Jeremia 36:4 - DIEM PROTESTANTA4 Dia niantso an’i Baròka zanakalahin’i Nerià i Jeremià, ka nanonona taminy ny hafatra rehetra izay nampitondrain’ny TOMPO azy; ary nosoratan’i Baròka tamin’ny horonan-taratasy ireny. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy 20114 Ary niantso an’i Baroka, zanak’i Neria i Jeremia; dia nosoratan’i Baroka tamin’ny horonan-taratasy ny tenin’NY TOMPO rehetra avy tamin’ny vavan’i Jeremia, dia izay efa nolazain’NY TOMPO taminy. Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara4 Dia niantso an’i Baròka zanakalahin’i Nerià i Jeremià, ka nanonona taminy ny hafatra rehetra izay nampitondrain’ny TOMPO azy; ary nosoratan’i Baròka tamin’ny horonan-taratasy ireny. Jereo ny tokoBaiboly Katolika4 Dia niantso an’i Baròka zanak’i Nerià, i Jeremia, ka ny teny rehetra nolazain’i Iaveh tamin’i Jeremia, dia nosoratan’i Baròka tamin’ny horonan-taratasy araka ny nanononany azy. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy4 Ary Jeremia niantso an’i Baroka, zanak’i Neria; ary dia nosoratan’i Baroka tamin’ny horonan-taratasy ny tenin’i Jehovah rehetra avy tamin’ny vavan’i Jeremia, dia izay efa nolazainy taminy. Jereo ny tokoMalagasy Bible4 Ary Jeremia niantso an'i Baroka, zanak'i Neria, ary dia nosoratan'i Baroka tamin'ny horonan-taratasy ny tenin'i Jehovah rehetra avy tamin'ny vavan'i Jeremia, dia izay efa nolazainy taminy. Jereo ny toko |
I Seraià, zanakalahin’i Nerià sady zafikelin’i Mahaseià, no lehiben’ny tobin’i Tsedekià mpanjakan’i Joda. Koa ny taona fahefatra nanjakan’i Tsedekià dia nanaraka ny mpanjaka tany Babilôna izy. Nosoratan’i Jeremià tamin’ny horonan-taratasy ny loza rehetra izay hamely an’i Babilôna, dia ireo fanambarana rehetra momba izany! Dia nanome baiko an’i Seraià i Jeremià hoe: