Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




1Samoela 1:3 - Baiboly Katolika

3 Niakatra avy any an-tanàna isan-taona ralehilahy io, hivavaka amin’i Iavehn’ny tafika sy hanatitra sorona aminy, any Silao. Ary tao ny zanak’i Helì, roa lahy, dia i Ofnì sy i Finea, mpisoron’i Iaveh.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

3 Niakatra isan-taona niala tao amin’ny tanànany Ralehilahy mba hivavaka sy hamono zavatra hatao fanatitra ho an’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, tao Silo. Ary tao izy mirahalahy, zanak’i Ely, dia i Hofinia sy i Finehasa, mpisoron’NY TOMPO.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

3 Isan-taona i Elkanà dia nandao an’i Ramà tanànany mba hivavaka sy hanao sorona amin’ny TOMPOn’izao rehetra izao tany Silao; mpisoron’ny TOMPO tao koa i Hôfnỳ sy i Pinehasa zanakalahin’i Helỳ.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

3 Isan-taona i Elkanà dia nandao an’i Ramà tanànany mba hivavaka sy hanao sorona amin’ny TOMPOn’izao rehetra izao tany Silao; mpisoron’ny TOMPO tao koa i Hôfnỳ sy i Pinehasa zanakalahin’i Helỳ.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

3 Ary ralehilahy niakatra isan-taona niala tamin’ny tanànany hivavaka sy hamono zavatra hatao fanatitra ho an’i Jehovah, Tompon’ny maro, tao Silo. Ary tao izy mirahalahy, zanak’i Ely, dia Hofinia sy Finehasa, mpisoron’i Jehovah.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

3 Ary ralehilahy niakatra isan-taona niala tamin'ny tanànany hivavaka sy hamono zavatra hatao fanatitra ho an'i Jehovah, Tompon'ny maro, tao Silo. Ary tao izy mirahalahy, zanak'i Ely, dia Hofinia sy Finehasa, mpisoron'i Jehovah.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

3 Niakatra isan-taona niala tao amin’ny tanànany Ralehilahy mba hivavaka sy hamono zavatra hatao fanatitra ho an’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, tao Silo. Ary tao izy mirahalahy, zanak’i Ely, dia i Hofinia sy i Finehasa, mpisoron’NY TOMPO.

Jereo ny toko dika mitovy




1Samoela 1:3
22 Rohy Ifampitohizana  

Tsy nankasitrahiny ny fonenany tao Silô, dia ny lay izay nonenany tao amin’ny olombelona.


«Intelo isan-taona no hanaovanao fety fankalazana Ahy.


koa intelo isan-taona no hisehoan’ny lehilahy rehetra eo anatrehan’ny Tompo Iaveh.»


«Intelo isan-taona no hisehoan’ny lehilahy rehetra eo anatrehan’i Iaveh Tompo, Andriamanitr’i Israely.


Ary isan-taona ny ray aman-dreniny dia nankany Jerosalema amin’ny andro fetin’ny Paka;


Intelo isan-taona no hisehoan’ny lehilahy rehetra aminareo, eo anatrehan’i Iaveh Andriamanitrareo, any amin’ny fitoerana izay hofidiny, dia amin’ny fetin’ny Azima, sy ny fetin’ny Herinandro, ary ny fetin’ny Tabernakla; ka aoka tsy ho tanam-polo fotsiny no hisehoany eo anatrehan’i Iaveh,


Nivory ny fiangonan’i zanak’i Israely rehetra tao Silô, ka nanangana ny trano lay fihaonana. Efa resy teo anoloany ny tany.


Ilay sary voasikotra nataon’i Mikasy no natsangan’izy ireo ho azy, nandritra ny fotoana rehetra nisian’ny tranon’Andriamanitra tao Silô.


Dia hoy izy hoe: «Indro misy fetin’i Iaveh ankalazaina isan-taona any Silao», ilay tanàna ao avaratr’i Betela, atsinanan’ny lalana miakatra avy any Betela ho any Sikema ary atsimon’i Libàna,


Dia niakatra i Elkanà vadiny sy ny ankohonany rehetra hanatitra amin’i Iaveh ny sorona fanao isan-taona, sy hanefa ny voadiny.


Nony avy nihinana sy nisotro ny olona, tany Silao, dia nitsangana i Anà. I Helì mpisorona izany, nipetraka teo amin’ny fipetrahana anankiray, teo anoloan’ny anankiray amin’ny tsato-kazon’ny tempolin’i Iaveh.


Ary nitafy ny efôda i Akiasy zanak’i Akitoba, rahalahin’i Ikabôda, zanak’i Finea zanak’i Helì, mpisoron’i Iaveh tany Silô. Tsy nahalala ny vahoaka, fa hoe lasa i Jônatasy.


Nanaovan-dreniny akanjo kely izy, nentiny ho azy isan-taona, rehefa miara-miakatra amin’ny vadiny izy, hanatitra ny sorona fanao isan-taona.


Ary ho famantaranao izany, ny hanjò ny zanakao roa lahy, dia i Ofnì sy i Finea, fa ho indray andro maty izy roa lahy.


Voalazako taminy fa handeha hanao fitsarana ny tranony Aho ho amin’ny mandrakizay, noho ny heloka izay fantany, sy ny nivarinan’ny zanany ho ratsy, nefa tsy nosakanany.


Ny Fiaran’Andriamanitra dia voasambotra ary izy roa lahy zanak’i Helì, Ofnì sy Finea, dia maty.


Dia naniraka nankany Silao ny olona, ka nentina avy amin’io tanàna io ny Fiaran’ny Faneken’i Iavehn’ny tafika, izay mipetraka amin’ny Kerobima. Niaraka tamin’ny Fiaran’ny Faneken’i Iaveh Andriamanitra izy mirahalahy zanak’i Helì, dia i Ofnì sy i Finea.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra