Ka hoy i Iaveh taminy: «Firenena roa no ao an-kibonao. Vahoaka roa toko no hisaraka hatreo am-pialana amin’ny kibonao. Ka ny vahoaka iray toko dia hahery noho ny iray toko hafa. Ary ny iray lehibe no hanompo ny iray kely.»
Isaia 42:11 - Baiboly Katolika Aoka hanandra-peo ny efitra mbamin’ny tanàna eo aminy; ny toby onenan’i Sedera! Aoka hientan-kafaliana, ny mponina any Selà; aoka hihobim-piravoravoana any an-tampon-tendrombohitra! Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Aoka ny tany efitra sy ireo tanàna eny aminy hanandratra ny feony, toa izany koa ny vohitra izay onenan’i Kedara! Aoka hihoby ny mponina any Sela! Aoka hanao feo avo any an-tampon’ny tendrombohitra izy. DIEM PROTESTANTA Aoka hanandra-peo ny tanàna any an-taniefitra sy ny any an-toby fonenan’ny Kedarita! Aoka hihoby ny mponina any amin’ny Harambato; avy any an-tampon-tendrombohitra any no aoka hanaovany hiram-pifaliana! Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Aoka hanandra-peo ny tanàna any an-taniefitra sy ny any an-toby fonenan’ny Kedarita! Aoka hihoby ny mponina any amin’ny Harambato; avy any an-tampon-tendrombohitra any no aoka hanaovany hiram-pifaliana! Baiboly Protestanta Malagasy Aoka ny efitra sy ireo tanàna eny aminy hanandratra ny feony, Dia ny vohitra izay onenan’i Kedara; Aoka hihoby ny mponina any Sela; Ary aoka hanao feo avo any an-tampon’ny tendrombohitra izy. Malagasy Bible Aoka ny efitra sy ireo tanàna eny aminy hanandratra ny feony, dia ny vohitra izay onenan'i Kedara; Aoka hihoby ny mponina any Sela; Ary aoka hanao feo avo any an-tampon'ny tendrombohitra izy. La Bible en Malgache Aoka ny tany efitra sy ireo tanàna eny aminy hanandratra ny feony, toa izany koa ny vohitra izay onenan’i Kedara! Aoka hihoby ny mponina any Sela! Aoka hanao feo avo any an-tampon’ny tendrombohitra izy. |
Ka hoy i Iaveh taminy: «Firenena roa no ao an-kibonao. Vahoaka roa toko no hisaraka hatreo am-pialana amin’ny kibonao. Ka ny vahoaka iray toko dia hahery noho ny iray toko hafa. Ary ny iray lehibe no hanompo ny iray kely.»
Mihirà ho an’i Iaveh fa nanao zava-mahagaga Izy; ka aoka ho fantatra any amin’ny tany rehetra izany!
Alefaso ny zanak’ondry mpanapaka ny tany, avy any Petrà, hamaky ny efitra, ho any an-tendrombohitry ny zanakavavin’i Siôna.
Satria izao no nolazain’ny Tompo tamiko: «Herintaona, araka ny fanisana ny taonan’ny mpikarama, sisa dia ho levona avokoa ny voninahitr’i Sedara; ary amin’ireo tsipìka maro an’ny lehilahy mahery, zanak’i Sedara, dia kely foana no sisa tavela, fa i Iaveh Andriamanitr’i Israely no efa niteny.»
Amin’izany, ny hitsiny hitoetra any an’efitra; ny rariny hiorim-ponenana ao amin’ny sahan-kazo mamoa.
Hitsambikina hoatra ny serfa ny mandringa, hinantsanantsan-kafaliana ny lelan’ny moana. Fa hisy rano miboiboika any an’efitra; ary sakeli-drano eny amin’ny tany lemaka lava volo.
Injany misy feo miantso hoe: «Misavà lalana any an’efitra, ho an’i Iaveh, manorena arabe any an-tany lava volo ho an’ny Andriamanitsika!
Fa indro aho, hanao zava-mahagaga vaovao; efa hiposaka izy izao, tsy hahalala izany va ianareo? Hanisy lalana any an’efitra Aho, sy ony eny an-tany karankaina.
Endrey izany hatsaran’ny tongotr’ilay iraka eny an-tendrombohitra, izay mitory ny vaovao mahafaly, dia ny fiadanana; ilay manambara ny fahasambarana, ilay mitory ny famonjena; ilay milaza amin’i Siôna hoe: «Manjaka ny Andriamanitrao!»
Hivory ao aminao ny biby fiompy rehetra any Sedara; hozakainao ny ondralahin’i Nabaiôta, hiakatra ho fanatitra ankasitrahina eo ambony ôteliko ireny, ary hataoko be voninahitra ny tranon’ny voninahitrao.
Ary izao kosa no momba anao, ry mponina ao an-dohasaha, ry vatolampin’ny tany lemaka, - teny marin’i Iaveh, - ianao izay manao hoe: Zovy moa no hidina atỳ aminay, sy hiditra atỳ amin’ny fierenay?
Ilaozy ny tanàna, mitoera any amin’ny vatolampiny, ry mponina any Moaba, ka aoka ho tahaka ny domohina izay manao ny akaniny eny ambonin’ny hantsana mangotanatana.
Nahasodòka anao ny tahotra nampihorohoroanao ny olona sy ny hambom-ponao, ianao izay monina eny an-tsefatsefa-bato, sady mitoetra eny an-tampon-kavoana. Nefa na hataonao avo toy ny an’ny voromahery aza ny akaninao, dia havariko avy any ianao, - teny marin’i Iaveh.-
«Mitsangàna, mandehana mamely firenena tsy manana ahiahy, mandry feizay eo amin’ny fonenany, - teny marin’i Iaveh, - dia izay tsy manam-bavahady, na hidy, izay mitoka-monina.
I Arabia sy ny andriana rehetra tany Sedara nifampivarotra taminao; ondry sy ondralahy aman’osilahy no nifampivarotany taminao.
Ny avonavon’ny fonao nahavery saina anao! Izy izay mitoetra eny an-tsefatsefa-bato, ka ny havoana no fonenany, dia manao anankampo hoe: Zovy moa no hampidina ahy eny amin’ny tany?