Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Jeremia 30:23 - Baiboly Katolika

Indro, ny tafio-drivotr’i Iaveh, ny fahatezerana efa hipoaka: mivatravatra ny ranonoram-baratra, miantonta amin’ny lohan’ny ratsy fanahy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

E! Ny tadion’NY TOMPO! Mivoaka ny fahatezerana sy ny tadio mitambolimbolina ka miantonta amin’ny lohan’ny ratsy fanahy.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Indro tamy ny rambon-danitra, dia ny fahatezeran’ny TOMPO. Toy ny rivo-doza mitambolimbolina no fiantontany eo an-dohan’ny olon-dratsy.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Indro tamy ny rambon-danitra, dia ny fahatezeran’ny TOMPO. Toy ny rivo-doza mitambolimbolina no fiantontany eo an-dohan’ny olon-dratsy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

He! ny tadion’i Jehovah! Mivoaka ny fahatezerana Sy ny tadio mitambolimbolina Ka miantonta amin’ny lohan’ny ratsy fanahy.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

He! ny tadion'i Jehovah! Mivoaka ny fahatezerana sy ny tadio mitambolimbolina ka miantonta amin'ny lohan'ny ratsy fanahy.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

E! Ny tadion’NY TOMPO! Mivoaka ny fahatezerana sy ny tadio mitambolimbolina ka miantonta amin’ny lohan’ny ratsy fanahy.

Jereo ny toko



Jeremia 30:23
7 Rohy Ifampitohizana  

Aoka hanahaka ny lelosy izay miempo eo am-pandehanana! Aoka tsy hahita masoandro toa zaza vaky manta ireo!


raha avy hamely anareo, toy ny rivo-doza, ny zava-mahatahotra, raha hanarona anareo, toy ny tafio-drivotra ny loza, raha hianjeràm-pahoriana amin’ahiahy ianareo.


Izao no lazain’i Iavehn’ny tafika: Indro ny loza hitety ny firenen-tsamihafa. Misy tafio-drivotra mahery, hiposaka avy any am-paran’ny tany.


Amin’izany andro izany, dia hilazana ity firenena ity sy i Jerosalema hatao hoe: Misy rivo-mahamay avy any amin’ny havoana any an’efitra, eo amin’ny lalana mankany amin’ny zanaka vavin’ny vahoakako, ka tsy hikororohana na hanadiovana;


Ianareo rehetra izay mandeha amin’ny lalana, jereo ka mahità, raha mba misy fahoriana toy izao manjò ahy izao, dia izaho izay nokapohin’i Iaveh, tamin’ny andron’ny fahatezerany mirehitra.


Hiseho eo ambonin’izy ireo i Iaveh, hitsoriaka toy ny helatra, ny zana-tsipìkany. Hampaneno ny trômpetra ny Tompo Iaveh, ary handroso amin’ny tafio-drivotra any atsimo.