Afa-tsy ny fahotany izay nampanotany an’i Jodà, nitarihany azy hanao ratsy eo imason’i Iaveh, dia nandatsaka ra tsy manan-tsiny be koa i Manase, ka feno izany i Jerosalema hatrany an-tendrony ilany, ka hatrany an-tendrony ilany iray koa.
Jeremia 2:34 - Baiboly Katolika Hatreny amin’ny rambon-dambanao eny, no ahitana ny ran’olo-mahantra tsy manan-tsiny; tsy azonao manamy trano izy ireo, nefa izany zava-drehetra izany no namonoanao azy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary koa eo an-tsisin-dambanao no ahitana ny ran’ny mahantra tsy manan-tsiny, izay tsy tratranao namaky ny tranonao akory, nefa novonoinao ka voan’ny rany ianao. DIEM PROTESTANTA Hatramin’ny fitafianao avy no nahitana ny ran’ny mahantra tsy manan-tsiny. Tsy nahatratra azy nanapitsoka ny varavaranao akory ianao! Nefa na eo aza izany rehetra izany, Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Hatramin’ny fitafianao avy no nahitana ny ran’ny mahantra tsy manan-tsiny. Tsy nahatratra azy nanapitsoka ny varavaranao akory ianao! Nefa na eo aza izany rehetra izany, Baiboly Protestanta Malagasy Ary koa eo an-tsisin-dambanao no ahitana ny ran’ny olona malahelo izay tsy manan-tsiny, Tsy tamin’ny tami-trano no nahazoanao azy, fa tamin’izany rehetra izany. Malagasy Bible Ary koa eo an-tsisin-dambanao no ahitana ny ran'ny olona malahelo izay tsy manan-tsiny, tsy tamin'ny tami-trano no nahazoanao azy, fa tamin'izany rehetra izany. La Bible en Malgache Ary koa eo an-tsisin-dambanao no ahitana ny ran’ny mahantra tsy manan-tsiny, izay tsy tratranao namaky ny tranonao akory, nefa novonoinao ka voan’ny rany ianao. |
Afa-tsy ny fahotany izay nampanotany an’i Jodà, nitarihany azy hanao ratsy eo imason’i Iaveh, dia nandatsaka ra tsy manan-tsiny be koa i Manase, ka feno izany i Jerosalema hatrany an-tendrony ilany, ka hatrany an-tendrony ilany iray koa.
sy noho ny ra tsy manan-tsiny nalatsany be loatra ka nataony feno ra tsy manan-tsiny i Jerosalema, koa tsy nety namela izany i Iaveh.
«Raha misy olona mangalatra omby na zanak’ondry, ka mamono izany na mivarotra, dia honerany omby dimy ny omby iray ary zanak’ondry efatra ny zanak’ondry iray.»
«Raha misy mpangalatra azo manami-trano alina, ka voavela izy ka maty, dia tsy misy valin-dra amin’izany;
Mirehidrehitra ianareo eo ambanin’ny terebinta, sy eny ambanin’izao hazo maitso rehetra izao! Mamono zaza eny an-dohasaha, ambanin’ny tsefatsefa-karambato!
Satria ny tananareo voaloto tamin’ny ra; ary ny rantsan-tananareo tamin’ny heloka. Ny molotrareo miteny lainga; ny lelanareo milaza teny ratsy.
Ny tongony miriotra ho amin’ny ratsy, sy mimaona handatsaka ny ra tsy manan-tsiny; ny heviny dia hevitra mahameloka; fandravana amam-pandringanana no eo amin’ny alehany.
satria izy ireo efa nahafoy ahy, sy nanova fenitra ity fitoerana ity, fa nanatitra emboka manitra teto, ho an’ny andriamani-kafa, izay tsy fantany akory, na izy, na ny razany, na ny mpanjakan’i Jodà; sady efa nameno ran’ny tsy manan-tsiny, an’ity tanana ìty.
Akory izany fahaizanao mandamina ny lalanao raha hitady fitia! Noho izany na ny heloka aza, ataonao zatra ny lalanao.
Homenàriny izy, fa nanao fahavetavetana; nefa tsy mba mahalala menatra intsony izy, ary tsy mba valahara! Koa dia hiara-davo amin’izay lavo izy ireo; ary hiteraka amin’ny andro hamangiako azy izy, hoy i Iaveh.
ary nanorina ireo fitoerana avo any Tôfeta, amin’ny lohasahan’ny zanak’i Hinôma, handoroany amin’ny afo ny zanany lahy aman-janany vavy; nefa zavatra tsy mba nodidiako izany, na mba noheverin’ny saiko akory.
raha tsy ampahorînareo ny vahiny, sy ny kamboty ama-mpitondratena; ary tsy mandatsa-dra marina amin’ity tany ity ianareo, na manaraka andriamani-kafa, hampidi-doza aminareo,
Homenàrina izy, fa nanao fahavetavetana, nefa tsy mba mahalala menatra intsony izy, ary tsy mba valahara! koa dia hiara-davo amin’izay lavo izy ireo; ary hiteraka amin’ny andro hamangiako azy izy», hoy i Iaveh.
Miseho eo ambany rambon’akanjony ny lotony; tsy nitsapa ny farany izy; ka mahagaga ny nahalavoany; sady tsy misy mampionona azy «Iaveh ô, jereo ity fahantrako, fa mahery ny fahavalo!»
Niraparapa toy ny jamba teny an-dalambe izy ireo, sady nihosin-dra, hany ka tsy azo nokasihina akory ny fitafiany.
Mandoto tena amin’ny sampin-dozanareo rehetra mandrak’androany ianareo, amin’ny anateranareo ny fanatitrareo sy ampandehananareo ny zanakareo hamaky ny afo; ka Izaho ve dia hety hanontanianareo ihany, ry taranak’i Israely? Velona Aho - teny marin’ny Tompo Iaveh: - tsy hety hanontanianareo Aho.
Misy firaisan-tetiky ny mpaminaniny eo afovoany. Toy ny liona mierona mamiravira ny hazany, dia mihinana ny fanahy izy ireo; mifaoka ny fananana sy ny rakitra, mampitonbo isa ny mpitondratenany eo afovoany.
Hisy olo-marina anefa hanameloka azy ireo, hiharan’ny sazin’ny vehivavy mpijangajanga, sy ny sazin’ny mandatsa-dra; satria mpijangajanga izy, ary misy ra amin’ny tanany.
fa ny ra nalatsany dia mbola ao aminy; nataony teo amin’ny vatolampy mangadihady fa tsy nalatsany tamin’ny tany hosaronan’ny vovoka.
Ary hoy Izy tamiko: «Lehibe dia lehibe indrindra ny heloky ny taranak’i Israely sy i Jodà. Feno ran’olona ny tany, feno tsy fahamarinana ny tanàna, fa hoy izy ireo: Afoin’i Iaveh ny tany; tsy mahita na inona na inona i Iaveh.