Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 11:5 - DIEM PROTESTANTA

5 Izany no hitanako ny fianianana izay nataoko tamin’ny razanareo, dia ny hanome azy ny tany tondra-dronono sy tantely izay misy anareo ankehitriny.» Dia novaliako hoe: –Eny tokoa, ry TOMPO.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

5 mba hotanterahiko ny fianianana izay nianianako tamin’ny razanareo, dia ny hanomezana azy tany tondra-dronono sy tantely tahaka ny amin’izao anio izao. Dia namaly aho hoe: Amena, RY TOMPO ô!

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

5 Izany no hitanako ny fianianana izay nataoko tamin’ny razanareo, dia ny hanome azy ny tany tondra-dronono sy tantely izay misy anareo ankehitriny.» Dia novaliako hoe: –Eny tokoa, ry TOMPO.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

5 mba hanatanterahako ny fianianana, nataoko tamin’ny razanareo, dia ny hanomezako azy tany tondra-dronono sy tantely, araka izao hita izao.» Ary izao no navaliko: «Eny! Ry Iaveh ô!»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

5 Mba hotoviko ny fianianana izay nianianako tamin’ny razanareo, Dia ny hanomezana azy tany tondra-dronono sy tantely Tahaka ny amin’izao anio izao. Dia namaly aho ka nanao hoe: Ho izany tokoa anie, Jehovah ô!

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

5 Mba hotoviko ny fianianana izay nianianako tamin'ny razanareo, dia ny hanomezana azy tany tondra-dronono sy tantely tahaka ny amin'izao anio izao. Dia namaly aho ka nanao hoe: Ho izany tokoa anie, Jehovah ô!

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

5 mba hotanterahiko ny fianianana izay nianianako tamin’ny razanareo, dia ny hanomezana azy tany tondra-dronono sy tantely tahaka ny amin’izao anio izao. Dia namaly aho hoe: Amena*, RY TOMPO ô!

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 11:5
16 Rohy Ifampitohizana  

Ankehitriny àry, ry TOMPO Andriamanitr’i Israely ô, ho to anie ny fampanantenana voalazanao tamin’i Davida mpanomponao.


Tsaroany hatrany ny fanekempihavanany, dia ny fampanantenana izay napetrany ho an’ny taranaka arivo mifandimby:


Koa hotsarovanareo hatrany hatrany izany zavatra izany amin’io volana io rehefa izay ianareo hampidirin’ny TOMPO ao amin’ny tanin’ny Kanahanita sy ny Hetita mbamin’ny Amôrita sy ny Hivita ary ny Jebosita. Tany izay nianian’ny TOMPO tamin’ny razanareo fa homena anareo izany, tany tondra-dronono sy tantely.


Koa ho tahaka izay nanjo an’i Tôfeta no hataoko amin’ity tanàna ity sy ny mponina ao aminy, hoy ny teny hentitry ny TOMPO.


ka nanao hoe: –Eny, enga tokoa anie mba ho araka izay nolazainao no hataon’ny TOMPO! Hotanterahiny anie izay nambaranao ka haveriny avy any Babilôna hanketo indray ireo fanaka rehetra tao an-tranon’ny TOMPO miaraka amin’ny babo rehetra!


Nianiana tamin’ny razanay Ianao fa hanome azy ny tany izay misy anay ankehitriny, dia tany tondra-dronono sy tantely; ka nanome azy izany.


ary nahatonga Ahy hilaza aminareo hoe: ‹Ianareo no handova ny tany, ary Izaho no hanome azy ho lovanareo, dia tany tondra-dronono sy tantely!› Izaho no TOMPO Andriamanitrareo, Izay nanavaka anareo tamin’ny firenena samy hafa.


aza avela ho azon’ny fakampanahy izahay, fa manafaha anay amin’ilay Ratsy! [Anao ny fanjakana sy ny hery, Anao ny voninahitra mandrakizay! *Amen.]


Raha am-panahy fotsiny no isaoranao an’Andriamanitra, hataon’izay mpiangona sarambabe ahoana no famaly «Amen» ny vavaka fisaorana vitanao? Tsy fantany akory manko izay lazainao.


Henoy izany, ry vahoaka Israely, ary imasoy ny hanatanteraka azy, mba ho sambatra sy hitombo isa ianareo any amin’ilay tany tondra-dronono sy tantely, araka izay nampanantenain’ny TOMPO Andriamanitry ny razambenareo taminareo.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra