Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Isaia 28:11 - Baiboly Katolika

11 Eny àry, fa olona mibadabada sy amin’ny fitenim-pirenen-kafa, no hitenenan’i Iaveh amin’ity vahoaka ity.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

11 Hay, amin’ny molotra miambakavaka sy amin’ny teny vahiny no hitenenany amin’ity firenena ity.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

11 Eny, amin’ny fiteny tsy fantatra sy fiteny vahiny no hitenenan’ny Tompo amin’ity firenena ity!

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

11 Eny, amin’ny fiteny tsy fantatra sy fiteny vahiny no hitenenan’ny Tompo amin’ity firenena ity!

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

11 Eny, amin’ny molotra miambakambaka Sy amin’ny fiteny baiko no hitenenany amin’ity firenena ity,

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

11 Eny, amin'ny molotra miambakambaka sy amin'ny fiteny baiko no hitenenany amin'ity firenena ity,

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

11 Hay, amin’ny molotra miambakavaka sy amin’ny teny vahiny no hitenenany amin’ity firenena ity.

Jereo ny toko dika mitovy




Isaia 28:11
5 Rohy Ifampitohizana  

Tsy ho hitanao intsony ny vahoaka mirehareha, ny vahoaka manao teny maizina sy tsy fantatra, fa fiteny tsy fantatra no akanakaniny.


Inty Aho mitondra hamely anareo firenena iray avy lavitra, ry taranak’i Israely, - teny marin’i Iaveh; firenena mahery izy io, firenena fahagola, firenena tsy hainao fiteny, ary tsy fantatrao izay lazainy.


Fa tsy ho any amin’ny firenena hafa fiteny, na miboeriboeri-piteny, no anirahako anao; fa ho any amin’ny taranak’i Israely.


Voasoratra ao amin’ny Lalàna hoe: Amin’ny olona hafa fiteny, sy amin’ny molotry ny olon-kafa no hitenenako amin’ity firenena ity; ary na dia amin’izany aza, dia mbola tsy hihaino Ahy ihany izy, hoy ny Tompo.


Firenena avy lavitra, avy amin’ny fara vazantany, faingam-pandeha hoatra ny fanidin’ny voromahery, firenena tsy azonao veroka akory no hampandehanin’i Iaveh hamely anao;


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra