Koa aoka àry ho tanteraka, ry Iaveh Andriamanitr’i Israely, ny teny nataonao tamin’i Davida mpanomponao.
Jeremia 11:5 - Baiboly Katolika mba hanatanterahako ny fianianana, nataoko tamin’ny razanareo, dia ny hanomezako azy tany tondra-dronono sy tantely, araka izao hita izao.» Ary izao no navaliko: «Eny! Ry Iaveh ô!» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 mba hotanterahiko ny fianianana izay nianianako tamin’ny razanareo, dia ny hanomezana azy tany tondra-dronono sy tantely tahaka ny amin’izao anio izao. Dia namaly aho hoe: Amena, RY TOMPO ô! DIEM PROTESTANTA Izany no hitanako ny fianianana izay nataoko tamin’ny razanareo, dia ny hanome azy ny tany tondra-dronono sy tantely izay misy anareo ankehitriny.» Dia novaliako hoe: –Eny tokoa, ry TOMPO. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Izany no hitanako ny fianianana izay nataoko tamin’ny razanareo, dia ny hanome azy ny tany tondra-dronono sy tantely izay misy anareo ankehitriny.» Dia novaliako hoe: –Eny tokoa, ry TOMPO. Baiboly Protestanta Malagasy Mba hotoviko ny fianianana izay nianianako tamin’ny razanareo, Dia ny hanomezana azy tany tondra-dronono sy tantely Tahaka ny amin’izao anio izao. Dia namaly aho ka nanao hoe: Ho izany tokoa anie, Jehovah ô! Malagasy Bible Mba hotoviko ny fianianana izay nianianako tamin'ny razanareo, dia ny hanomezana azy tany tondra-dronono sy tantely tahaka ny amin'izao anio izao. Dia namaly aho ka nanao hoe: Ho izany tokoa anie, Jehovah ô! La Bible en Malgache mba hotanterahiko ny fianianana izay nianianako tamin’ny razanareo, dia ny hanomezana azy tany tondra-dronono sy tantely tahaka ny amin’izao anio izao. Dia namaly aho hoe: Amena*, RY TOMPO ô! |
Koa aoka àry ho tanteraka, ry Iaveh Andriamanitr’i Israely, ny teny nataonao tamin’i Davida mpanomponao.
Tsaroany mandrakizay ny fanekeny, ilay teny nolazainy marimarina ho an’ny taranaka mandimby;
Ary raha avy izay hahatafidiran’i Iaveh anao any amin’ny tanin’ny Kananeanina, ny Heteanina, ny Amôreana, ny Heveanina ary ny Jeboseanina, izay nianianany tamin’ny razanao homeny anao, tany tondra-dronono aman-tantely, dia hataonao izany fomba masina izany, amin’ny volana toy izao.
Izany no hataoko amin’ity firenena ity, - teny marin’i Iaveh, - sy amin’ny mponina ao aminy, rehefa hataoko tahaka an’i Tôfeta ity tanàna ity.
ka hoy i Jeremia mpaminany: «Amen! Hataon’i Iaveh anie izany! Hotanterahin’i Iaveh anie ny teny vao avy novinaninao, amin’ny famerenany avy any Babilôna ny fanaky ny tranon’i Iaveh mbamin’ny babo rehetra, ho amin’ity fitoerana ity indray.
ka nanome azy ireo ity tany ity, izay efa nianiananao tamin’ny razany homena azy, tany tondra-dronono aman-tantely.
Efa voalazako taminareo fa ianareo no handova ny tanin’ireny; homeko anareo hanananareo azy, ary tany tondra-dronono aman-tantely izany. Izaho no Iaveh Andriamanitrareo Izay nanavaka anareo tamin’ny firenena hafa.
ary aza avelanao ho resin’ny fitaoman-dratsy izahay, fa manafaha anay amin’ny ratsy. Amen.
Fa raha mivavaka amin’ny fanahy fotsiny ianao, hataon’ny ankapobem-piangonana ahoana no famaly «Amen» ny fisaoranao, nefa tsy fantany akory izay lazainao?
Koa henoy izany, ry Israely, ary mitandrema ny mba hanatanteraka izany, mba ho sambatra sy hitombo isa be ianao, any amin’ny tany tondra-dronono aman-tantely, araka ny nolazain’i Iaveh Andriamanitry ny razanao anao.