny mpanjaka sy ny fiangonana ireo osilahy noho ny ota, ka nametrahan’izy rehetra tanana;


Hametra-tanana eo ambonin’ny lohan’ny sorona dorana izy, dia horaisina izany mba ho soa ho azy, mba hanaovana fanonerana ho azy.


Izy no hamono ny vantotr’ombalahy eo anatrehan’i Iaveh; ary ireo mpisorona zanak’i Aarôna kosa, hanolotra ny ra sy handraraka azy manodidina eo ambonin’ny ôtely izay ao amin’ny fidirana amin’ny trano lay fihaonana.


Hitondra ny vantotr’ombalahy ho eo anoloan’ny trano lay fihaonana izy, eo anatrehan’i Iaveh, dia hametraka ny tanany eo ambony lohan’ny ombalahy sy hamono azy eo anatrehan’i Iaveh.


Mitenena amin’i Aarôna sy ny zanany, ka lazao hoe: Izao no lalàna momba ny sorona noho ny ota: eo amin’ny fitoerana famonoana ny sorona dorana no amonoana ny sorona noho ny ota, eo anatrehan’i Iaveh; zava-masina dia masina izany.


Ao amin’ny fitoerana famonoana ny sorona dorana no amonoana ny sorona fanonerana. Hararaka manodidina amin’ny ôtely ny rany.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra