Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Jeremia 14:22 - DIEM PROTESTANTA

22 Moa misy mahalatsaka orana ve ny sampin’ireo firenen-kafa? Moa ny lanitra va mampirotsaka oram-baratra fa tsy Ianao, ry TOMPO Andriamanitray? Koa mitoky aminao izahay satria Ianao no manao ireo rehetra ireo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

22 Mba misy mahalatsaka ranonorana va ireny sampin’ny Jentilisa ireny? Na koa mahay mandatsaka ranonorana mivatravatra va ny lanitra? Fa tsy Ianao ihany va no Izy, RY TOMPO Andriamanitray ô? Koa manantena Anao izahay, satria Ianao no nanao ireo zavatra rehetra ireo.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

22 Moa misy mahalatsaka orana ve ny sampin’ireo firenen-kafa? Moa ny lanitra va mampirotsaka oram-baratra fa tsy Ianao, ry TOMPO Andriamanitray? Koa mitoky aminao izahay satria Ianao no manao ireo rehetra ireo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

22 Mba misy mahalatsaka orana va ny sampy foanan’ny firenena? sa ny lanitra no manome ny ranonorana? Fa tsy Ianao ihany, ry Iaveh Andriamanitray? Koa Ianao no antenainay, satria Ianao no manao izany rehetra izany.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

22 Mba misy mahalatsaka ranonorana va ireny sampin’ ny jentilisa ireny? Na mahay mandatsaka ranonorana mivatravatra va ny lanitra? Fa tsy Hianao ihany va no Izy, ry Jehovah Andriamanitray ô? Koa manantena Anao izahay, Satria Hianao no nanao ireo zavatra rehetra ireo.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

22 Mba misy mahalatsaka ranonorana va ireny sampin'ny jentilisa ireny? Na mahay mandatsaka ranonorana mivatravatra va ny lanitra? Fa tsy Hianao ihany va no Izy, ry Jehovah Andriamanitray ô? Koa manantena Anao izahay, satria Hianao no nanao ireo zavatra rehetra ireo.

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 14:22
39 Rohy Ifampitohizana  

Ary niteny tamin’i Ahaba mpanjaka i Elià izay Tisbita anisan’ny mponina tao Gilehada hoe: –Velona ny TOMPO Andriamanitr’i Israely izay tompoiko, koa manizingizina aminao aho fa tsy hisy ando na orana hilatsaka eto amin’ireo taona ato ho ato ireo, raha tsy teny avy amiko ihany.


Fa izao no lazain’ny TOMPO Andriamanitr’i Israely: «Tsy ho lany ny lafarinina ao amin’ny tsatokaty, ary tsy ho ritra ny menaka ao amin’ny tavoara mandra-pigadon’ny andro handatsahan’ny TOMPO ranonorana amin’ny tany.»


Fotoana elaela tatỳ aoriana, tamin’ny taona fahatelo nisian’ny hain-tany, dia nisy tenin’ny TOMPO tamin’i Elià nanao hoe: –Mandehana hiseho amin’i Ahaba, fa handatsaka ranonorana amin’ny tany Aho.


dia mba mihainoa avy any an-danitra Ianao, TOMPO ô, ka hamela ny fahotan’ireo mpanomponao, izany hoe ny Israelita vahoakanao; dia hampianarinao azy anie ny fitondrantena tsara izay tokony hizorany ary handatsahanao ranonorana ity taninao izay efa nomenao ho fananan’ny vahoakanao ity.


ary nandrindra lalàna ho an’ny orana sy nanori-dalana ho an’ny kotroka,


Izy no mampilatsaka ny orana ambonin’ny tany ary mampandeha ny renirano hanondraka ny saha.


Koa manantena mafy ny TOMPO aho sady matoky ny teniny.


Nampiakatra rahona avy any am-paran’ny tany Izy, ka nanao helatra narahin-dranonorana ary namoaka ny rivotra avy tamin’ny fitahirizany azy.


Izy no manaron-drahona ny lanitra manomana orana ho an’ny tany, mampitsiry ahitra ny tanety, mamokatra anana ho an’ny olona,


Miantehitra aminao aho, Tompo ô, mba hiarovanao ahy hadio sy hahitsy.


Izay rehetra miantehitra aminao dia tsy mba ho diso fanantenana; fa ireo mivadika aminao no ho menatra, ka enga anie hitondra tanam-polo mody!


Mahandrasa ny TOMPO ianao! Matanjaha ary mahereza fo; eny, mahandrasa ny TOMPO!


Na izany aza, mbola miandry fotoana ny TOMPO hahazoany miantra anareo, mbola hirotsaka an-tsehatra Izy hamindra fo aminareo, satria Andriamanitra mitandro ny marina ny TOMPO; sambatra izay rehetra miandry Azy.


Handrotsaka ranonorana ny Tompo ho an’ny voa izay nafafinao any an-tsaha, ka ny sakafo hovokarin’ny tany dia sady ho betsaka no hatsiro. Amin’izany andro izany, ny biby fiompinao dia hiraoka amin’ny kijàna midadasika.


Tsinontsinona ny andriamani-tsiizy rehetra, zava-poana ny zavatra ataony, tsio-drivotra miserana ny sampiny sady zavatra tsy misy fotony!


Tamin-kery no nanaovan’ny Tompo ny tany, tamim-pahendrena no nanorenany izao tontolo izao, ary tamim-pahaizana no namelarany ny habakabaka.


Baikony no mampitoby ny ranobe any an-danitra any sy mampiakatra ny rahona matevina avy any am-paravodilanitra, ary andatsahan’ny tselatra ny ranonorana sy ivoahan’ny rivotra avy amin’ny fitoerany.


Zava-poana sy asa mahatsikaiky ireny; fa amin’ny andro hamaizana azy, dia ho levona izy.


Ny fanaon’ny firenen-kafa dia zava-poana ihany. Hazo any an’ala no kapainy, dia sokirin’ny mpandrafitra ho sampy.


–TOMPO ô, Ianao no heriko sady mpiaro ahy, fialofako amin’ny androm-pahoriako. Hankany aminao ireo firenen-kafa avy any am-paran’ny tany sady ho loa-bolana hoe: «Tena fitaka ny fivavahana izay nolovanay tamin’ny razanay, fa tsinontsinona sady tsy mahasoa.


Nandà ny Tompo ny vahoakan’i Joda, ka nilaza hoe: «Tsy misy ny TOMPO; tsy hahatratra antsika ny loza sady tsy hahita ady na mosary isika.»


fa tsy mba miteny anakampo hoe: «Aoka hananantsika fanajana ny TOMPO Andriamanitsika, fa Izy no nanome antsika ny orana amin’ny fotoany, dia ny oram-pararano sy ny oran-dohataona ka mitahiry ho antsika ireo herinandro izay voatendry ho fotoam-pijinjana.»


Baikony no mampitoby ny ranobe any an-danitra any sy mampiakatra ny rahona matevina avy eny am-paravodilanitra, ary andatsahan’ny tselatra ny ranonorana sy ivoahan’ny rivotra avy amin’ny fitoerany.


Eny, efa nivaro-tena ny reniny; ilay torontoronina azy ireo efa lany henatra rehefa nanao hoe: «Hanaraka ireo lehilahy sakaizako aho, dia ny mpanome mofo sy rano ahy ary koa volon’ondry sy kiran-drongony mbamin’ny menaka sy zava-pisotro.»


Ary ianareo, ry mponin’i Tsiôna, miravoravoa sy mifalia amin’ny TOMPO Andriamanitrareo, fa ny oram-pararano sahaza no omeny anareo; alatsany aminareo toy ny fahiny koa ny ranonorana mivatravatra, dia ny oran-dohataona sy ny oran-dririnina.


Izaho mihitsy no efa nampihantona ny orana tsy ho eo aminareo, raha mbola telo volana mialoha ny fararano. Ka tamin’ny tanàna anankiray nandatsahako orana, fa tamin’ny tanàna iray kosa tsy nandatsahako; ny saha anankiray nilatsahan’ny orana, fa ny saha iray kosa tsy mba nilatsahany ka maina.


Amin’izay ny sisa velona amin’ny taranak’i Jakôba, eo anivon’ny vahoaka marobe, dia ho tahaka ny ando avy amin’ny TOMPO sy ho tahaka ny ranonorana latsaka amin’ny ahitra; ka tsy olombelona fa Andriamanitra no antenainy sy iankinany.


Fa izaho kosa mitodika amin’ny TOMPO ary manantena an’Andriamanitra mpamonjy ahy, fa hihaino ahy ilay Andriamanitro.


mba ho tonga zanaky ny Rainareo Izay any an-danitra ianareo; fa Izy mampiposaka ny masoandrony amin’ny ratsy fanahy sy ny tsara fanahy ary mandatsaka ny ranonorana amin’ny marina sy ny tsy marina.


Hovohan’ny TOMPO ho anareo ny lanitra izay itahirizany rano sarobidy, mba handatsahany orana ny taninareo amin’ny fotoanandrony ary hitahiany ny asa rehetra ataonareo. Ianareo tsy mba hisambotra vola mihitsy, fa firenena maro kosa no hampisamborinareo.


Ireo no nampitovy lanja Ahy tamin’andriamani-tsiizy sy naniratsira Ahy tamin’ny sampy tsinontsinona. Izaho kosa hampitovy lanja azy amin’izay tsy vahoaka akory; firenena adala no hampanaratsiako azy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra