dia hofongorako eo amin’ny tany nomeko azy i Israely, hariako tsy ho eo imasoko intsony ny trano nohamasiniko ho an’ny Anarako, hanjary fandatsa sy ambentintenin’ny firenena rehetra i Israely;
Jeremia 7:12 - Baiboly Katolika Mandehana mankany amin’ilay nitoerako any Silô, izay namponenako ny Anarako fahiny, ka zahao ny nanaovako azy, noho ny haratsian’i Israely vahoakako. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Fa mandehana ianareo any amin’ny fitoerako izay tao Silo, dia ilay nasiako ny anarako tany am-boalohany, ka jereo izay nataoko taminy noho ny haratsian’ny Israely oloko. DIEM PROTESTANTA Mankanesa any amin’ny toerako masina any Silao izay namponenako ny voninahitro fahiny, ka jereo izay nanaovako azy noho ny haratsian’ilay Israely vahoakako. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Mankanesa any amin’ny toerako masina any Silao izay namponenako ny voninahitro fahiny, ka jereo izay nanaovako azy noho ny haratsian’ilay Israely vahoakako. Baiboly Protestanta Malagasy Fa mandehana hianareo any amin’ny fitoerako izay tao Silo, Dia ilay nasiako ny anarako tany am-boalohany, Ka jereo izay nataoko taminy Noho ny haratsian’ny Isiraely oloko. Malagasy Bible Fa mandehana ianareo any amin'ny fitoerako izay ao Silo, dia ilay nasiako ny anarako any am-boalohany, ka jereo izay nataoko taminy noho ny haratsian'ny Isiraely oloko. La Bible en Malgache Fa mandehana ianareo any amin’ny fitoerako izay tao Silo, dia ilay nasiako ny anarako tany am-boalohany, ka jereo izay nataoko taminy noho ny haratsian’ny Israely oloko. |
dia hofongorako eo amin’ny tany nomeko azy i Israely, hariako tsy ho eo imasoko intsony ny trano nohamasiniko ho an’ny Anarako, hanjary fandatsa sy ambentintenin’ny firenena rehetra i Israely;
dia hataoko tahaka an’i Silao ity trano ity, ary hataoko fanozonana amin’ny firenena rehetra ambonin’ny tany, ity tanàna ity.› »
dia ataoko amin’ity trano ity izay niantsoana ny Anarako, izay ametrahanareo ny fitokianareo, dia ity fitoerana izay efa nomeko anareo sy ny zanakareo, izay nataoko tamin’i Silô;
Amin’izay fitoerana hofidin’i Iaveh Andriamanitrareo hamponenany ny Anarany no hanateranareo ny zavatra rehetra andidiako anareo, dia ny sorona doranareo, ny soronareo, ny fahafolon-karenareo, ny voatokan’ny tananareo, ary ny fanatitra rehetra voafantina hanalanareo ny voadinareo izay nataonareo tamin’i Iaveh.
fa tadiavo Izy, amin’ny fitoerana izay hofidin’i Iaveh Andriamanitrareo eo amin’ny fokonareo rehetra, mba hametrahany ny Anarany sy hataony fonenany, ka ao amin’io no halehanao.
Nivory ny fiangonan’i zanak’i Israely rehetra tao Silô, ka nanangana ny trano lay fihaonana. Efa resy teo anoloany ny tany.
Dia nanao filokana ho azy ireo, teo anatrehan’i Iaveh, i Jôsoe tao Silao, ka tao no nizaran’i Jôsoe ny tany tamin’ny zanak’i Israely araka ny anjarany.
Ilay sary voasikotra nataon’i Mikasy no natsangan’izy ireo ho azy, nandritra ny fotoana rehetra nisian’ny tranon’Andriamanitra tao Silô.
Niakatra avy any an-tanàna isan-taona ralehilahy io, hivavaka amin’i Iavehn’ny tafika sy hanatitra sorona aminy, any Silao. Ary tao ny zanak’i Helì, roa lahy, dia i Ofnì sy i Finea, mpisoron’i Iaveh.
Hoy izy: «Efa voaesotra amin’i Israely ny voninahitra fa lasan-ko babo ny Fiaran’Andriamanitra.»