Isaia 45:2 - Baiboly Katolika «Izaho handeha eo alohanao, handravona ny lalana mikitoantoana, hanorotoro ny vavahady varahina, ary hanapatapaka ny hidy vy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Handroso eo alohanao Aho ary handravona ny mikitoantoana sy hanorotoro ny varavarana varahina ary hanapatapaka ny hidy vy; DIEM PROTESTANTA Izaho mihitsy no handeha eo anoloanao mba handravona ny mikitoantoana sy hanamontsana ny varavarana varahina ary hanapatapaka ny hidy vy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Izaho mihitsy no handeha eo anoloanao mba handravona ny mikitoantoana sy hanamontsana ny varavarana varahina ary hanapatapaka ny hidy vy. Baiboly Protestanta Malagasy Handroso eo alohanao Aho Ary handravona ny mikitoantoana Sy hanorotoro ny varavarana varahina Ary hanapatapaka ny hidy vy; Malagasy Bible Handroso eo alohanao Aho ary handravona ny mikitoantoana sy hanorotoro ny varavarana varahina ary hanapatapaka ny hidy vy; La Bible en Malgache Handroso eo alohanao Aho ary handravona ny mikitoantoana sy hanorotoro ny varavarana varahina ary hanapatapaka ny hidy vy; |
Manangàna faneva, eo amin’ny tendrombohitra mangadihady; antsoy amin’ny feo avo izy ireo, hofay tanana izy, handingana ny vavahadin’ireo mpanapaka.
Midradradradrà, ry vavahady; miantsoantsoa, ry tanàna; Matahora mafy, ry Filistinina manontolo! Fa indro misy setroka tamy avy any avaratra, ary tsy misy miala amin’ny laharana, ny antoko-miaramilany.
Korontan-javatra foana sisa, eo an-tanàna; ary ny vavahady montsamontsana dia efa ravarava.
Aoka ny lohasaha rehetra hasandratra; ny tendrombohitra aman-kavoana rehetra haetry; ny avo hanjary tany lemaka; ary ny vato mideza ho lembalemba.
Hampandehaniko amin’ny lalan-tsy fantany ny jamba; ary hotarihiko amin’ny sakeli-dalana mbola tsy hitany; ny maizina hataoko mazava eo anoloany; ary ny tany be havoana halamako. Hotanterahiko ireo teny ireo; ary tsy havelako tsy hatao.
Izaho no nanangana azy io, tamin’ny fahamarinako, ka mandravona ny lalany rehetra; Izy no hanangana ny tanànako indray, sy hampody ny oloko voababo, tsy amin’avotra na fanatitra,» hoy i Iavehn’ny tafika.
Izaho dia Izaho ihany no niteny sady niantso azy; nasaiko tonga izy, ka hambinina ny alehany.
«Mandehana ianao, milazà amin’i Hananiasa hoe: Izao no lazain’i Iaveh: Jioga hazo no notapahinao, fa jioga vy kosa no nataonao hasolo azy.
Ireo lehilahy maherin’i Babela nitsahatra tsy niady; mihiboka ao anaty trano mimanda; lany ny heriny, tonga toy ny vehivavy izy; nodorana ny fonenany; notapahina ny hidim-bavahadiny.
Izao no lazain’i Iavehn’ny tafika: Efa voafongotra mihitsy ny mandan’i Babela malalaka be; ary voadotra ny vavahadiny avo be. Ka dia zava-poana izany no isasaran’ny vahoaka, ho an’ny afo no hisasaran’ny firenena, ka lany hery foana amin’izany izy.
Indro ny vahoakanao fa toy ny vehivavy eo afovoanao; eo anoloan’ny fahavalonao, dia hivoha midanadana ireo vavahadin’ny taninao; levon’ny afo ny hidinao.
ny lohasaha rehetra hototofana, ny tendrombohitra sy ny havoana rehetra haetry, ny melomeloka hahitsy, ary ny lalana mikitoantoana hohamarinina,
Tamin’izany andro izany dia nitsangana teo afovoan’ireo mpino i Piera (tokony ho roapolo amby zato ny isan’izy nivory teo) ka nanao hoe: