Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Jeremia 17:2 - Baiboly Katolika

Toy ny fahatsiarony ny zanany, no fahatsiarony ny ôteliny aman’aseràny, eny akaikin’ny hazo maitso sy eny amin’ny havoana manerinerina eny.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

dia amin’izay hahatsiarovan’ny zanany ny alitarany sy ny tsangakazon-tsampin’ny Aserahany, akaikin’ny hazo maitso, ambonin’ny vohitra avo.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

ka ho marika hiampangana azy ireo alitarany sy ireo tsatokazo fanajany an’i Aserà, eny akaiky hazo maitso sy eny ambony havoana

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

ka ho marika hiampangana azy ireo alitarany sy ireo tsatokazo fanajany an’i Aserà, eny akaiky hazo maitso sy eny ambony havoana

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Dia amin’izay hahatsiarovan’ny zanany ny alitarany sy ny Aserahany, Akaikin’ny hazo maitso, ambonin’ny havoana andrandraina.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Dia amin'izay hahatsiarovan'ny zanany ny alitarany sy ny Aserahany, akaikin'ny hazo maitso, ambonin'ny havoana andrandraina.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

dia amin’izay hahatsiarovan’ny zanany ny alitarany sy ny tsangakazon-tsampin’ny Aserahany*, akaikin’ny hazo maitso, ambonin’ny vohitra avo.

Jereo ny toko



Jeremia 17:2
15 Rohy Ifampitohizana  

dia nandao ny tranon’i Iaveh Andriamanitry ny razany izy ireo, ary ny aserah mbamin’ny sampy no nomeny voninahitra. Tratry ny fahatezeran’i Iaveh anefa i Jodà sy i Jerosalema noho izany fivadihana izany.


Ny vavaka nataony, ny nihainoan’Andriamanitra an’izany, ny fahotany amam-pahadisoany, ny toerana nanorenany fitoerana avo, sy nananganany aserah aman-tsarin-javatra, talohan’ny nanetreny tena, dia indro fa efa voasoratra ao amin’ny Tenin’i Hôzaia.


Naoriny indray ny fitoerana avo noravan’i Ezekiasa rainy; nanangana ôtely ho an’ireo Baala izy; nanao aserah izy, ary niankohoka teo anatrehan’ny tafiky ny lanitra, sy nanompo azy.


Nampahatezitra Azy, tamin’ny fitoerana avony; nampahasaro-piaro Azy, tamin’ny sampiny.


Fa horavanareo ny ôteliny; hazeranareo ny tsangam-batony; hokapainareo ny aserîmany.


Fa ho menatra ny terebinta nankamamianareo ary ho menatra ny zaridaina izay nahafinaritra anareo ianareo.


Fa tsy hijery intsony any amin’ny ôtely asan-tanany izy; tsy hibanjina intsony izay novolavolain’ny tanany; dia ny aserah sy ny andrin’ny Masoandro.


Fa hatramin’ny ela no efa nanapahanao ny jioganao, sy nanitosanao ny fatoranao, ka nanaovanao hoe: ‹Tsy hanompo intsony aho!› Teny amin’ny havoana manerinerina rehetra, sy teny ambanin’ny hazo maitso rehetra teny, no nandrianao hoatra ny vehivavy janga.


Eny, zava-poana teny amin’ny havoana teny an-tendrombohitra ny horakoraka mankalaza ny sampy. Fa amin’i Iaveh Andriamanitsika ihany no misy ny famonjena an’i Israely.


Izao no lazain’i Iaveh tamiko, tamin’ny andro nanjakan’i Josiasa mpanjaka: «Hitanao va ny nataon’i Israely mpiodina? Lasa nankany amin’ny tendrombohitra avo rehetra izy, sy teny ambany hazo maitso rehetra teny ka nitolo-tena tamin’ny hafa tany!»


Ny zanaka manangon-kitay; ny ray mandrehitra afo; ny vehivavy mametafeta koba, hanaovana mofo ho an’ny mpanjaka vavin’ny lanitra, sy hanidina fanatitra araraka ho an’andriamani-kafa, mba haniratsirana Ahy.


Nony efa tafiditra teo amin’ny tany nianianako sady nananganako tanana homena azy izy ireo, rehefa mety ho havoana milangalanga sy hazo mikirindro hitany koa, dia nanolorany ny sorony sy nanaterany ireo fanatiny, sady nararany teny ny fanatitra araraka.


Ravao hatrany am-potony ny fitoerana rehetra nanompoan’ireo firenena horoahinareo ny andriamaniny any an-tendrombohitra sy eny amin’ny havoana ary eny ambanin’ny hazo maitso rehetra eny.


Nanao izay ratsy teo imason’i Iaveh ny zanak’i Israely: I Iaveh nohadinoiny, fa i Baala sy ny Askerôta no notompoiny,