Nony hitan’i Atalia renin’i Okoziasa fa maty ny zanany, dia nitsangana izy ka nandringana ny zanak’andriana rehetra.
Isaia 3:12 - Baiboly Katolika Zaza no mampahory ny vahoakako, ary vehivavy no manapaka azy. Ry vahoakako, mampania anao izay mitondra anao, ary mandrava ny lalana tsy maintsy alehanao izy ireo. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ny amin’ny oloko dia zaza no mampahory azy, ary vehivavy no mitondra azy. Ry oloko ô, ny mpitarika anao no mampivily anao sady mandrava ny lalana alehanao. DIEM PROTESTANTA Ry vahoakako ô, hoy ny Tompo, olona mpanjakazaka anao no mampahory anao ary olona tsy miraharaha anao no manapaka anao; ry vahoakako ô, ireo mpitondra anao no nampivily anao ka làlan-tsiizy no nitondrany anao. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ry vahoakako ô, hoy ny Tompo, olona mpanjakazaka anao no mampahory anao ary olona tsy miraharaha anao no manapaka anao; ry vahoakako ô, ireo mpitondra anao no nampivily anao ka làlan-tsiizy no nitondrany anao. Baiboly Protestanta Malagasy Ny amin’ny oloko, dia zaza no mampahory azy, Ary ireo vehivavy no manapaka azy. Ry oloko ô, ny mpitarika anao no mampivily anao Sady mandrava ny làlana alehanao. Malagasy Bible Ny amin'ny oloko, dia zaza no mampahory azy, Ary ireo vehivavy no manapaka azy. Ry oloko ô, ny mpitarika anao no mampivily anao Sady mandrava ny lalana alehanao. La Bible en Malgache Ny amin’ny oloko dia zaza no mampahory azy, ary vehivavy no mitondra azy. Ry oloko ô, ny mpitarika anao no mampivily anao sady mandrava ny lalana alehanao. |
Nony hitan’i Atalia renin’i Okoziasa fa maty ny zanany, dia nitsangana izy ka nandringana ny zanak’andriana rehetra.
Dia noravany ny lalako; ny handringana ahy no imasoany, izy ireo izay tsy ho nanana olo-mamonjy.
Ny mpanapaka tsy manan-tsaina mampitombo ny famoretana, fa izay mankahala ny fierenana kosa, ho lava andro iainana.
Loza ho anao, ry tany izay manana zaza ho mpanjaka, ary ny mpifehy homana hatry ny vao maraina!
Norotsahan’i Iaveh fanahy mampandraingiraingy izy, ka ataony mandraingiraingy i Ejipta amin’ny ataony rehetra, mova tsy ny olona mamo mandraingiraingy eo am-pandoavany!
Izao no lazain’i Iaveh Tomponao sy Andriamanitrao izay miaro ny vahoakany: Indro efa noesoriko teny an-tananao, ny kapoaka mahajenjina, ny kapoakan’ny fahatezerako; tsy hisotro izany intsony ianao, izao sisa izao.
Ny mpaminany, maminany lainga, ny mpisorona, mitondra araka izay sitrak’ireo mpaminany ireo; ary ny vahoakako mankasitraka izany! Ka inona no hataonareo hiafaran’izany rehetra izany?»
Izao no lazain’i Iaveh, ny amin’ireo mpaminany izay nampaniasia ny vahoakako; izy ireo raha mbola manan-kokaikerina ny nifiny, mitory ny fihavanana; izay rehetra tsy manisy hanina eo am-bavany kosa dia ilazany avokoa fa hiady:
Indro ny vahoakanao fa toy ny vehivavy eo afovoanao; eo anoloan’ny fahavalonao, dia hivoha midanadana ireo vavahadin’ny taninao; levon’ny afo ny hidinao.
Mila loza ianareo mpanora-dalàna sy Farisianina mpihatsaravelatsihy, fa hidianareo eo anoloan’ny olona ny fanjakan’ny lanitra; ka ny tenanareo tsy miditra, ny olona hiditra sakananareo.