Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Isaia 27:12 - DIEM PROTESTANTA

12 Amin’izany andro izany, dia hovelesin’ny TOMPO ireo salohim-bary voajinja manomboka eo amin’ny ony Eofrata ka hatrany amin’ny ranon-driakan’i Ejipta. Amin’izay ianareo, ry Israelita, dia samy hotsimponina tsirairay.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

12 Amin’izany andro izany dia hahintsan’NY TOMPO hatreo amin’ny ony Eofrata mandriaka ka hatramin’ny lohasahan-driakan’i Ejipta ianareo ary samy hotsimponina tsirairay ianareo, ry Zanak’Israely!

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

12 Amin’izany andro izany, dia hovelesin’ny TOMPO ireo salohim-bary voajinja manomboka eo amin’ny ony Eofrata ka hatrany amin’ny ranon-driakan’i Ejipta. Amin’izay ianareo, ry Israelita, dia samy hotsimponina tsirairay.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

12 Amin’izany andro izany dia hisy zavatra toy izao: hahintsan’i Iaveh ny vary hatramin’ny masondranon’ny Ony, ka hatramin’ny lohasahan-driakan’i Ejipta, dia hotazana tsirairay ianareo, ry zanak’i Israely.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

12 Ary amin’izany andro izany dia hisy fampihintsanana ataon’i Jehovah hatramin’ny ony mandriaka Ka hatramin’ny lohasahan-driak’i Egypta; Ary hianareo samy hotsimponina tsirairay, ry Zanak’Isiraely.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

12 Ary amin'izany andro izany dia hisy fampihintsanana ataon'i Jehovah hatramin'ny ony mandriaka ka hatramin'ny lohasahan-driak'i Egypta; Ary ianareo samy hotsimponina tsirairay, ry Zanak'Isiraely.

Jereo ny toko dika mitovy




Isaia 27:12
24 Rohy Ifampitohizana  

Tamin’izay andro izay ny TOMPO dia nanao fanekempihavanana tamin’i Abrama, ka niteny hoe: –Omeko ny taranakao ity tany ity, manomboka eo amin’ny ranon-driakan’i Ejipta ka hatrany Eofrata ony lehibe


Tamin’io volana fahafito io koa no niarahan’i Salômôna nankalaza ny fetin’ny Tranotomboka tamin’ny Israelita rehetra izay tafangona marobe, tonga avy amin’ny lafy valo hatreo Lebô-Hamata ka hatrany amin’ny lohasahan-driakan’i Ejipta. Koa nankalaza fety teo anatrehan’ny TOMPO Andriamanitsika izy nandritra ny fito andro indroa: izany hoe 14 andro.


nefa raha miverina amiko ianareo ka imasoanareo hotanterahina ny didiko, na dia hisy voasesy any am-paran’ny tany aza ianareo, dia hangoniko avy any sy hoentiko ho ao amin’ilay toerana voafidiko hiatrehanareo Ahy.»


Ny lohan’ny fahavalony kosa montsaniny, dia ireo lava volo mirehaka amin’ny ratsy.


Aoka izy hanjaka hatreo amin’ny ranomasina ka hatrany amin’ny ranomasina hafa, ary hanjaka manomboka amin’ny ony Eofrata ka tafapaka amin’ny faran’ny tany!


ka tsy hisy amin’ny taranak’i Jakôba afa-tsy sombintsombiny sisa hotsimponina. Ary ho tahaka ny fanintsanana voan’ôliva izany, ka voany roa na telo no sisa eny an-tendrony, efatra na dimy eny amin’ny rantsany mahavokatra. Izany no teny hentitry ny TOMPO, Andriamanitr’i Israely.


Ankehitriny kosa niteny tamiko ny TOMPO, Izay namorona ahy hatrany am-bohòka mba hahatonga ahy ho mpanompony ka hampodiako aminy ny taranak’i Jakôba sy hamoriako ny vahoaka Israely ho eo anilany; fa mahazo voninahitra eo imason’ny TOMPO aho, ary Izy Andriamanitro no heriko.


Izaho Tompo ANDRIANANAHARY, Ilay nanangona ny vahoaka Israely tafaely, dia mbola manao teny hentitra hoe: ‹Efa nanangona Aho, nefa mbola hanangona hafa koa›. »


Miverena amiko, ry zaza mpiodina, hoy ny teny hentitry ny TOMPO, satria Izaho no tomponareo. Hangalako iray isan-tanàna na roa isan-tarika ianareo ka hoentiko any an-tendrombohitra Tsiôna.


Olom-bitsy no afaka hitsoaka amin’ny ady sy hiverina avy atỳ Ejipta ho any amin’ny tanin’i Joda. Koa izay sisa velona rehetra amin’ny Jodeanina tonga nialokaloka tatỳ Ejipta dia hahafantatra izay ho to teny na Izaho na izy.


Hery mafonja sy fahefana tsy hay tohaina ary fahatezerana mitosaka no hamoahako anareo avy any amin’ny firenena sy hamoriako anareo avy any amin’ny tany izay nampielezana anareo.


Miaraka amin’ny sorona manetona hanitra ankasitrahiko no handraisako tsara anareo, rehefa havoakako avy eo anivon’ny firenen-kafa ianareo sy hovoriko avy any amin’ny tany izay nampielezako anareo. Ka ny hataoko aminareo no hanehoako ny maha Andriamanitra Masina Ahy eo imason’ny firenen-kafa.


«Kanefa izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY: Ankehitriny dia hamindrako fo ny Israelita rehetra izay taranak’i Jakôba ka hampodiko avy amin’ny fahababoany; ary hotakîko ny hanajan’ny olona rehetra ny anarako masina.


Ny sisin-tany atsimo dia hiainga eo Tamara ka hipaka hatrany amin’ny ranon’i Meribà any Kadesy, ary hanaraka ny ranon-driakan’i Ejipta ka hipaka eo amin’ny Ranomasina Mediteranea. Izay no sisin-tany atsimo.


Indro Aho hamoaka baiko mba hisivanana ny taranak’i Israely mba hosivanina any anivon’ny firenena rehetra tahaka ny anasivanam-bary amin’ny sivana ka tsy hisy vato latsaka amin’ny tany.


Eny, Izaho TOMPOn’izao rehetra izao dia mampanantena fa ny vahoakako voaeliko dia hovonjeko avy any atsinanana sy avy any andrefana.


–Lehilahy iza moa, araka ny hevitrareo, no manana ondry zato nahaverezana anankiray, ka tsy hamela eny an-kijàna ny 99 ary hiezaka hitady ilay tokana very mandra-pahitany azy?


Manana ondry hafa izay tsy avy amin’ity vala ity aho; ireny koa dia tsy maintsy tarihiko, ka hihaino ny feoko ary ho tonga andiany tokana entin’ny mpiandry tokana.


Izay rehetra omen’ny Ray Ahy no hanatona Ahy; ary izay hanatona Ahy dia tsy horoahiko any ivelany,


dia mandalo an’i Hatsimôna, mandroso hatrany amin’ny lohasahan-driakan’i Ejipta, ary mihatra amin’ny Ranomasina Mediteranea. Izay ny amin’ny sisin-tanin’ny fokon’i Joda ao atsimo.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra