Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Jeremia 36:6 - Baiboly Katolika

Ka mandehana àry ianao, ary vakio ao amin’ny horonan-taratasy nosoratanao, araka izay nanononako azy, ny tenin’i Iaveh mba ho ren’ny vahoaka ao an-tranon’i Iaveh amin’ny andro fifadian-kanina; vakio izany ho ren’izay rehetra an’i Jodà izay tonga avy any an-tanànany.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

koa mandehana ianao ka vakio eo anatrehan’ny vahoaka ao amin’ny tranon’NY TOMPO amin’ny andro fifadian-kanina ny tenin’NY TOMPO, izay efa nosoratanao avy tamin’ny vavako; ary vakio eo anatrehan’ny Joda rehetra izay tonga avy any amin’ny tanànany koa.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Fa ianao kosa, mankanesa ao amin’ny andron’ny fifadian-kanina, dia vakio mafy ao ny hafatry ny TOMPO izay efa notononiko ka efa voasoratrao, ary ataovy ren’ny olona ao amin’ny tempoly mbamin’izay rehetra tonga avy amin’ireo tanànan’i Joda izany.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Fa ianao kosa, mankanesa ao amin’ny andron’ny fifadian-kanina, dia vakio mafy ao ny hafatry ny TOMPO izay efa notononiko ka efa voasoratrao, ary ataovy ren’ny olona ao amin’ny tempoly mbamin’izay rehetra tonga avy amin’ireo tanànan’i Joda izany.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

fa mandehana hianao, ka vakio eo anatrehan’ny vahoaka ao an-tranon’i Jehovah amin’ny andro fifadian-kanina ny tenin’i Jehovah, izay efa nosoratanao avy tamin’ny vavako; ary vakio eo anatrehan’ny Joda rehetra izay tonga avy any amin’ny tanànany koa.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

fa mandehana ianao, ka vakio eo anatrehan'ny vahoaka ao an-tranon'i Jehovah amin'ny andro fifadiankanina ny tenin'i Jehovah, izay efa nosoratanao avy tamin'ny vavako, ary vakio eo anatrehan'ny Joda rehetra izay tonga avy any amin'ny tanànany koa.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

koa mandehana ianao ka vakio eo anatrehan’ny vahoaka ao amin’ny tranon’NY TOMPO amin’ny andro fifadian-kanina ny tenin’NY TOMPO, izay efa nosoratanao avy tamin’ny vavako; ary vakio eo anatrehan’ny Joda rehetra izay tonga avy any amin’ny tanànany koa.

Jereo ny toko



Jeremia 36:6
13 Rohy Ifampitohizana  

Ary amin’izao, mitenena amin’ny olona any Jodà, sy amin’ny mponina ao Jerosalema, manao hoe: Izao no lazain’i Iaveh: Indro Aho mamorona loza hanjò anareo, sy mieritra izay hevitra hamelezana anareo. Koa samia ianareo miala amin’ny lalany ratsy, sy manitsy ny lalanareo aman’asanareo avy.


Tonga avy any Tôfeta, izay nanirahan’i Iaveh haminaniany i Jeremia, ka dia nitsangana teo an-kianjan’ny tranon’i Iaveh ary nilaza tamin’ny vahoaka rehetra hoe:


ka lazao eny izao teny izao, ataovy hoe: «Henoy ny tenin’i Iaveh, ry mpanjakan’i Jodà, izay mipetraka eo amin’ny seza fiandrianan’i Davida, dia ianao sy ny mpanomponao mbamin’ny vahoakanao, izay miditra amin’ireto vavahady ireto.»


Izao no lazain’i Iaveh: «Mitsangàna ianao eo an-kianjan’ny tranon’i Iaveh, ka lazao amin’izay avy amin’ny tanànan’i Jodà rehetra izay tonga hivavaka ao an-tranon’i Iaveh, ny teny rehetra nasaiko hambaranao aminy; aza misy amelàna na dia teny iray aza.


Mangalà horonan-taratasy ianao, ka soraty ao avokoa ny teny nolazaiko taminao, mamely an’i Israely sy i Jodà ary ny firenena rehetra, hatramin’ny andro nitenenako taminao, hatramin’ny andron’i Josiasa ka mandraka androany.


Dia niantso an’i Baròka zanak’i Nerià, i Jeremia, ka ny teny rehetra nolazain’i Iaveh tamin’i Jeremia, dia nosoratan’i Baròka tamin’ny horonan-taratasy araka ny nanononany azy.


Mitsangàna eo am-bavahadin’ny tranon’i Iaveh, ka eo no torio izao teny izao, ataovy hoe: «Mihainoa ny tenin’i Iaveh, ianareo rehetra lehilahy amin’i Jodà, izay miditra amin’ireto vavahady ireto, hivavaka amin’i Iaveh.


Izao no lazain’i Iavehn’ny tafika: «Ny fifadian-kanina amin’ny volana fahefatra, ny fifadian-kanina amin’ny fahadimy, ny fifadian-kanina amin’ny fahafito, ary ny fifadian-kanina amin’ny volana fahafolo, dia hanjary andro fifaliana amam-piravoravoana sy ho fety lehibe, ho an’ny taranak’i Jodà.»


Nony afaka andro maromaro, dia tsy nahatoky intsony ny mandeha an-tsambo, fa efa lasa ny andro fifadiana, ka notoroan’i Paoly hevitra ny mpiantsambo,