Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 4:14 - DIEM PROTESTANTA

14 Diovy hiala amin’ny ratsy ny fonao, raha te ho afaka ianao, ry Jerosalema. Mandra-pahoviana ny hevi-dratsy no hitoetra ao anatinao?

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

14 Ry Jerosalema, sasao ny fonao ho afaka amin’ny ratsy mba hamonjena anao! Mandra-pahoviana no hitoeran’ny hevi-dratsinao ao am-ponao?

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

14 Diovy hiala amin’ny ratsy ny fonao, raha te ho afaka ianao, ry Jerosalema. Mandra-pahoviana ny hevi-dratsy no hitoetra ao anatinao?

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

14 Ry Jerosalema ô, diovy ho afaka amin’ny ratsy ny fonao, mba hovonjena ianao; mandra-pahoviana no hitoeran’ny hevi-dratsinao ao am-ponao?

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

14 Ry Jerosalema, sasao ny fonao ho afaka amin’ny ratsy, Mba hovonjena hianao! Mandra-pahoviana no hitoeran’ny hevi-dratsinao ao am-ponao?

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

14 Ry Jerosalema, sasao ny fonao ho afaka amin'ny ratsy, mba hovonjena ianao! Mandra-pahoviana no hitoeran'ny hevi-dratsinao ao am-ponao?

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

14 Ry Jerosalema, sasao ny fonao ho afaka amin’ny ratsy mba hamonjena anao! Mandra-pahoviana no hitoeran’ny hevi-dratsinao ao am-ponao?

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 4:14
22 Rohy Ifampitohizana  

Hàlako ny olona miroa saina, fa ny lalànanao kosa no tiako.


fony i Natàna mpaminany nankao aminy, rehefa naka an’i Baty-Seba ity mpanjaka.


Raha heloka no mamiko ka tsy nifonako, dia tsy ho nihaino ahy akory ny Tompo.


«Ry kely saina, mandra-pahoviana no hitiavanareo hakelezan-tsaina? Ry mpaniratsira, mandra-pahoviana no handalanareo faniratsirana? Ry adala, mandra-pahoviana no hankahalanareo fahalalana?


Aoka ny olon-dratsy handao ny fanaony, ary ny mpanao ratsy hahafoy ny heviny. Aoka hiverina amin’ny TOMPO ireny fa hamindra fo aminy Izy. Aoka hiverina amin’Andriamanitsika ireny fa hihoa-pampana ny famelan-keloka homeny azy.


Izato fanitsakitsaham-bady sy antsoantsom-pilàna ary fijangajangana mahamenatra nafitsokao! Teny amin’ny havoana sy teny an-tsaha teny na nahitako ireo sampinao maharikoriko. Lozanao, ry Jerosalema, fa tsy mety hidio ianao! Mandra-pahoviana no haharetan’izany?


Ny fahotan’ireo vahoakan’i Joda dia voasoratra tamin’ny vy sy diamondra fanoratana. Tahaka ny voasokitra soratra amin’ny vatofisaka no mahavoasokitra izany ao am-pony sy eny an-joron’ny alitarany;


«Ankehitriny, ry Jeremià, mitenena amin’ny olon’i Joda sy ny mponin’i Jerosalema, ka ambarao aminy hoe: ‹Izao no lazain’ny TOMPO: Indro efa namolavola loza hamelezana anareo Aho, ary eo am-panomanana ny tetika hampiharana izany. Koa samia miala amin’ny fitondrantena ratsy avy ianareo ary ovay ho tsara ny fitondrantenanareo sy ny asanareo.› »


Na dia misasa ny tenanao toy ny fanasa lamba aza ianao ka hampiasa savony betsaka, dia tsy ho afaka ny fahadisoanao fa ho toy ny tseroka eo anatrehako, hoy ny teny hentitry ny Tompo ANDRIANANAHARY.


Mihainoa, ry mponina rehetra eran-tany: Indro hahatonga loza ho an’io firenena io Aho, dia loza vokatry ny hevi-dratsiny ihany, satria tsy niraharaha ny teniko izy sady naniratsira ny fampianarako.


Esory ho afaka aminareo ny asa ratsy rehetra fanaonareo; ka mihavaoza fo amam-panahy ianareo. Ahoana no te ho faty ianareo, ry Israelita?


Aza mieritreritra hanisy ratsy ny namana ary aza mety hianiana lainga, fa halako ny zavatra rehetra toy ireny. Izaho TOMPO no manao izany teny hentitra izany.»


–Ataovy hoe tsara ny voany ka tsara koa ny hazo, na ataovy hoe ratsy ny voany ka ratsy koa ny hazo: satria ny voany no ahafantarana ny hazo.


Fa hoy kosa ny Tompo taminy: –Ianareo Farisianina itony, diovinareo tsara ny etỳ ivelany hatramin’ny vohon’ny kaopy sy ny vilia; kanefa ny ao anatinareo feno halatra sy haratsiam-panahy.


Dia hoy i Simôna Petera taminy: –Raha izany, ry Tompo, dia tsy ny tongotro fotsiny fa ny tanako sy ny lohako ihany koa.


Koa ialao izao faharatsianao izao ary mangataha amin’ny Tompo mba hamelany izany fihevitry ny fonao izany, raha azo atao.


Nahalala an’Andriamanitra tokoa izy ireo, saingy tsy nanolotra ny voninahitra sy ny saotra tandrify Azy. Fa zavatra diso no nanjary nosaintsaininy, ary tonga maizina ny fony donto.


ary izao koa: «Fantatry ny Tompo ny fisainan’ny olon-kendry fa zava-poana izany.»


Manatòna an’Andriamanitra, dia hanatona anareo Izy. Sasao ny tananareo, ry mpanota; ary diovy ny fonareo, ry mpiroa fo.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra