Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




2Tantara 24:18 - Baiboly Katolika

18 dia nandao ny tranon’i Iaveh Andriamanitry ny razany izy ireo, ary ny aserah mbamin’ny sampy no nomeny voninahitra. Tratry ny fahatezeran’i Iaveh anefa i Jodà sy i Jerosalema noho izany fivadihana izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

18 Ary nandao ny tranon’NY TOMPO, Andriamanitry ny razany, ireo ka nanompo ny tsangakazon-tsampy ho an’ny Aseraha sy ny sampy, dia nisy fahatezerana nihatra tamin’ny Joda sy Jerosalema noho ny fahadisoan’ireo.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

18 hany ka nilaozan’ireo Israelita ny tranon’ny TOMPO Andriamanitry ny razany mba hanompoany ny tsatokazo fanajana an’i Aserà sy handalàny sampy hafa. Noho izany fahadisoana izany, dia niharan’ny fahatezeran’ny TOMPO i Joda sy i Jerosalema.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

18 hany ka nilaozan’ireo Israelita ny tranon’ny TOMPO Andriamanitry ny razany mba hanompoany ny tsatokazo fanajana an’i Aserà sy handalàny sampy hafa. Noho izany fahadisoana izany, dia niharan’ny fahatezeran’ny TOMPO i Joda sy i Jerosalema.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

18 Ary nandao ny tranon’i Jehovah, Andriamanitry ny razany, ireo ka nanompo ny Aseraha sy ny sampy, dia nisy fahatezerana nihatra tamin’ny Joda sy Jerosalema noho ny fahadisoany.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

18 Ary nandao ny tranon'i Jehovah, Andriamanitry ny razany, ireo ka nanompo ny Aseraha sy ny sampy dia nisy fahatezerana nihatra tamin'ny Joda sy Jerosalema noho ny fahadisoany.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

18 Ary nandao ny tranon’NY TOMPO, Andriamanitry ny razany, ireo ka nanompo ny tsangakazon-tsampy ho an’ny Aseraha* sy ny sampy, dia nisy fahatezerana nihatra tamin’ny Joda sy Jerosalema noho ny fahadisoan’ireo.

Jereo ny toko dika mitovy




2Tantara 24:18
28 Rohy Ifampitohizana  

Nirehitra tamin’i Israely indray ny fahatezeran’i Iaveh, ka namporisihiny hamely azy ireo i Davida nataony hoe: «Mandehana isao i Israely sy i Jodà.»


Fa nanorina fitoerana avo ho azy koa izy ireo, mbamin’ny tsangam-bato sy aseraha teny ambonin’ny tanety avo rehetra sy teny ambany hazo maitso rehetra teny.


fa nanao ratsy mihoatra izay talohanao rehetra ianao, andriamani-kafa sy sarin-javatra anidina no lasa nataonao hampahatezitra Ahy, fa Izaho kosa nailikao any ivohonao!


Nony nohamafisin’i Rôbôama ny fanjakany sy nahazo hery izy, dia nahafoy ny lalàn’i Iaveh izy mbamin’i Israely rehetra.


Tamin’ny taona fahadimy nanjakan-dRôbôama, dia niakatra i Sesàka mpanjakan’i Ejipta hamely an’i Jerosalema noho izy ireo nanota tamin’i Iaveh.


dia nitsena azy i Jehò, mpahita, zanak’i Hananì, ka hoy izy tamin’i Jôsafata mpanjaka: «Tokony hampiana va ny ratsy fanahy? Ary ny mankahala an’i Iaveh va no tianao? Noho izany dia ao aminao ny fahatezerana avy amin’i Iaveh.


fa nandeha tamin’ny lalan’ny mpanjakan’i Israely nitarika an’i Jodà sy ny mponina ao Jerosalema hitolo-tena amin’ny andriamani-kafa, toy ny nitarihan’ny ankohonan’i Akaba an’i Israely hitolo-tena aminy, ary namono ny rahalahinao, izay tsara noho ianao, dia ny tarana-drainao,


Nanao izay ratsy eo imason’i Iaveh izy, toy ny taranak’i Akaba, izay mpanoro hevitra azy nahavery azy, tatỳ aorian’ny nahafatesan-drainy.


Nony maty i Jôiadà, tonga niankohoka teo anatrehan’ny mpanjaka ny lehibe tamin’i Jodà, ka nihaino azy ireo ny mpanjaka,


Tatỳ aorian’izany, nanam-pahazotoana hamboatra ny tranon’i Iaveh i Jôasy.


Nirehitra tamin’i Amasiasa ny fahatezeran’i Iaveh, ka naniraka mpaminany tao aminy izy, nilaza taminy hoe: «Ahoana no dia ivavahanao amin’ny andriamanitr’io vahoaka io, nefa ny vahoakany aza tsy azony narovana tamin’ny tananao akory?»


nanao hoe: «Tsy hampiditra ireo babo ireo eto ianareo, fa ny hivesarantsika fahotana amin’i Israely no kendrenareo ka mitady hanampy ny fahotana amam-pahadisoantsika ianareo, fa lehibe ny hadisoantsika, ka dia mirehitra amin’i Israely ny fahatezeran’i Iaveh.»


Ka dia nianjera tamin’i Jodà sy i Jerosalema ny fahatezeran’i Iaveh, navelany izy hianjadian’ny horohoro amam-pahoriana sy faniratsirana, araka izao hitan’ny masonareo izao.


Tsy namaly araka ny soa noraisiny anefa i Ezekiasa fa nisondrotra ny fanahiny, ka niharan’ny fahatezeran’i Iaveh izy mbamin’i Jodà sy i Jerosalema.


Satria izy ireo nahafoy Ahy, dia nanatitra zavatra manitra ho an’ireo andriamani-kafa, ka nampahatezitra Ahy tamin’ny asan-tanany rehetra, dia nirotsaka amin’ity tany ity ny hatezerako sady tsy ho azo tonena.


Tandremo fandrao manao fanekem-pihavanana amin’ny mponina amin’ny tany izay ndeha hiadianao, sao zary fandrika eo afovoanao ireny.


Fa horavanareo ny ôteliny; hazeranareo ny tsangam-batony; hokapainareo ny aserîmany.


Toy ny fahatsiarony ny zanany, no fahatsiarony ny ôteliny aman’aseràny, eny akaikin’ny hazo maitso sy eny amin’ny havoana manerinerina eny.


Fa ho tahaka ny liona Aho, amin’i Efraima, ary ho tahaka ny liona tanora amin’ny taranak’i Jodà. Izaho dia Izaho no hamiravira, dia lasa mandeha; hitondra ny rembiko, ka tsy hisy haharombaka izany amiko.


Koa aza mety hofitahin’olona amin’izay lainga tsara lahatra foana, fa ireo zava-dratsy ireo no nianjeran’ny fahatezeran’Andriamanitra tamin’ny zanaky ny tsy finoana.


Moa tsy i Akàna zanak’i Zare va no nanao fahotana, ny amin’ny zavatra natao anatema, moa tsy ny fiangonan’i Israely va no nipoahan’ny hatezeran’i Iaveh? Ka dia tsy izy irery no maty noho ny heloka nataony?»


Fa nifidy andriamani-baovao ny olona, ka nitsidika eo am-bavahady ny ady, ary ny ampinga aman-defona tsy nisy hita, teo amin’ny olona efatra alina, amin’i Israely.


Nony maty i Jedeôna dia nitolo-tena tamin’ireo Baala indray ny zanak’i Israely; ka i Baala-Berita no nataony andriamaniny.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra