Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Isaia 27:12 - Baiboly Katolika

Amin’izany andro izany dia hisy zavatra toy izao: hahintsan’i Iaveh ny vary hatramin’ny masondranon’ny Ony, ka hatramin’ny lohasahan-driakan’i Ejipta, dia hotazana tsirairay ianareo, ry zanak’i Israely.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Amin’izany andro izany dia hahintsan’NY TOMPO hatreo amin’ny ony Eofrata mandriaka ka hatramin’ny lohasahan-driakan’i Ejipta ianareo ary samy hotsimponina tsirairay ianareo, ry Zanak’Israely!

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Amin’izany andro izany, dia hovelesin’ny TOMPO ireo salohim-bary voajinja manomboka eo amin’ny ony Eofrata ka hatrany amin’ny ranon-driakan’i Ejipta. Amin’izay ianareo, ry Israelita, dia samy hotsimponina tsirairay.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Amin’izany andro izany, dia hovelesin’ny TOMPO ireo salohim-bary voajinja manomboka eo amin’ny ony Eofrata ka hatrany amin’ny ranon-driakan’i Ejipta. Amin’izay ianareo, ry Israelita, dia samy hotsimponina tsirairay.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary amin’izany andro izany dia hisy fampihintsanana ataon’i Jehovah hatramin’ny ony mandriaka Ka hatramin’ny lohasahan-driak’i Egypta; Ary hianareo samy hotsimponina tsirairay, ry Zanak’Isiraely.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary amin'izany andro izany dia hisy fampihintsanana ataon'i Jehovah hatramin'ny ony mandriaka ka hatramin'ny lohasahan-driak'i Egypta; Ary ianareo samy hotsimponina tsirairay, ry Zanak'Isiraely.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Amin’izany andro izany dia hahintsan’NY TOMPO hatreo amin’ny ony Eofrata mandriaka ka hatramin’ny lohasahan-driakan’i Ejipta ianareo ary samy hotsimponina tsirairay ianareo, ry Zanak’Israely!

Jereo ny toko



Isaia 27:12
24 Rohy Ifampitohizana  

Tamin’izany andro izany nanao fanekena tamin’i Abrama i Iaveh nanao hoe: «Omeko ny taranakao ity tany ity hatrany amin’ny onin’i Ejipta ka hatrany amin’ny ony lehibe, dia i Eofrata izany;


Tamin’izany andro izany, i Salômôna sy i Israely rehetra niaraka taminy, dia olona zavon-tany avy hatrany amin’ny vava lalan’i Emata, ka hatrany amin’ny ranon-driakan’i Ejipta, dia nankalaza ny fety teo anatrehan’i Iaveh Andriamanitsika nandritra ny fito andro, ary fito andro koa indray, dia 14 andro.


nefa raha miverina amiko ianareo, ka mitandrina ny didiko sy manaraka azy, na dia efa any am-paravodilanitra aza ny voasesitany aminareo, dia hangoniko avy any sy hoentiko ho eo amin’ny fitoeram-boafidiko hamponenako ny Anarako.


Eny, Andriamanitra hanorotoro ny lohan’ny fahavalony, dia ny handrina be volon’izay mandeha amin’ny haratsiana.


Hanjaka hatramin’ny ranomasina iray ka hatramin’ny ranomasina hafa Izy, ary hatramin’ny Ony ka hatramin’ny faran’ny tany.


Mbola hisy hotsimponina ihany izy, toy ny raha manozongozona ny hazo ôliva misy ôliva roa na telo eny an-tendrony indrindra, misy efatra na dimy eny amin’ny rantsan’ny hazo, - teny ton’i Iaveh, Andriamanitr’i Israely.


Ary ankehitriny miteny i Iaveh, izay namorona ahy hatrany am-bohoka mba ho mpanompony, hampody an’i Jakôba aminy indray, ary mba ho tafakambana aminy indray i Israely. - Ary mahazo voninahitra eo imason’i Iaveh aho, ary Andriamanitro no heriko. -


- teny marin’i Iaveh Tompo - izay mamory ny lasan-ko babo amin’i Israely! Mbola hamory ny sasany koa Aho ho eo aminy, hanampy ireo efa voavory sahady.


Miverena, ry zaza mpiodina, - teny marin’i Iaveh, - fa Izaho no Tomponareo; ary halaiko ianareo, ny iray ao amin’ny tanàna iray, ary ny roa amin’ny fianakaviana iray; ka hoentiko any Siôna.


Ary izay vitsy kely no ho afa-mandositra ny sabatra, dia ho tafaverina any amin’ny tanin’i Jodà, avy atỳ amin’ny tany Ejipta. Ka dia ho fantatr’izay sisa amin’i Jodà rehetra, dia izay tonga tany Ejipta, hitoetra tany, izay tò teny, na izaho, na izy ireo.


Hoentiko mivoaka avy ao amin’ireo firenena ianareo; dia hovoriko avy any amin’ny tany nampielezana anareo, amin’ny tanana mahery aman-tsandry ahinjitra, ary hatezerana amparina.


Ianareo ankasitrahiko toy ny hanitra misy fofona mahafinaritra, rehefa nentiko nivoaka avy any amin’ny firenena sy novoriko avy any amin’ny tany nanelezana anareo; ary ianareo no hanamasinako ny Tenako eo imason’ny firenena.


Koa izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Ankehitriny, hampodiko ny babo amin’ny taranak’i Jakôba, hamindrako fo ny taranak’i Israely rehetra, ary hasehoko ny fahasaro-piaroko ny Anarako Masina.


Ny lafiny atsimo handroso mianatsimo hatrany Tamara ka hatrany amin’ny ranon’i Meribà any Kadesa, dia ny lohasahan-driaka mivarina mankany amin’ny ranomasina lehibe. Izany no lafiny atsimo mankany amin’ny Negeba.


Fa indro efa hamoaka didy Aho, ka hosivaniko any amin’ny firenena rehetra any ny taranak’i Israely, toy ny fanasivana vary amin’ny sivana, ka tsy hisy latsaka amin’ny tany ny voa tsara.


Izao no lazain’i Iavehn’ny tafika: «Indro Aho hanafaka ny vahoakako avy any amin’ny tany atsinanana sy ny tany andrefana;


«Iza moa aminareo no manana ondry zato ka very ny anankiray no tsy handao ny sivy amby sivifolo any an’efitra, ka handeha hitady ilay very mandra-pahitany azy?


Mbola manana ondry hafa koa Aho izay tsy amin’ity vala ity, ka tsy maintsy hoentiko izy sy hihaino ny feoko; dia ho tonga andian’ondry tokana sy mpiandry ondry tokana.


Izay rehetra omen’ny Ray Ahy no hanatona Ahy, ary izay manatona Ahy dia tsy horoahiko any ivelany,


avy eo dia nahazo an’i Asmôna, nitohy hatramin’ny ranon-driakan’i Ejipta, dia nihatra hatrany amin’ny ranomasina ny faritry ny taniny. Izany no ho faritry ny taninareo any atsimo.