Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Jeremia 4:14 - Baiboly Katolika

Ry Jerosalema ô, diovy ho afaka amin’ny ratsy ny fonao, mba hovonjena ianao; mandra-pahoviana no hitoeran’ny hevi-dratsinao ao am-ponao?

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ry Jerosalema, sasao ny fonao ho afaka amin’ny ratsy mba hamonjena anao! Mandra-pahoviana no hitoeran’ny hevi-dratsinao ao am-ponao?

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Diovy hiala amin’ny ratsy ny fonao, raha te ho afaka ianao, ry Jerosalema. Mandra-pahoviana ny hevi-dratsy no hitoetra ao anatinao?

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Diovy hiala amin’ny ratsy ny fonao, raha te ho afaka ianao, ry Jerosalema. Mandra-pahoviana ny hevi-dratsy no hitoetra ao anatinao?

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ry Jerosalema, sasao ny fonao ho afaka amin’ny ratsy, Mba hovonjena hianao! Mandra-pahoviana no hitoeran’ny hevi-dratsinao ao am-ponao?

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ry Jerosalema, sasao ny fonao ho afaka amin'ny ratsy, mba hovonjena ianao! Mandra-pahoviana no hitoeran'ny hevi-dratsinao ao am-ponao?

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ry Jerosalema, sasao ny fonao ho afaka amin’ny ratsy mba hamonjena anao! Mandra-pahoviana no hitoeran’ny hevi-dratsinao ao am-ponao?

Jereo ny toko



Jeremia 4:14
22 Rohy Ifampitohizana  

Halako ny olona miroa fo, ary tia ny lalànao aho.


fony i Natàna mpaminany nankao aminy, nony efa nandeha tamin’i Betsabea izy.


Raha nahita ota tao am-poko aho, dia tsy ho nihaino ahy ny Tompo.


«Mandra-pahoviana, ry kely saina, no hitiavanareo ny fahakelezan-tsaina? Mandra-pahoviana no hifalian’ny mpananihany amin’ny fananihaniana, ary hankahalan’ny adala ny fahaizana?


aoka ny ratsy fanahy hiala amin’ny lalany, ary ny meloka amin’ny heviny; ka hiverina amin’i Iaveh izy, dia hamindrany fo; dia amin’Andriamanitra fa mamela malalaka Izy.


Ny fijangajanganao, ny fanenonao, ny fanoloranao vatana ho amin’ny asa vetaveta, eny amin’ny havoana, eny an-tsaha eny, ny fahavetavetanao rehetra dia hitako avokoa. Loza ho anao, ry Jerosalema! Maloto ianao, ka mbola haharitra mandra-pahoviana izany?


Ny fahotan’i Jodà dia voasoratra tamin’ny vy fanoratana sy tamin’ny fantsika diamondra, voasokitra eo amin’ny takelaky ny fony izany, sy eo amin’ny tandroky ny ôtelinareo.


Ary amin’izao, mitenena amin’ny olona any Jodà, sy amin’ny mponina ao Jerosalema, manao hoe: Izao no lazain’i Iaveh: Indro Aho mamorona loza hanjò anareo, sy mieritra izay hevitra hamelezana anareo. Koa samia ianareo miala amin’ny lalany ratsy, sy manitsy ny lalanareo aman’asanareo avy.


Eny, na dia handro amin’ny sirahazo aza ianao, ka hataonao betsaka ny siravondrona, mbola ho voaloto eo anatrehako ihany ianao noho ny fahotanao, - teny marin’i Iaveh. -


Mihainoa, ry tany: Indro fa misy loza entiko hamely ity vahoaka ity, dia ny vokatry ny hevi-dratsiny; satria tsy nihaino ny teniko izy ireo; sady nandà ny lalàko.


Ario lavitra anareo ny fahotana, sy ny fahadisoana rehetra nataonareo; manaova fo vaovao sy saina vaovao. Fa nahoana no dia ho faty ianareo, ry taranak’i Israely.


aza misaintsaina ao am-ponareo ny lozan’ny namanareo, ary aza tia ny fianianan-tsy to; fa halako avokoa izany rehetra izany,» - teny marin’i Iaveh. -


«Koa lazao fa tsara ny hazo sy ny voany; na hoe: ratsy ny hazo sy ny voany, satria ny voany no ahafantarana ny hazo.


ka hoy ny Tompo taminy: Ianareo Farisianina kosa iky mandio ny vohon’ny kapoaka sy ny lovia, kanefa ao anatinareo feno halatra sy faharatsiana.


Dia hoy i Simôna Piera taminy: «Tsy ny tongotro ihany àry, Tompoko, fa ny tanako sy ny lohako koa.»


Koa mibebaha amin’izao haratsianao izao, ary mangataha amin’ny Tompo mba hamela izany hevitry ny fonao izany raha azo atao,


fa nahalala an’Andriamanitra izy, nefa tsy nankalaza Azy ho Andriamanitra na nisaotra Azy; fa nanjary zava-poana Izy tamin’ny fisainany, ary tonga maizina ny fony donto.


ary koa hoe: «Fantatry ny Tompo ny hevitry ny hendry, ary fantany fa zava-poana izany.»


Manatòna an’Andriamanitra, dia hanatona anareo izy. Diovy ny tananareo, ry mpanota; ary ataovy mangarangarana ny fonareo, ry mpiroa saina.