Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Apokalipsy 7:7 - Baiboly Katolika

7 12.000 avy amin’ny fokon’i Simeôna; 12.000 avy amin’ny fokon’i Levi; 12.000 avy amin’ny fokon’i Isakara;

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

7 tamin’ny fokon’i Simeona, roa arivo sy iray alina; tamin’ny fokon’i Levy, roa arivo sy iray alina; tamin’ny fokon’i Isakara, roa arivo sy iray alina;

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

7 Avy tamin’ny fokon’i Simehôna: 12 000. Avy tamin’ny fokon’i Levỳ: 12 000. Avy tamin’ny fokon’i Jisakara: 12 000.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

7 Avy tamin’ny fokon’i Simehôna: 12 000. Avy tamin’ny fokon’i Levỳ: 12 000. Avy tamin’ny fokon’i Jisakara: 12 000.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

7 Avy tamin’ny firenen’i Simeona roa arivo amby iray alina. Avy tamin’ny firenen’i Levy roa arivo amby iray alina. Avy tamin’ny firenen’Isakara roa arivo amby iray alina.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

7 Avy tamin'ny firenen'i Simeona roa arivo amby iray alina. Avy tamin'ny firenen'i Levy roa arivo amby iray alina. Avy tamin'ny firenen'Isakara roa arivo amby iray alina.

Jereo ny toko dika mitovy




Apokalipsy 7:7
14 Rohy Ifampitohizana  

Nanana anaka indray koa izy, dia tera-dahy, ka nanao hoe: «Izao vao hiraiki-po amiko tokoa ny vadiko, fa niteraka telo mirahalahy ho azy aho.» Izany no nanaovany ny anaran’io hoe Levi.


ka hoy i Lià: «Nomen’Andriamanitra ny karamako aho tamin’ny nanomezako ny ankizivaviko ho an’ny vadiko.» Dia nataony hoe Isakara ny anarany.


Zanak’i Lià: Robena, lahimatoan’i Jakôba, Simeôna, Levi, Jodà, Isakara ary Zabolôna.


Mamatotra ny zanak’ampondrany amin’ny voaloboka izy ary ny zanak’ampondravaviny amin’ny tahom-boaloboka. Sasàny amin’ny divay ny fitafiany, ary amin’ny ran’ny voaloboka ny kapaotiny.


I Simeôna sy i Levy dia mpirahalahy, Fiadiana enti-manao an-kery ny sabany.


Izao no anaran’ny zanaka lahin’i Levỳ, mbamin’ny taranany avy: Jersôna, Kaata ary Merarỳ. Fito amby telopolo amby zato taona no andro niainan’i Levỳ.


Ny terak’i Simeôna, ny taranak’ireo araka ny fianakaviany sy ny fokom-pianakaviany avy, ny voasoratra ho isan’ireo, rehefa nisaina ny anarany isam-batan’olona, ny lehilahy rehetra hatramin’ny roapolo taona no ho miakatra, ny lehilahy rehetra mahatàm-piadiana,


Zamarì no anaran’ilay lehilahy Israelita, niara-novonoina tamin-dravehivavy Madianita; zanak’i Salò izy, sady filoham-pianakaviana tamin’ny Simeônita.


Ireo no fokon’ny Simeônita, 22.200 izy.


I Simeôna no nahazo ny anjara faharoa tamin’ny loka, dia ny fokon-taranak’i Simeôna, araka ny fianakaviany: ny lovany dia tao afovoan’ny lovan’ny taranak’i Jodà.


I Isakara no nahazo ny anjara fahefatra tamin’ny loka; dia ny taranak’i Isakara, araka ny fianakaviany.


12.000 avy amin’ny fokon’i Asera; 12.000 avy amin’ny fokon’i Neftalì; 12.000 avy amin’ny fokon’i Manase;


12.000 avy amin’ny fokon’i Zabolôna; 12.000 avy amin’ny fokon’i Josefa, ary 12.000 avy amin’ny fokon’i Benjamina no voaisy fitomboka.


Ary hoy i Jodà tamin’i Simeôna rahalahiny: «Andeha hiakatra miaraka amiko ianao ho any amin’ny tany azoko tamin’ny loka, dia hiady amin’ny Kananeanina isika; dia handeha hiaraka aminao koa aho any amin’ny tany azonao tamin’ny loka.» Dia niaraka taminy i Simeôna.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra