Andeha isika hidina ao ihany ka hanorokoro ny fiteniny mba tsy hifankahazo fiteny intsony izy.»
Jeremia 5:15 - Baiboly Katolika Inty Aho mitondra hamely anareo firenena iray avy lavitra, ry taranak’i Israely, - teny marin’i Iaveh; firenena mahery izy io, firenena fahagola, firenena tsy hainao fiteny, ary tsy fantatrao izay lazainy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Indro, hitondra firenena avy lavitra Aho hamely anareo, ry taranak’Israely, hoy NY TOMPO, dia firenena tsy mety resy, firenena hatry ny ela, firenena izay tsy fantatrao ny fiteniny sady tsy ho azonao izay lazainy. DIEM PROTESTANTA Ny aminareo indray, ry vahoakan’i Israely, hoy ny teny hentitry ny TOMPO, dia indro Aho hahatonga firenena avy lavitra hamely anareo, dia firenena tsy mety resy sady anisan’ireo tranainy indrindra, firenena tsy fantatrareo ny fiteniny sady tsy azonareo izay lazainy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ny aminareo indray, ry vahoakan’i Israely, hoy ny teny hentitry ny TOMPO, dia indro Aho hahatonga firenena avy lavitra hamely anareo, dia firenena tsy mety resy sady anisan’ireo tranainy indrindra, firenena tsy fantatrareo ny fiteniny sady tsy azonareo izay lazainy. Baiboly Protestanta Malagasy Indro, efa hitondra firenena avy lavitra Aho hamely anareo, Ry taranak’Isiraely, hoy Jehovah,– Dia firenena mateza hery, Firenena hatry ny ela, Firenena izay tsy fantatrao ny fiteniny, Ka tsy ho azonao izay lazainy. Malagasy Bible Indro, efa hitondra firenena avy lavitra Aho hamely anareo, ry taranak'Isiraely, hoy Jehovah, dia firenena mateza hery, Firenena hatry ny ela, Firenena izay tsy fantatrao ny fiteniny, ka tsy ho azonao izay lazainy. La Bible en Malgache Indro, hitondra firenena avy lavitra Aho hamely anareo, ry taranak’Israely, hoy NY TOMPO, dia firenena tsy mety resy, firenena hatry ny ela, firenena izay tsy fantatrao ny fiteniny sady tsy ho azonao izay lazainy. |
Andeha isika hidina ao ihany ka hanorokoro ny fiteniny mba tsy hifankahazo fiteny intsony izy.»
Eny àry, fa olona mibadabada sy amin’ny fitenim-pirenen-kafa, no hitenenan’i Iaveh amin’ity vahoaka ity.
Izaho hitoby manodidina anao, hanisy miaramila hanemitra anao, ary hanangana manda hamelezana anao.
Ary indro fa amin’izay dia tampoka sy amin’ny indray mipy maso no hisavan’i Iavehn’ny tafika anao, amin-kotrokotroka, kotro-baratra, rohondrohona mafy, tadio, tafio-drivotra, ary lelafo mandevona.
Tsy ho hitanao intsony ny vahoaka mirehareha, ny vahoaka manao teny maizina sy tsy fantatra, fa fiteny tsy fantatra no akanakaniny.
Dia nankeo amin’i Ezekiasa mpanjaka i Izaia, mpaminany, ka nanao taminy hoe: «Inona no nolazain’ireo olona ireo; ary avy aiza izy ireo no nankatỳ aminao?» Hoy ny navalin’i Ezekiasa: «Avy lavitra izy ireo no nankatỳ amiko; avy any Babilôna.»
Manangan-tsaina ho an’ireo firenena lavitra Izy; ary misiaka miantso azy ireo, avy any am-paran’ny tany. dia indreo tonga ireny, faingana sady mailaka.
Fa ny taranak’i Israely, no tanimboalobok’i Iavehn’ny tafika, ary ny olona any Jodà, no voly nolalainy; hitsiny no nantenainy taminy, kanjo ra latsaka no niseho; ny fahamarinana no nantenainy, kanjo fitarainam-pahoriana no hita.
Fa inty aho miantso ny fianakaviana rehetra amin’ny fanjakana any avaratra, - teny marin’i Iaveh. - Ka ho avy izy, ary samy hametraka ny seza fiandrianany eo am-pidiran’ny vavahadin’i Jerosalema, eo anoloan’ny mandany rehetra manodidina, ary eo anoloan’ny tanànan’i Jodà rehetra.
Toy ny fangaihain’ny mpangalatra azo an-tanana no fangaihain’ny taranak’i Israely, dia izy ireo, ny mpanjakany, ny lehibeny, ny mpisorony ama-mpaminaniny,
dia indro ampanalaiko ny foko rehetra any avaratra, - teny marin’i Iaveh, - hoentiko amin’i Nabokodonozora mpanjakan’i Babilôna, mpanompoko; ary hataoko tonga izy ireo hamely an’ity tany ity mbamin’ny mponina eo aminy sy ny firenena rehetra amin’ny manodidina, ka hataoko anatema izy, hataoko tany lao, zavatra fandatsa, ary rava mandrakizay.
Ampandreneso ny firenena izany; ambarao azy ireo ny lozan’i Jerosalema. Misy mpanao fahirano avy any an-tany lavitra, manao akoralava hamely ny tanànan’i Jodà.
Satria efa nivadika tamiko, ny taranak’i Israely sy ny taranak’i Jodà, - teny marin’i Iaveh. -
Izao no lazain’i Iaveh: «Indro misy firenena tamy avy any amin’ny tany avaratra; misy firenena lehibe miainga avy any am-paran’ny tany.»
Ario lavitra anareo ny fahotana, sy ny fahadisoana rehetra nataonareo; manaova fo vaovao sy saina vaovao. Fa nahoana no dia ho faty ianareo, ry taranak’i Israely.
Fa indro hanangana hamely anareo Aho, ry taranak’i Israely, - teny marin’i Iaveh, Andriamanitry ny tafika - hanangana firenena anankiray hampahory anareo, hatrany amin’ny hadilalan’i Hamata ka hatrany amin’ny lohasahan-driakan’ny efitra.
Vao nandre aho dia nivadika ny tsinaiko; mipararetra amin’izany feo izany ny molotro, idiran’ny fahalòvana ny taolako, mangovitra ny lohaliko eo ambaniko, noho ny tsy maintsy hiandrasako amim-piadanana ny andro mahory, izay hiakaran’ny fahavalo hampahory ny vahoaka anankiray.
Voasoratra ao amin’ny Lalàna hoe: Amin’ny olona hafa fiteny, sy amin’ny molotry ny olon-kafa no hitenenako amin’ity firenena ity; ary na dia amin’izany aza, dia mbola tsy hihaino Ahy ihany izy, hoy ny Tompo.
Ny vokatry ny taninao, ny vokatry ny asanao rehetra, hohanin’olon-kafa tsy fantatrao akory, ary ianao hampahorina sy homongoin’ny sasany isan’andro.
Firenena avy lavitra, avy amin’ny fara vazantany, faingam-pandeha hoatra ny fanidin’ny voromahery, firenena tsy azonao veroka akory no hampandehanin’i Iaveh hamely anao;