Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Isaia 28:10 - Baiboly Katolika

10 Fa didy manampy didy, didy manampy didy, fitsipika manampy fitsipika, fitsipika manampy fitsipika, mbetika izao, mbetika izany.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

10 Fa didy anampy didy, didy anampy didy; fitsipika anampy fitsipika, fitsipika anampy fitsipika; ampiana teny kely etsy, ampiana teny kely eroa.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

10 Fa hoy i Isaià amintsika: TSA ampiana V: TSAV; TSA ampiana V: TSAV. KA ampiana V: KAV; KA ampiana V: KAV. Indray mandeha ity, indray mandeha irỳ.»

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

10 Fa hoy i Isaià amintsika: TSA ampiana V: TSAV; TSA ampiana V: TSAV. KA ampiana V: KAV; KA ampiana V: KAV. Indray mandeha ity, indray mandeha irỳ.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

10 Fa didy anampy didy, didy anampy didy; Fitsipika anampy fitsipika, fitsipika anampy fitsipika; Kely etỳ, ary kely erỳ;

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

10 Fa didy anampy didy, didy anampy didy; Fitsipika anampy fitsipika, fitsipika anampy fitsipika; Kely etỳ, ary kely erỳ;

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

10 Fa didy anampy didy, didy anampy didy; fitsipika anampy fitsipika, fitsipika anampy fitsipika; ampiana teny kely etsy, ampiana teny kely eroa.

Jereo ny toko dika mitovy




Isaia 28:10
11 Rohy Ifampitohizana  

Noho izany, ho azy ireo ny tenin’i Iaveh, dia «ho didy manampy didy, didy manampy didy; fitsipika manampy fitsipika, mbetika izao mbetika izany»; mba handeha izy ireo, ka ho lavo mitsilany, ho torotoro ary ho voasambotra amin’ny fandrika.


Inona moa no mbola tokony ho natao tamin’ny tanimboaloboko, ka tsy nataoko taminy? Nahoana no voaloboka no nantenaiko ho voany, kanjo tsy namoa afa-tsy divay marikivy izy?


Fa ny razanareo efa nanariko mafy; hatramin’ny andro nitondrako azy nivoaka avy any amin’ny tany Ejipta, ka mandraka androany; tsy nitsahatra ny nananatra azy ireo Aho nanao hoe: Henoy ny feoko!


Farany, ry kristianina havana, mifalia ao amin’ny Tompo. Tsy manahirana ahy ny mamerin-teny raha manoratra aminareo, sady mahasoa anareo izany.


ary mianatra mandrakariva, nefa tsy mahatratra ny fahalalana ny marina na oviana na oviana.


Satria, na dia efa tokony ho mpampianatra hatramin’ny ela aza ianareo, dia mbola mila ny hampianarina ny abidim-pianaran’ny tenin’Andriamanitra ihany, ka ronono no mbola ilainareo noho ny ventin-kanina.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra