Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 17:2 - DIEM PROTESTANTA

2 ka ho marika hiampangana azy ireo alitarany sy ireo tsatokazo fanajany an’i Aserà, eny akaiky hazo maitso sy eny ambony havoana

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

2 dia amin’izay hahatsiarovan’ny zanany ny alitarany sy ny tsangakazon-tsampin’ny Aserahany, akaikin’ny hazo maitso, ambonin’ny vohitra avo.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

2 ka ho marika hiampangana azy ireo alitarany sy ireo tsatokazo fanajany an’i Aserà, eny akaiky hazo maitso sy eny ambony havoana

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

2 Toy ny fahatsiarony ny zanany, no fahatsiarony ny ôteliny aman’aseràny, eny akaikin’ny hazo maitso sy eny amin’ny havoana manerinerina eny.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

2 Dia amin’izay hahatsiarovan’ny zanany ny alitarany sy ny Aserahany, Akaikin’ny hazo maitso, ambonin’ny havoana andrandraina.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

2 Dia amin'izay hahatsiarovan'ny zanany ny alitarany sy ny Aserahany, akaikin'ny hazo maitso, ambonin'ny havoana andrandraina.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

2 dia amin’izay hahatsiarovan’ny zanany ny alitarany sy ny tsangakazon-tsampin’ny Aserahany*, akaikin’ny hazo maitso, ambonin’ny vohitra avo.

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 17:2
15 Rohy Ifampitohizana  

hany ka nilaozan’ireo Israelita ny tranon’ny TOMPO Andriamanitry ny razany mba hanompoany ny tsatokazo fanajana an’i Aserà sy handalàny sampy hafa. Noho izany fahadisoana izany, dia niharan’ny fahatezeran’ny TOMPO i Joda sy i Jerosalema.


Ny vavaka nataon’i Manase sy ny nileferan’Andriamanitra taminy ary ny antsipirian’ny fahotana amam-pahadisoana rehetra vitany mbamin’ny faritra nanorenany toeram-panasinana sy nasiany tsatokazo fanajana an’i Aserà ary nananganany sarivongan-tsampy fony izy tsy mbola niaiky heloka, dia voasoratra ao amin’ny Asan’i Hôzay.


Naorin’i Manase indray manko ny toeram-panasinana izay efa noravan’i Hezekià rainy ka nananganany alitara ho an’ireo Bahala sady nanaovany tsatokazo fanajana an’ireo Aserà; dia niankohofany sy nanaovany fanompoam-pivavahana koa ireo planeta aman-kintana eny ana habakabaka.


Nampahatezitra ny Tompo izy tamin’ireo toeram-panasinany sady nankasiaka mafy Azy tamin’ny sarivongan’andriamani-tsiizy.


Fa ravao ny alitarany, poteho ny tsangambatony, ary kapao ireo tsato-kazo fanajany an’i Aserà.


Tena ho diso fanantenana ianareo ny amin’ireo hazo terebinta izay nolalainareo; eny, ho menatra ianareo ny amin’ireo toerana nofidinareo hanaovana ny fombafomban-tsampy.


Tsy hitodika any amin’ny alitara namboariny intsony izy ary tsy hijery ireo sampy nataon’ny tanany, na ny tsatokazo fanajana an’i Aserà na ny fandoroana vovo-javamanitra.


Hatramin’ny ela no efa nanapahanao ny zioganao ary namahanao ny fatoranao tamiko ka nilazanao hoe: «Tsy hanompo intsony aho». Kinanjo teny amin’ny havoana rehetra sy teny am-pototry ny hazo maitso rehetra teny no nitsilailay toy ny vehivavy mpivaro-tena ianao.


Eny tokoa, fa nanodoka anay ny fanompoan-tsampy teny an-kavoana sy ny horakoraka teny an-tendrombohitra, kanefa aminao TOMPO Andriamanitray ihany no hahitan’Israely famonjena.


Tamin’ny andron’i Jôsià mpanjaka dia hoy ny TOMPO tamiko: –Hitanao ve izay nataon’i Israely mpiodina? Nankeny amin’ny havoana rehetra sy teny am-pototry ny hazo maitso rehetra izy ka nanolo-tena hijangajanga.


Ny ankizy mifako kitay, ny rainy mandrehitra afo, ny vehivavy kosa mametafeta koba hatao mofo hatolotra ho an’ny mpanjakavavin’ny lanitra; manao izay mahasosotra Ahy ireo fa manolotra fanatitra divay ho an’ny andriamani-kafa.


Nitarika azy ho ao amin’ny tany izay nianianako homena azy Aho. Nefa nony nahita ireo tendron-kavoana misy hazo matevina izy, dia nanolotra sorona teo. Nanolotra fanatitra sy zava-manitra fampitoniana izy sady nandraraka divay teny ka nampirongatra ny hatezerako.


Hopotehinareo mihitsy ny toerana fanompoan-tsampy rehetra eny an-tendrombohitra sy eny an-tampon-kavoana ary eny am-bodihazo maitso rehetra eny; amin’ireny toerana ireny manko ireo firenena horoahinareo no manompo ny andriamaniny.


Ary nanao izay ratsy eo imason’ny TOMPO ny Israelita fa nanadino ny TOMPO Andriamaniny ka nanompo ireo Bahala sy ireo Aserà.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra