Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Isaia 42:21 - Baiboly Katolika

21 Sitrak’i Iaveh noho ny fahamarinany, ny nanome lalàna lehibe sy be voninahitra!

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

21 Sitraky NY TOMPO noho ny fahamarinany ny hahalehibe ny lalàna sy ny hahabe voninahitra azy.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

21 Fa sitraky ny TOMPO ho fandresen’ny fahamarinany ny haneho fa lehibe sy heni-boninahitra ny lalànany,

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

21 Fa sitraky ny TOMPO ho fandresen’ny fahamarinany ny haneho fa lehibe sy heni-boninahitra ny lalànany,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

21 Sitrak’i Jehovah noho ny fahamarinany Ny hahalehibe ny lalàna sy ny hahabe voninahitra azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

21 Sitrak'i Jehovah noho ny fahamarinany ny hahalehibe ny lalàna sy ny hahabe voninahitra azy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

21 Sitraky NY TOMPO noho ny fahamarinany ny hahalehibe ny lalàna sy ny hahabe voninahitra azy.

Jereo ny toko dika mitovy




Isaia 42:21
32 Rohy Ifampitohizana  

Sitrako ny miankohoka eo an-tempolinao masina, sy hankalaza ny Anaranao, noho ny hatsaram-ponao amam-pahamarinanao, fa nanao fampanantenana lehibe Ianao, mihoatra noho ny voninahitra ny Anaranao.


Ka hoy aho amin’izany: «Inty aho tonga,» miaraka amin’ny horonan-taratasy voasoratra ho ahy.


Hilaza ny asanao lehibe aho, ry Tompo Iaveh ô, hampahatsiaro ny fahamarinanao aho, dia ny Anao irery.


Mahatakatra ny lanitra ny fahamarinanao, ry Andriamanitra, Ianao izay mahefa ny zava-dehibe! - Iza no tahaka Anao, ry Andriamanitra? -


tsy ho ketraka izy na ho kivy akory, mandra-panoriny ny rariny amin’ny tany; ary ny nosy hiandry ny lalàny.


Mihainoa ny feoko, ry vahoakako, manongilàna sofina, ry fireneko! fa hamoaka lalàna Aho, ary hanorina ny didiko ho fanazavana ny firenena.


Fa raha mbola niteny Izy, dia indro nisy rahona mazava nanarona azy ireo. Ary injao nisy feo avy tamin’io rahona io nanao hoe: «Ity no Zanako malalako, izay sitrako indrindra: henoy Izy.»


Dia namaly i Jesoa ka nanao taminy hoe: «Ekeo izao, fa izao no mety hahatanterahantsika ny fahamarinana rehetra.» Dia nanaiky izy.


Dia injay nisy feo avy any an-danitra nanao hoe: «Inty ny Zanako malalako izay ankasitrahiko indrindra.»


Raha mitandrina ny didiko ianareo no hitoetra amin’ny fitiavako, tahaka ny nitandremako ny didin’ny Raiko sy itoerako amin’ny fitiavany.


Ary Izay naniraka Ahy dia eto amiko, fa tsy navelany ho irery Aho, satria manao izay tiany mandrakariva.»


I Kristy ihany anefa no anton’ny Lalàna, mba ho fanamarinana an’izay rehetra mino.


Koa mandrava ny Lalàna amin’ny finoana va isika? Sanatria! fa mainka mampiorina ny Lalàna isika.


Masina ihany anefa ny Lalàna, ary masina ny didy, sady marina no tsara.


Nanafaka antsika tamin’ny ozon’ny Lalàna anefa i Kristy, fa tonga voaozona hisolo antsika satria voasoratra hoe: Voaozona izay rehetra mihantona amin’ny hazo,


Manohitra ny fampanantenan’Andriamanitra va àry ny Lalàna? Sanatria izany. Saingy raha Lalàna afaka nahavelona no nomena, dia ny Lalàna ihany no ho niavian’ny fahamarinana;


Koa tandremo sy tanteraho izany, fa izany no saina amam-pahendrena ho anareo eo imason’ny firenena izay handre izany lalàna rehetra izany, ka ho vaky hoe: Vahoaka hendry sy manan-tsaina tokoa io firenena lehibe io!


Ary zovy no firenen-dehibe manan-didy amam-pitsipika marina, toy izao lalàna ataoko eo anoloanareo anio izao?»


mba ho hita ao aminy aho, tsy amin’ny fahamarinan’ny tenako, na ilay avy amin’ny Lalàna, fa amin’ilay avy amin’ny finoana an’i Kristy, dia ny fahamarinana avy amin’Andriamanitra noho ny finoana;


fa fanekena toy izao kosa no hataoko amin’ny fianakavian’i Israely, rehefa afaka izany andro izany, hoy ny Tompo: Halatsako ao an-tsainy ny lalàko, ary hosoratako ao am-pony; ka Izaho ho Andriamanitr’izy ireo, ary izy kosa ho vahoakako.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra