Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 36:7 - Baiboly Katolika

7 Angamba ho tonga eo anatrehan’i Iaveh ny fifonany, ary hiova hiala amin’ny lalan-dratsiny avy izy; fa lehibe ny hatezerana amam-pahavinirana nolazain’i Iaveh hahatra amin’ity vahoaka ity.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

7 Fa angamba hoborahina eo anatrehan’NY TOMPO ny fifonany, dia samy hiala amin’ny lalany ratsy avy izy; fa loza ny fahatezerana sy ny fahavinirana izay nolazain’NY TOMPO ny amin’ity firenena ity.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

7 Angamba hamboraka fifonana amin’ny TOMPO izy ary hiala amin’ny fitondrantena ratsy; satria efa nilaza ny TOMPO fa tena tezitra sy vinitra tamin’ity vahoaka ity.»

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

7 Angamba hamboraka fifonana amin’ny TOMPO izy ary hiala amin’ny fitondrantena ratsy; satria efa nilaza ny TOMPO fa tena tezitra sy vinitra tamin’ity vahoaka ity.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

7 Fa angamba ny fifonany hoborahina eo anatrehan’i Jehovah, ka dia samy hiala amin’ny làlany ratsy avy izy; fa loza ny fahatezerana sy ny fahavinirana izay nolazain’i Jehovah ny amin’ity firenena ity.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

7 Fa angamba ny fifonany hoborahina eo anatrehan'i Jehovah, ka dia samy hiala amin'ny lalany ratsy avy izy; fa loza ny fahatezerana sy ny fahavinirana izay nolazain'i Jehovah ny amin'ity firenena ity.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

7 Fa angamba hoborahina eo anatrehan’NY TOMPO ny fifonany, dia samy hiala amin’ny lalany ratsy avy izy; fa loza ny fahatezerana sy ny fahavinirana izay nolazain’NY TOMPO ny amin’ity firenena ity.

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 36:7
36 Rohy Ifampitohizana  

«Mandehana ianareo manontany amin’i Iaveh ho ahy sy ny vahoaka mbamin’i Jodà rehetra, ny amin’ny teny ato amin’ity boky vao hita ity, fa nirehitra mafy amintsika ny fahatezeran’i Iaveh, noho ny tsy naneken’ny razantsika ny tenin’ity boky ity, amin’ny fanatanterahana izay rehetra nandidiana antsika.»


Satria nafoiny Aho, fa andriamani-kafa no nanolorany zana-manitra, hampahatezerany Ahy amin’ny asan-tanany rehetra; dia nirehitra amin’ity fitoerana ity ny hatezerako, ka tsy ho azo tohaina.


«Mandehana ianareo, manontania amin’i Iaveh, ho ahy sy ho an’izay sisa amin’i Israely sy i Jodà, ny amin’ny teny amin’io boky vao hita io, fa lehibe ny fahatezeran’i Iaveh nirotsaka amintsika, satria ny razantsika tsy nitandrina ny tenin’i Iaveh amin’ny fanatanterahana izay rehetra voasoratra amin’io boky io.»


sy tamin’ny andron’i Jôakima, zanak’i Josiasa mpanjakan’i Jodà, hatramin’ny farany taona faha-11, nanjakan’i Sedesiasa zanak’i Josiasa, mpanjakan’i Jodà, hatramin’ny namaboana an’i Jerosalema, tamin’ny volana faha-5.


Rehefa lazainao amin’ity vahoaka ity, ireo zavatra rehetra ireo, dia hiteny aminao izy hanao hoe: ‹Ahoana i Iaveh no mampandre anay mialoha izany lozabe rehetra izany? Inona no helokay, ary inona no fahotanay, izay nataonay tamin’i Iaveh Andriamanitray?›


«Izao no lazain’i Iavehn’ny tafika, Andriamanitr’i Israely: Indro hataoko mihatra amin’ity tanàna ity, sy amin’ny tanàna rehetra momba azy, ny loza rehetra nolazaiko hamelezana azy, noho izy ireo nanamafy ny hatony tsy hihainoany ny teniko.»


ary izaho hiady aminareo amin’ny tanana ahinjitra sy sandry mahery amim-pahatezerana, fisafoahana sy fahavinirana mafy.


Samia ianareo miverina miala amin’ny lalan-dratsinareo sy amin’ny haratsian’ny asanareo avy, dia honina amin’ny tany nomen’i Iaveh anareo sy ny razanareo, amin’ny taona mifandimby ianareo.


Angamba hihaino ihany izy, ka samy hiverina hiala amin’ny lalan-dratsiny avy; dia hanenenako ny loza nokasaiko hamelezana azy, noho ny haratsian’ny ataony.


Fa angamba dia hohenoin’ny taranak’i Jodà ny loza rehetra kasaiko hatao aminy, mba hiovany, hialany amin’ny lalan-dratsiny avy, ka hamelako ny helony amam-pahotany.


koa ankehitriny, masìna ianao, ry mpanjaka tompoko, mba henoy! Ho tonga anie ny fitarainako eo anatrehanao: aza dia averina any an-tranon’i Jonatàna mpanoratra aho, ho faty any.»


Miforà ho an’i Iaveh ianareo, ary ny fonareo no forao, ry olona ao Jodà, sy ry mponina ao Jerosalema, fandrao hipoaka hoatra ny afo ny fahatezerako, ka handoro, ary tsy hisy olona hamono azy, noho ny haratsian’ny ataonareo.


ka nanao taminy hoe: «Aoka ho tonga eo anatrehanao anie izao fihantanay izao: mivavaha amin’i Iaveh Andriamanitrao, ho an’izao sisa rehetra izao, fa maro izahay taloha, nefa efa tonga vitsy sisa araka izao hitan’ny masonao izao.


Nanampatra hatramin’ny fara fahatezerany i Iaveh, nandefa ny fahatezerany mirehitra; dia nandrehitra afo tao Siôna izy, ka levon’izany ny fanorenany.


Koa mifeheza entana ianao, ry zanak’olona, hoatra ny hifindra tany fonenana; dia miaingà hifindra antoandro eo imason’izy ireo; mifindrà eo imasony avy eo amin’izay itoeranao, ho any amin’ny fitoeran-kafa; angamba ho hitany amin’izany, fa taranaka miodina izy.


Koa izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Izaho hampifofofofo tafio-drivotra noho ny fahavinirako; hahatonga ora-mahery, noho ny hatezerako; sy havandra vato handringana, noho ny fahavinirako.


Velona Aho, - teny marin’ny Tompo Iaveh: - tanana mahery aman-tsandry ahinjitra ary hatezerana amparina, no hanjakako aminareo.


Toy ny fanangon’ny olona volafotsy, varahina, vy, fira-mainty, fira-potsy, ao afovoan’ny memy sy hofoforina harendrika, no hanangonako anareo, amin’ny fahatezerako amam-pahavinirako; hataoko ao ianareo ary hataoko rendrika.


Dia hiala fo ny fahatezerako, ary haraniko mamely azy ireo ny fahavinirako, dia ho afa-po Aho, ary izy kosa hahalala, rehefa nampanaraniko namely azy ny fahatezerako, fa tamin’ny fahasaro-piaroko no efa nitenenako Izaho Iaveh.


Ary Izaho koa hamely an-katezerana; tsy hiantra ny masoko; tsy hamindra fo Aho; hitaraina mafy eo an-tsofiko izy ireo, kanefa tsy hohenoiko akory.»


Handeha Aho hody any amin’ny fonenako, mandra-piaikiny ny mahameloka azy, ka hitadiavany ny Tavako. Fa hitady Ahy izy ireo, rehefa azom-pahoriana.


Na ankehitriny aza anefa, - teny marin’i Iaveh, - miverena amiko, amin’ny fonareo rehetra, amin’ny fifadian-kanina sy amin-dranomaso amam-pitarainana.


Ny fonareo no triatriaro, fa aza ny fitafianareo, dia miverena amin’i Iaveh Andriamanitrareo, fa mamindra fo sy miantra izy, malain-kitezitra sy be hatsaram-po, ary ny loza afitsony dia alahelovany.


aoka samy hirakotra lasàka ny olona sy ny biby; ary aoka izy ireo hitaraina mafy amin’Andriamanitra, samy hiala amin’ny lalan-dratsiny sy ny asa fahasiahana fanaon’ny tanany avy.


Aza manaraka ny razanareo, izay nitorian’ny mpaminany taloha hoe: Izao no lazain’i Iavehn’ny tafika: Miverena ianareo, mialà amin’ny lalan-dratsinareo, sy amin’ny asa ratsinareo! nefa tsy nihaino sy tsy nasiany raharaha akory Aho, - teny marin’i Iaveh. -


Dia hoy i Iaveh tamin’i Môizy: «Indro efa ho tafandriana any amin’ny razanao ianao, ary ity vahoaka ity hitsangana hitolo-tena amin’ny andriamani-kafa any amin’ny tany efa hidirany. Handao Ahy izy ary hivadika ny fanekena nataoko taminy.


Dia hirehitra aminy ny fahatezerako amin’izany, hafoiko izy, ary hafeniko aminy ny Tavako, ka dia hataon’ny olona levona izy, sady hianjeran-doza amam-pahoriana be dia be. Izay vao ho vaky hoe: Moa ve tsy noho Andriamanitro tsy eto amiko no nianjeran’izao fahoriana izao amiko?


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra