Nataon’i Agara hoe: Atta-El-Rôy no Anaran’i Iaveh izay niteny taminy, fa hoy izy: «Moa dia hitako teto tokoa va ilay Andriamanitra Izay nahita ahy?»
Jeremia 23:24 - Baiboly Katolika Misy olona mahay miery amin’ny fierena va, ka tsy ho hitako? - teny marin’i Iaveh- Ny lanitra sy ny tany, moa tsy manerana azy va Aho? - teny marin’i Iaveh.- Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Moa misy olona afaka miafina any amin’ny toerana fierena va ka tsy ho hitako? Hoy NY TOMPO. Tsy manerana ny lanitra sy ny tany va Aho? Hoy NY TOMPO. DIEM PROTESTANTA Raha misy olona miery ao anaty fiafenana, dia tsy ho hitako ve izy? Fanontaniana hentitra avy amiko TOMPO izany. Tsy manerana ny lanitra sy ny tany ve Aho? Fanontaniana hentitra avy amiko TOMPO izany. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Raha misy olona miery ao anaty fiafenana, dia tsy ho hitako ve izy? Fanontaniana hentitra avy amiko TOMPO izany. Tsy manerana ny lanitra sy ny tany ve Aho? Fanontaniana hentitra avy amiko TOMPO izany. Baiboly Protestanta Malagasy Moa misy olona mahafin-tena ao amin’ny fierena va Ka tsy ho hitako? hoy Jehovah Tsy manerana ny lanitra sy ny tany va Aho? hoy Jehovah. Malagasy Bible Moa misy olona mahafin-tena ao amin'ny fierena va ka tsy ho hitako? hoy Jehovah. Tsy manerana ny lanitra sy ny tany va Aho? hoy Jehovah. La Bible en Malgache Moa misy olona afaka miafina any amin’ny toerana fierena va ka tsy ho hitako? Hoy NY TOMPO. Tsy manerana ny lanitra sy ny tany va Aho? Hoy NY TOMPO. |
Nataon’i Agara hoe: Atta-El-Rôy no Anaran’i Iaveh izay niteny taminy, fa hoy izy: «Moa dia hitako teto tokoa va ilay Andriamanitra Izay nahita ahy?»
Fa moa dia marina va fa monina eto an-tany Andriamanitra? Indro, ny lanitra sy ny lanitry ny lanitra aza, tsy omby Anao, koa mainka fa ity trano nataoko ity!
Koa ankehitriny aho aniraho lehilahy anankiray miasa volamena amam-bolafotsy, sy varahina amam-by, jaky mena, lamba mena antitra sy jaky, ary mahay sarin-javatra sokirina, hiara-miasa amin’ireo olona mahay zavatra izay atỳ amiko atỳ Jodà sy Jerosalema, efa nomanin’i Davida raiko.
«Fa moa dia marina va fa miara-monina amin’ny olombelona etỳ an-tany Andriamanitra? Indro fa ny lanitra aza, mbamin’ny lanitry ny lanitra tsy omby Anao, ka mainka fa ity trano nataoko ity!
Fa mitsinjo izay alehan’ny olona ny mason’Andriamanitra, ary hitany miharihary avokoa ny diany rehetra.
Hoy izy, anakampony: «Nanadino Andriamanitra; efa nanarona ny Tavany Izy ka tsy mahita na inona na inona, na oviana na oviana!»
Raha miakatra any an-danitra aho, any Ianao, raha mandry any amin’ny Seoly aho, indro ao Ianao.
Aoka hidera ny Anaran’i Iaveh izy ireo, fa ny Anarany no hany lehibe, ny voninahiny dia ambonin’ny lanitra sy ny tany.
apetrakao eo anoloanao ny helokay; ary eo amin’ny fahazavan’ny Tavanao, ny fahadisoanay takona.
Ny mason’i Iaveh, dia amin’ny fitoerana rehetra; mijery ny ratsy fanahy sy ny tsara fanahy.
Loza ho an’izay manafina lalina tsy ho hitan’i Iaveh, ny hevi-mifono voakasany, sady manao ny asany ao amin’ny maizina, ka manao hoe: «Iza no mahita antsika sy mahalala antsika?»
Fa izao no lazain’ny Avo Indrindra, izay mipetraka amin’ny fonenana mandrakizay sy antsoina hoe ilay Masina: Mitoetra eo amin’ny fitoerana avo sy masina Aho, ary koa ao amin’ny olona torotoro fo sy manetry tena am-panahy, mba hamelombelona ny fanahin’ny manetry tena, sy hamelombelona ny fon’ny torotoro fo.
Izao no lazain’i Iaveh: Ny lanitra no seza fiandrianako; ary ny tany no fitoeran-tongotro. Ka trano inona no hataonareo ho Ahy, ary fitoerana manao ahoana no ho fitsaharako?
Fa eny amin’ny lalany rehetra ny masoko, ka tsy miafina eo anatrehan’ny Tavako izany; ary tsy takona amin’ny fijeriko ny helony.
lehibe amin’ny fisainana sy mahery amin’ny asa; ny masonao ajerinao ny lalan’ny taranak’i Adama rehetra, mba hamalianao azy, araka ny lalany avy, sy araka ny vokatry ny asany avy.
Fa Izaho no nampiboridana an’i Esao, sy nampiharihary ny fiereny, ka tsy afa-miery intsony izy. Ringana avokoa ny taranany, ny rahalahiny, ny mifanakaiky aminy, ka tsy misy intsony izy.
Dia hoy Izy tamiko: «Hitanao va, ry zanak’olona, ity ataon’ny loholon’ny taranak’i Israely ao amin’ny maizina, samy anatin’ny efitranony feno sary avy? Fa hoy izy ireo: Tsy mahita antsika i Iaveh; efa nandao ny tany i Iaveh.»
Ary hoy Izy tamiko: «Lehibe dia lehibe indrindra ny heloky ny taranak’i Israely sy i Jodà. Feno ran’olona ny tany, feno tsy fahamarinana ny tanàna, fa hoy izy ireo: Afoin’i Iaveh ny tany; tsy mahita na inona na inona i Iaveh.
izay tenany, famenon’Izy mpameno tena an-davany sy an-tsakany amin’ny rantsam-batany rehetra.
Tsy misy zava-boaary miafina eo anatrehan’Andriamanitra, fa mihanjahanja sy miharihary eo imason’Izy hampamoaka antsika ny zavatra rehetra.