Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Jeremia 30:23 - DIEM PROTESTANTA

23 Indro tamy ny rambon-danitra, dia ny fahatezeran’ny TOMPO. Toy ny rivo-doza mitambolimbolina no fiantontany eo an-dohan’ny olon-dratsy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

23 E! Ny tadion’NY TOMPO! Mivoaka ny fahatezerana sy ny tadio mitambolimbolina ka miantonta amin’ny lohan’ny ratsy fanahy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

23 Indro tamy ny rambon-danitra, dia ny fahatezeran’ny TOMPO. Toy ny rivo-doza mitambolimbolina no fiantontany eo an-dohan’ny olon-dratsy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

23 Indro, ny tafio-drivotr’i Iaveh, ny fahatezerana efa hipoaka: mivatravatra ny ranonoram-baratra, miantonta amin’ny lohan’ny ratsy fanahy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

23 He! ny tadion’i Jehovah! Mivoaka ny fahatezerana Sy ny tadio mitambolimbolina Ka miantonta amin’ny lohan’ny ratsy fanahy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

23 He! ny tadion'i Jehovah! Mivoaka ny fahatezerana sy ny tadio mitambolimbolina ka miantonta amin'ny lohan'ny ratsy fanahy.

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 30:23
7 Rohy Ifampitohizana  

ho tahaka ny lelosy anie izy, ka hiempo eny am-pandehanana; ho tahaka ny zaza tsy tonga volana ka tsy hahita masoandro na oviana na oviana!


Eny, ho tonga aminareo toy ny tafiodrivotra ny tahotra hiantonta toy ny rivodoza ny faharavanareo, ho tonga aminareo ny zava-mampahory sy mampitebiteby;


Izao no lazain’ny TOMPOn’izao rehetra izao: «Indro miainga ao amin’ny firenena iray ny loza ka mihanaka any amin’ny firenena hafa; misy tafio-drivotra mahery mipoitra avy any am-paran’ny tany.»


Amin’izay dia hiteny amin’ity vahoaka ity sy amin’ny mponin’i Jerosalema ny Tompo hoe: «Ny rivotra mahamay eny an-tendrombohitra no tonga avy any an-taniefitra mankany amin’ny vahoakako; tsy rivotra malefaka hikororoham-bary


Avia ianareo rehetra mpandalo eto, diniho sy jereo raha mba misy fijaliana tahaka ny fijaliana mihatra amiko, dia ilay nampahorian’ny TOMPO ahy tamin’ny andro firehetan’ny fahatezerany.


Ary ny Tompo hiseho eo ambonin’ny vahoakany; ka hipoitra toy ny tselatra ny zana-tsipîkany Hitsoka anjomara ny Tompo ANDRIANANAHARY ka ho tonga miaraka amin’ny tafio-drivotra atsimo.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra