Nodorany ny tranon’i Iaveh sy ny tranon’ny mpanjaka mbamin’ny trano rehetra tao Jerosalema; nodorany tamin’ny afo avokoa ny trano lehibe.
Isaia 64:10 - Baiboly Katolika Ny tranonay masina sy be voninahitra, izay nankalazan’ny razanay ny fiderana Anao, efa nodoran’ny afo, ary ny zavatra maminay rava avokoa. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ny tranonay masina sady mendrika, izay nideran’ny razanay Anao, dia voadoron’ny afo, ary rava ny zavatray sarobidy rehetra. DIEM PROTESTANTA Ny tempoly masina sady mamirapiratra izay nanaovan’ny razanay hira fiderana Anao dia kilan’ny afo, ary ny zava-drehetra maminay indrindra dia rava avokoa. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ny tempoly masina sady mamirapiratra izay nanaovan’ny razanay hira fiderana Anao dia kilan’ny afo, ary ny zava-drehetra maminay indrindra dia rava avokoa. Baiboly Protestanta Malagasy Ny tranonay masina sady mendrika, Izay nideran’ny razanay Anao, Dia voadotry ny afo, Ary rava ny zavatray mahafinaritra rehetra. Malagasy Bible Ny tranonay masina sady mendrika, Izay nideran'ny razanay Anao, dia voadotry ny afo, ary rava ny zavatray mahafinaritra rehetra. La Bible en Malgache Ny tranonay masina sady mendrika, izay nideran’ny razanay Anao, dia voadoron’ny afo, ary rava ny zavatray sarobidy rehetra. |
Nodorany ny tranon’i Iaveh sy ny tranon’ny mpanjaka mbamin’ny trano rehetra tao Jerosalema; nodorany tamin’ny afo avokoa ny trano lehibe.
ny 4.000 ho mpiandry varavarana, ary ny 4.000 ho mpidera an’i Iaveh amin’ny zava-maneno nataoko hankalazana Azy.»
Ny taninareo, lao; ny tanànanareo levon’ny afo. Ny taninareo levon’ny hafa eo imasonareo; hoatra ny fandravan’ny olon-kafa firenena no fahasimbany.
Fa maka ny anarany amin’ny tanàna masina izy ireo, sy miankina amin’ny Andriamanitr’i Israely, izay mitondra Anarana hoe: Iavehn’ny tafika.
Mifohaza, mifohaza, tafio ny herinao, ry Siôna! Tafio ny fitafiana fitondranao amin’ny fety, ry Jerosalema tanàna masina ô! Fa ny tsy mifora sy ny maloto tsy hiditra eo aminao intsony.
Ary hoy aho: «Mandra-pahoviana, ry Tompo?» Ka hoy ny navaliny: «Mandra-paharingan’ny tanàna, ka tsy hisy mponina, ka ny trano, tsy hisy olona intsony, ary ny tany ho rava sy lao;
Ny vahoakanao masina nizaka ny tany andro kely foana; ny fitoeranao masina efa nohitsakitsahin’ny fahavalony.
ka nandoro ny tranon’i Iaveh, mbamin’ny tranon’ny mpanjaka sy ny trano rehetra tao Jerosalema; nodorany tamin’ny afo avokoa ny trano lehibe rehetra.
Nandroso ny tanany ny mpampahory naka ny zava-tsoany rehetra; fa hitany ny firenena, niditra tao amin’ny fitoerany masina, dia ireo firenena izay namoahanao didy nataonao hoe: Tsy hiditra ao amin’ny fiangonanao izy!
Tsaroan’i Jerosalema amin’ny andron’ny fahoriany amam-pirenireneny ny zava-tsoa sarobidy rehetra izay nananany, hatry ny andro fahagola. Ankehitriny, rehefa lavon’ny tanan’ny mpampahory azy ny olony, sady tsy misy mamonjy azy, dia mahita azy ny fahavalony, ka mihomehy ny fifadiany asa.
Koa noho ny aminareo, i Siôna hanjary saha asaina, i Jerosalema ho tonga antontam-bato, ary ny tendrombohitra misy ny Tempoly ho fitoerana avo misy hazo!
Iza aminareo sisa velona, no nahita ity Trano ity tanatin’ny vonihaniny taloha, sy ahoana no toetra ahitanareo azy ankehitriny? Tsy toy ny tsinontsinona eo imasonareo va ity?
ka amin’izany, izay any Jodea aoka handositra any an-tendrombohitra, izay ao an-tanàna aoka hivoaka any ivelany, ary izay any an-tsaha aoka tsy hiditra ao an-tanàna intsony,
haringana amin’ny lela sabatra izy, sy ho lasan-ko babo any amin’ny firenena rehetra, ary hohitsakitsahin’ny Jentily i Jerosalema mandra-pahafenon’ny andron’ny Jentily.»