Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 36:4 - Baiboly Katolika

4 Dia niantso an’i Baròka zanak’i Nerià, i Jeremia, ka ny teny rehetra nolazain’i Iaveh tamin’i Jeremia, dia nosoratan’i Baròka tamin’ny horonan-taratasy araka ny nanononany azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

4 Ary niantso an’i Baroka, zanak’i Neria i Jeremia; dia nosoratan’i Baroka tamin’ny horonan-taratasy ny tenin’NY TOMPO rehetra avy tamin’ny vavan’i Jeremia, dia izay efa nolazain’NY TOMPO taminy.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

4 Dia niantso an’i Baròka zanakalahin’i Nerià i Jeremià, ka nanonona taminy ny hafatra rehetra izay nampitondrain’ny TOMPO azy; ary nosoratan’i Baròka tamin’ny horonan-taratasy ireny.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

4 Dia niantso an’i Baròka zanakalahin’i Nerià i Jeremià, ka nanonona taminy ny hafatra rehetra izay nampitondrain’ny TOMPO azy; ary nosoratan’i Baròka tamin’ny horonan-taratasy ireny.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

4 Ary Jeremia niantso an’i Baroka, zanak’i Neria; ary dia nosoratan’i Baroka tamin’ny horonan-taratasy ny tenin’i Jehovah rehetra avy tamin’ny vavan’i Jeremia, dia izay efa nolazainy taminy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

4 Ary Jeremia niantso an'i Baroka, zanak'i Neria, ary dia nosoratan'i Baroka tamin'ny horonan-taratasy ny tenin'i Jehovah rehetra avy tamin'ny vavan'i Jeremia, dia izay efa nolazainy taminy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

4 Ary niantso an’i Baroka, zanak’i Neria i Jeremia; dia nosoratan’i Baroka tamin’ny horonan-taratasy ny tenin’NY TOMPO rehetra avy tamin’ny vavan’i Jeremia, dia izay efa nolazain’NY TOMPO taminy.

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 36:4
22 Rohy Ifampitohizana  

Koa ankehitriny mandehana soraty eo anatrehany amin’ny fàfana izany, ary ataovy an-tsoratra ao anatin’ny boky, hany ka amin’ny andro ho avy dia ho vavolombelona mandrakizay izany.


Ary hoy i Iaveh tamiko: «Mangalà fàfana lehibe, ka soraty eo, amin’ny soratra azon’ny olona rehetra vakina, izao: ‹Hafaingano ny fandrobana! Mamaboa faingana.› »


Hataoko mihatra amin’izany tany izany avokoa ny teny voalazako hamelezana azy, dia izay rehetra voasoratra amin’ity boky ity. Ny novinanin’i Jeremia hamelezana ny firenena rehetra.


Izao no lazain’i Iaveh Andriamanitr’i Israely: «Soraty amin’ny boky ny teny rehetra nolazaiko taminao.


Dia natolotro an’i Baròka, zanak’i Nerià, zanak’i Maasiasa, ny fanekem-pividianana, teo anatrehan’i Hananeela, zana-drahalahin-draiko, sy teo anatrehan’ny vavolombelona nanao sonia ny fanekem-pihavanana sy teo anatrehan’ny Jody rehetra, nipetraka teo an-kianjan’ny fiambenana.


Tamin’izay ireo lehibe rehetra, naniraka an’i Jodì zanak’i Nataniasa zanak’i Selemiasa zanak’i Kosi, ho any amin’i Baròka, hilaza aminy hoe: «Raiso ny horonan-taratasy izay namakianao teny teo an-tsofin’ny vahoaka, ary mankanesa atỳ ianao.» Dia noraisin’i Baròka zanak’i Nerià ilay horonan-taratasy ka nankany amin’izy ireo izy.


Nirahin’ny mpanjaka i Jodì haka ilay horonan-taratasy, dia noraisiny tao amin’ny efitranon’i Elisama, mpanoratra, dia novakiny teo an-tsofin’ny mpanjaka sy teo an-tsofin’ny lehibe rehetra nitsangana teo anatrehan’ny mpanjaka.


Vao toko telo na efatra no voavakin’i Jodì, dia notapahin’ny mpanjaka tamin’ny antsipìkan’ny mpanoratra, ilay taratasy, ka natsipiny tao anatin’ny afo tao am-patana, mandra-pahalevon’ny afo tao am-patana ny horonan-taratasy manontolo.


Raha efa izany dia nodidian’ny mpanjaka i Jeremiely zanak’andriana, sy i Zaraiasa zanak’i Ezriely, ary i Selemiasa zanak’Abdeely, hisambotra an’i Baròka mpanoratra, sy i Jeremia mpaminany, nefa nafenin’i Iaveh izy ireo.


Ary natao tamin’i Jeremia ny tenin’i Iaveh, taorian’ny nandoran’ny mpanjaka ny horonan-taratasy, mbamin’ny teny nosoratan’i Baròka araka ny nanononan’i Jeremia azy, dia toy izao:


«Mandehana maka horonan-taratasy hafa indray ianao; ka soraty ao avokoa ireo teny voalohany, tao amin’ilay horonan-taratasy voalohany, nodoran’i Jôakima mpanjakan’i Jodà.


Dia naka horonan-taratasy hafa indray i Jeremia, natolony an’i Baròka mpanoratra, zanak’i Nerià, ka nosoratan’i Baròka araka ny nanononan’i Jeremia azy ny teny rehetra tamin’ilay boky nodoran’i Jôakima mpanjakan’i Jodà tamin’ny afo; ary teny hafa maro tahaka ireny no niampy.


Ka mandehana àry ianao, ary vakio ao amin’ny horonan-taratasy nosoratanao, araka izay nanononako azy, ny tenin’i Iaveh mba ho ren’ny vahoaka ao an-tranon’i Iaveh amin’ny andro fifadian-kanina; vakio izany ho ren’izay rehetra an’i Jodà izay tonga avy any an-tanànany.


Fa i Baròka zanak’i Nerià, no nanome fo anao hamely anay, mba hanolotra anay ho eo an-tanan’ny Kaldeanina, hahafaty anay sy hahalasan-ko babo anay any Babilôna.»


Didy nomen’i Jeremia mpaminany, an’i Saraiasa zanak’i Neriasa zanak’i Maasiasa fony izy nandeha nankany Babilôna, niaraka tamin’i Sedesiasa mpanjakan’i Jodà, tamin’ny taona fahefatra nanjakany. Fa i Saraiasa no lehiben’ny tao an-dain’ny mpanjaka.


Nosoratan’i Jeremia tamin’ny boky iray avokoa, ny loza hanjò an’i Babilôna, dia ireo teny rehetra voasoratra ny amin’ny Babilôna ireo.


Dia nojereko, ka indro nisy tanana natsotra nankatỳ amiko, ary indro fa nitana horonan-taratasy.


Natopiko indray ny masoko, ka nahita aho: Ary indro nisy horonan-taratasy nanidina.


Izaho Tersiosy, izay nanoratra ity taratasy ity koa, manao veloma anareo ao amin’ny Tompo.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra