Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 4:15 - DIEM PROTESTANTA

15 Henoy ange fa misy siosio avy any Dana, ary misy vaovao milaza fahoriana avy amin’ny faritra havoan’i Efraîma.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

15 Fa injany misy feo manambara avy any Dana ary misy filazam-pahoriana avy amin’ny tany be havoana any Efraima.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

15 Henoy ange fa misy siosio avy any Dana, ary misy vaovao milaza fahoriana avy amin’ny faritra havoan’i Efraîma.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

15 Fa misy feo avy any Dana, ka manambara, hatrany an-tendrombohitr’i Efraima izy no milaza ny loza ho avy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

15 Fa injany! misy feo manambara avy any Dana Sy filazam-pahoriana avy amin’ny tany havoan’i Efraima,

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

15 Fa injany! misy feo manambara avy any Dana sy filazam-pahoriana avy amin'ny tany havoan'i Efraima,

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

15 Fa injany misy feo manambara avy any Dana ary misy filazam-pahoriana avy amin’ny tany be havoana any Efraima.

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 4:15
8 Rohy Ifampitohizana  

Endrey tsara tokoa erỳ an-tendrombohitra ny famindran’ilay mpitondra hafatra, izay manambara fiadanana sy mampita hafatra mahasambatra ary manambara famonjena ka manao amin’i Tsiôna hoe: «Mpanjaka ny Andriamanitrao.»


Injany misy feon-javatra mirohondrohona sy mihamanatona, dia fanakorontanana goavana avy any amin’ny tany avaratra any, mba hahatonga ny tanànan’i Joda ho lao sy ho fonenan’ny amboadia.


Mandosira faingana hiala ao Jerosalema, ianareo Benjaminita, mba hitady fialofana any an-kafa. Tsofy ao Tekôa ny anjomara, manaova tsangan’afo ao Bety-Kerèma, satria misy loza sy fandringanana goavana mipoitra avy any avaratra.


Efa ao Dana ny fahavalo ka re avy any ny fiefonefon’ny soavaly. Mihorohoro ny tany manontolo noho ny fanenon’ireo soavaly haingam-pandeha. Avy izy handripaka ny tany sy izay mameno azy, dia ny tanàna sy ny mponina ao aminy.


Dia novalian’i Josoa hoe: –Raha tàhiny vahoaka marobe ianareo ka tery ho anareo ny havoanan’i Efraîma, dia mandehana any amin’ny tanin’ny Perizita sy ny Refaîta ka tevezo ny ala any hipetrahanareo.


Dia natokan’ny Israelita ireto tanàna ireto: i Kedesa any Galilea any amin’ny faritra havoan’i Naftalỳ; sy i Sekema, any amin’ny faritra havoan’i Efraîma; ary i Kiriata-Arbà (antsoina hoe koa Hebrôna) any amin’ny faritra havoan’i Joda.


Novàny ny anaran’i Laîsy izay niantsoana azy taloha ka nampitondrainy ny anaran’i Dana razambeny, izay zanakalahin’i Jakôba.


Dia niainga ny Israelita rehetra ary tafangona toy ny olona iray izy hatrany Dana ka hatrany Beera-Seba sy hatrany amin’ny faritr’i Gilehada no nivory teo anatrehan’ny TOMPO tao Mitsepà.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra