Ary i Elia, Tesbita, isan’ny mponina tao Galaada, nilaza tamin’i Akaba hoe: «Velona i Iaveh, Andriamanitr’i Israely, izay itsanganako eo anatrehany! Tsy hisy ando na ranonorana amin’ireto taona ireto raha tsy teniko ihany.»
Jeremia 14:22 - Baiboly Katolika Mba misy mahalatsaka orana va ny sampy foanan’ny firenena? sa ny lanitra no manome ny ranonorana? Fa tsy Ianao ihany, ry Iaveh Andriamanitray? Koa Ianao no antenainay, satria Ianao no manao izany rehetra izany.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Mba misy mahalatsaka ranonorana va ireny sampin’ny Jentilisa ireny? Na koa mahay mandatsaka ranonorana mivatravatra va ny lanitra? Fa tsy Ianao ihany va no Izy, RY TOMPO Andriamanitray ô? Koa manantena Anao izahay, satria Ianao no nanao ireo zavatra rehetra ireo. DIEM PROTESTANTA Moa misy mahalatsaka orana ve ny sampin’ireo firenen-kafa? Moa ny lanitra va mampirotsaka oram-baratra fa tsy Ianao, ry TOMPO Andriamanitray? Koa mitoky aminao izahay satria Ianao no manao ireo rehetra ireo. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Moa misy mahalatsaka orana ve ny sampin’ireo firenen-kafa? Moa ny lanitra va mampirotsaka oram-baratra fa tsy Ianao, ry TOMPO Andriamanitray? Koa mitoky aminao izahay satria Ianao no manao ireo rehetra ireo. Baiboly Protestanta Malagasy Mba misy mahalatsaka ranonorana va ireny sampin’ ny jentilisa ireny? Na mahay mandatsaka ranonorana mivatravatra va ny lanitra? Fa tsy Hianao ihany va no Izy, ry Jehovah Andriamanitray ô? Koa manantena Anao izahay, Satria Hianao no nanao ireo zavatra rehetra ireo. Malagasy Bible Mba misy mahalatsaka ranonorana va ireny sampin'ny jentilisa ireny? Na mahay mandatsaka ranonorana mivatravatra va ny lanitra? Fa tsy Hianao ihany va no Izy, ry Jehovah Andriamanitray ô? Koa manantena Anao izahay, satria Hianao no nanao ireo zavatra rehetra ireo. La Bible en Malgache Mba misy mahalatsaka ranonorana va ireny sampin’ny Jentilisa* ireny? Na koa mahay mandatsaka ranonorana mivatravatra va ny lanitra? Fa tsy Ianao ihany va no Izy, RY TOMPO Andriamanitray ô? Koa manantena Anao izahay, satria Ianao no nanao ireo zavatra rehetra ireo. |
Ary i Elia, Tesbita, isan’ny mponina tao Galaada, nilaza tamin’i Akaba hoe: «Velona i Iaveh, Andriamanitr’i Israely, izay itsanganako eo anatrehany! Tsy hisy ando na ranonorana amin’ireto taona ireto raha tsy teniko ihany.»
Fa izao no lazain’i Iaveh Andriamanitr’i Israely: Ny lafarina ao am-bilany tsy ho lany, ny diloilo ao an-tavoara tsy hihena akory mandra-pahavin’ny andro handatsahan’i Iaveh ranonorana eto ambonin’ny tany.»
Nony afaka andro maro dia tonga tamin’i Elia ny tenin’i Iaveh tamin’ny taona fahatelo, nanao hoe: «Mandehana miseho eo anatrehan’i Akaba, ka handatsaka ranonorana eo ambonin’ny tany Aho.»
dia mihainoa azy Ianao any an-danitra ka avelao ny fahotan’ny mpanomponao sy i Israely vahoakanao sady manoroa azy ny lalana tsara tsy maintsy alehany, ary alatsaho ny ranonorana amin’ny tany nomenao ny vahoakanao ho lovany.
Mampiakatra ny zavona avy amin’ny faran’ny tany izy; mandefa ny tselatra aman-dranon’orana, mamoaka ny rivotra avy amin’ny firaketany.
Fa saronany rahona ny lanitra, ary ny tany amonònany ranonorana; mampaniry ahitra ny tendrombohitra Izy.
Tokoa fa tsy hisy ho menatra izay rehetra manantena Anao; izay mivadika foana dia ireo no ho menatra.
Izany no iandrasan’i Iaveh vao hamindra fo aminareo izy, dia hitsangana, ka hiantra anareo; satria Andriamanitra marina i Iaveh. Sambatra izay rehetra manantena Azy!
Ny Tompo handefa ny ranonorany amin’ny voa nafafinao amin’ny tany, ary ny tany hahavokatra mofo, tsara tokoa sady betsaka, amin’izany andro izany ny biby fiompinareo hihinana eny amin’ny tany fiandrasana malalaka:
Indro fa zava-poana avokoa izy rehetra; tsinontsinona ny asany; rivo-poana ny sampiny.
Fa Izy no nanao ny tany tamin’ny heriny; nampiorina izao tontolo izao, tamin’ny fahendreny; ary namelatra ny lanitra tamin’ny fahaizany.
Raha miteny Izy, dia miangona eny an-danitra ny rano; mampiakatra ny rahona, avy any amin’ny faran’ny tany; mampanjelatra ny helatra izay iavian’ny ranonorana mivatravatra; ary mamoaka ny rivotra avy ao amin’ny fitahirizany.
Fa zava-poana ny fanaon’ny firenena; hazo nokapaina tany an’ala, taozavatra nataon’ny tanan’ny mpisokitra, sary tamin’ny fandraka,
Ry Iaveh, heriko ama-mandako, sy fialofako amin’ny andron’ny fahoriana, ho tonga aminao ny firenena maro, avy amin’ny faran’ny tany, ka hanao hoe: Ny razanay tsy nahazo lova afa-tsy ny lainga, sy zava-poana tsy azo atao na inona na inona!
Efa nandà an’i Iaveh izy, ka nanao hoe: «Tsy misy Izy, ka tsy hisy loza hanjò antsika; tsy hahita sabatra na mosary isika.
Fa tsy mba manao anakam-po hoe: Aoka isika hatahotra an’i Iaveh Andriamanitsika, izay mandatsaka ny ranonorana, dia ny loha orana sy ny fara orana, amin’ny fotoany avy, sady mitandrina ho antsika ireo herinandro voatendry ho fararano.
Amin’ny feony, dia miangona ny rano eny an-danitra; mampiakatra ny rahona avy amin’ny faran’ny tany Izy, mampamirapiratra hela-baratra izay iavian’ny ranonorana mivatravatra, ary mamoaka ny rivotra avy ao amin’ny fanangonany azy.
satria nijangajanga reniny, nanao zava-mahamenatra ilay torontoronina azy; fa hoy izy: Izaho handeha any amin’ireo lehilahiko, izay manome ahy ny mofoko aman-dranoko, ny volon’ondry aman-drongoniko, ny diloilo aman-divaiko.
Ary ianareo, ry zanak’i Siôna, aoka hientan-kafaliana sy ho ravoravo ao amin’i Iaveh Andriamanitrareo; fa ny mpampianatra efa nomeny anareo hanoro ny marina, ny andro alatsany ho anareo, dia ny fara orana sy ny loha orana, toy ny taloha indray.
Koa ny orana nahantoko tsy ho aminareo, raha mbola telo volana sisa vao ho fararano; tamin’ny tanàna iray nataoko avy ny orana; fa tamin’ny tanàna iray hafa kosa, tsy nalatsako ny orana; ny faritany iray tondrahan’ny orana; fa ny faritany iray hafa kosa, izay tsy nilatsahan’ny orana, dia nihamaina.
Ary ny sisa amin’i Jakôba, any amin’ny firenena maro, ho toy ny ando avy any amin’i Iaveh, toy ny orana mipitipitika milatsaka amin’ny ahi-maitso; izy tsy miandry izay olona akory, na matoky ny zanak’olombelona.
Fa izaho kosa hitodi-maso amin’i Iaveh, hanantena ny Andriamanitry ny famonjeko; hihaino ahy ny Andriamanitro.
mba ho zanaky ny Rainareo izay any an-danitra ianareo, dia Ilay mampiposaka ny masoandrony amin’ny tsara fanahy sy ny ratsy fanahy, ary mandatsaka ny ranonorana amin’ny marina sy ny tsy marina.
Hovohan’i Iaveh ho anao ny raki-tsoany, dia ny lanitra, handatsahany ny ranonorana amin’ny fotoany eo amin’ny taninao, sy hitahiany ny asan-tananao rehetra. Firenena maro no hampisamboranao, fa ianao kosa tsy mba hisambotra.
Nampahasaro-piaro Ahy tamin’izay tsy andriamanitra izy ary nampahatezitra Ahy tamin’ny sampiny tsinontsinona, ka dia mba hampahasaro-piaro azy amin’izay tsy vahoaka kosa Aho, sy hampahatezitra azy amin’izay firenena adala.