Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Josoa 19:1 - Baiboly Katolika

I Simeôna no nahazo ny anjara faharoa tamin’ny loka, dia ny fokon-taranak’i Simeôna, araka ny fianakaviany: ny lovany dia tao afovoan’ny lovan’ny taranak’i Jodà.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ny anjara faharoa azo tamin’ny antsapaka dia azon’i Simeona, dia ny fokon’i Simeona isam-pianakaviany; ary ny lovany dia tao anatin’ny lovan’ny taranak’i Joda.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Ny anjara navoakan’ny antsapaka faharoa dia azon’ny foko simehônita ho an’ireo tarika ao anatiny. Ny zarataniny dia tao anivon’ny an’ireo taranak’i Joda.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Ny anjara navoakan’ny antsapaka faharoa dia azon’ny foko simehônita ho an’ireo tarika ao anatiny. Ny zarataniny dia tao anivon’ny an’ireo taranak’i Joda.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary ny loka faharoa dia azon’i Simeona, dia ny firenena taranak’i Simeona isam-pokony; ary ny lovany dia tao anatin’ny lovan’ny taranak’i Joda.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary ny loka faharoa dia azon'i Simeona, dia ny firenena taranak'i Simeona isam-pokony; ary ny lovany dia tao anatin'ny lovan'ny taranak'i Joda.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ny anjara faharoa azo tamin’ny antsapaka dia azon’i Simeona, dia ny fokon’i Simeona isam-pianakaviany; ary ny lovany dia tao anatin’ny lovan’ny taranak’i Joda.

Jereo ny toko



Josoa 19:1
10 Rohy Ifampitohizana  

Zanak’i Lià: Robena, lahimatoan’i Jakôba, Simeôna, Levi, Jodà, Isakara ary Zabolôna.


Ny nonenan’izy ireo dia tao Bersabea, tao Môladà, tao Hasar-Soala,


Manolotra ny sisin-tanin’i Benjamina, hatramin’ny faritra atsinanana ka hatramin’ny faritra andrefana: anjara iray ho an’i Simeôna.


Ny tanàna izay ao amin’ny fara sisin’ny fokon-taranak’i Jodà, manolotra ny faritanin’i Edôma, ny tao amin’i Negeba, dia i Kabseela, i Edera, i Jagora,


i Selà, i Elefa, i Jebosy, dia i Jerosalema izany, i Gabaata ary i Kariata: tanàna 14, sy ny zana-bohiny.


Ary izao no tao amin’ny lovany: i Bersabe, i Sabea, i Môladà,


Ny anjaran’ny taranak’i Jodà no nangalana ho lovan’ny taranak’i Simeôna, satria ny anjaran’ny taranak’i Jodà dia lehibe loatra ho azy ireo, ka tao afovoan’ny taniny no nahazoan’ny taranak’i Simeôna ny lovany.


12.000 avy amin’ny fokon’i Simeôna; 12.000 avy amin’ny fokon’i Levi; 12.000 avy amin’ny fokon’i Isakara;