Ny Kananeanina tamin’izay no nitoetra tamin’ny tany. Niseho tamin’i Abrama i Iaveh ka nanao hoe: «Homeko ny taranakao ity tany ity.» Ary teo i Abrama nanorina ôtely ho an’i Iaveh izay niseho taminy.
Josoa 21:43 - Baiboly Katolika Tsy nisy foana akory, na dia iray aza, ny teny soa rehetra nolazain’i Iaveh tamin’ny taranak’i Israely, fa tanteraka avokoa. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia nomen’NY TOMPO ny Israely ny tany rehetra izay efa nianianany homena ny razany; ary nolovainy izany ka nonenany. DIEM PROTESTANTA Nomen’ny TOMPO ho an’ny Israelita ny tany manontolo, izay efa nianianany homena ny razambeny: dia azony ho fananany tokoa izany ka nonenany. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Nomen’ny TOMPO ho an’ny Israelita ny tany manontolo, izay efa nianianany homena ny razambeny: dia azony ho fananany tokoa izany ka nonenany. Baiboly Protestanta Malagasy DIA nomen’i Jehovah ny Isiraely ny tany rehetra izay efa nianianany homena ny razany; ary nandova izany izy ireo ka nonina teo. Malagasy Bible Dia nomen'i Jehovah ny Isiraely ny tany rehetra izay efa nianianany homena ny razany; ary nandova izany izy ireo ka nonina teo, La Bible en Malgache Dia nomen’NY TOMPO ny Israely ny tany rehetra izay efa nianianany homena ny razany; ary nolovainy izany ka nonenany. |
Ny Kananeanina tamin’izay no nitoetra tamin’ny tany. Niseho tamin’i Abrama i Iaveh ka nanao hoe: «Homeko ny taranakao ity tany ity.» Ary teo i Abrama nanorina ôtely ho an’i Iaveh izay niseho taminy.
Homeny anao anie ny fanasoavana an’i Abrahama, dia ho anao sy ny taranakao, mba hanananao ny tany itoeranao, izay efa nomen’Andriamanitra an’i Abrahama.»
Dia nonina teto izy ireo sy nanangana fitoerana masina ho Anao, ho an’ny Anaranao, nanao hoe:
Dia tonga ny zanany nandray ny tany ho fananany, ary naetrinao teo anoloany ny mponina ao amin’ny tany, dia ny Kananeanina, sy natolotrao ho eo an-tanany mbamin’ny mpanjaka sy ny vahoakan’ny tany, hataony amin’izay itiavany azy.
Nahita ny fony ho mahatoky eo anatrehanao ianao, ka nanao fanekena taminy, fa hanome ho an’ny taranany, ny tanin’ny Kananeanina, ny Heteanina, ny Amôreana, ny Ferezeanina, ny Jeboseanina, ary ny Gergeseanina, ary notanterahinao ny teninao, fa marina Ianao.
Tsaroany mandrakizay ny fanekeny, ilay teny nolazainy marimarina ho an’ny taranaka mandimby;
Nandroaka firenena Ianao tamin’ny tananao, hamponenana azy; nikapoka vahoaka Ianao hanitarana azy.
Noroahiny teo anatrehan’izy ireo ny firenena, dia nozarainy ho azy ireo tamin’ny filokana ny zara lovany, ary nampitoeriny tao an-dainy ny fokon’i Israely.
Ka hidina aho hamonjy azy amin’ny tanan’ny Ejiptianina, hitondra azy miakatra avy amin’ity tany ity, ho any amin’ny tany mahavokatra sy malalaka, tany tondra-dronono aman-tantely, dia any amin’ny tany honenan’ny Kananeanina, ny Heteanina, ny Amôreana, ny Ferezeanina, ny Heveanina ary ny Jeboseanina.
Dia tonga teto izy ireo, ka nandray azy hozakainy; kanefa tsy nihaino ny feonao izy, na nandeha araka ny lalànao; ary izay rehetra nandidianao azy hataony, dia tsy nataony, ka nentinao hanjò azy izao loza rehetra izao.
Mandidia ny zanak’i Israely ka lazao aminy hoe: Rehefa tafiditra any amin’ny tany Kanaana ianareo, izao no tany ho tonga zara taninareo: ny tany Kanaana araka ny mamaritra azy.
Fa ndeha hita an’i Jordany ianareo, ka halainareo ho anareo ny tany izay omen’i Iaveh Andriamanitrareo anareo dia hanana azy ianareo ary honina ao.
Rehefa ho voaringan’i Iaveh Andriamanitrao ny firenena amin’izay tany halehanao mba handroaka azy eo anoloanao, ka efa voatosikao izy, ka ianao no honina amin’ny taniny:
Raha avy izay hahatafidiranao any amin’ny tany omen’i Iaveh Andriamanitrao anao, ary efa azonao ho fanananao izy sy efa niorim-ponenana any ianao, ka manao hoe: Mba te-hana-mpanjaka hifehy ahy toy ny firenena rehetra manodidina ahy, aho;
Dia hoy i Iaveh taminy: «Io no tany izay nianianako tamin’i Abrahama sy i Isaaka ary i Jakôba hoe: Homeko ny taranakao izany. Nataoko nahita maso azy ianao, nefa tsy hiditra eny ianao».
«Matanjaha ary mahereza fo, fa ianao no hampanana ity firenena ity ny tany efa nianianako tamin’ny razany homena azy.
Nampandry fahalemana azy tamin’ireo manodidina azy i Iaveh, araka ny efa nianianany tamin’ny razany, ka tsy nisy nahatoha azy ny fahavalony na dia iray aza, ary natolotr’i Iaveh teo an-tanany izy.
Moa tsy mipetraka ho tompon’izay nomen’i Kamosy andriamanitrao anao ho fanananao va ianao? Ary izahay moa tsy tokony hipetraka ho tompon’izay rehetra nomen’i Iaveh Andriamanitray anay ho fanananay?
Taorian’ny nahatongavan’i Jakôba tany Ejipta, dia nitaraina tamin’i Iaveh ny razanareo, ka naniraka an’i Môizy sy i Aarôna i Iaveh, ary izy ireo nitondra ny razanareo hivoaka avy tany Ejipta, sy namponina azy tamin’ity tany ity.