Isaia 24:8 - Baiboly Katolika Nitsahatra ny feon’ampongatapaka falifaly, tapaka ny fety be horakoraka, nitsahatra ny feon-dokanga falifaly. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Mitsahatra ny firavoravoana amin’ny ampongatapaka, tapitra ny fitabataban’ireo niravoravo; mitsahatra ny fifaliana amin-dokanga; DIEM PROTESTANTA Nitsahatra ny gadona firavoana amin’amponga, nijanona ny horakorak’ireo mpanao korana, nitsahatra koa ny feo fifaliana amin-dokanga. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Nitsahatra ny gadona firavoana amin’amponga, nijanona ny horakorak’ireo mpanao korana, nitsahatra koa ny feo fifaliana amin-dokanga. Baiboly Protestanta Malagasy Mitsahatra ny firavoravoana amin’ny ampongatapaka, Tapitra ny fitabataban’ny niravoravo; Mitsahatra ny fifaliana amin-dokanga; Malagasy Bible Mitsahatra ny firavoravoana amin'ny ampongatapaka, tapitra ny fitabataban'ny niravoravo; Mitsahatra ny fifaliana amin-dokanga; La Bible en Malgache Mitsahatra ny firavoravoana amin’ny ampongatapaka, tapitra ny fitabataban’ireo niravoravo; mitsahatra ny fifaliana amin-dokanga; |
Tsy mandefa afa-tsy feom-pisaonana ny lokangako, ary feo mitoreo ihany no avy amin’ny sodiko.
Foana ny fifaliana amam-piravoravoana eo amin’ny sahan-kazo mamoa, tsy misy hira na hobin-kafaliana intsony eo amin’ny tanimboaloboka; ny mpioty voaloboka, tsy mamia divay eo amin’ny famiazana intsony; efa natsahatra ny hobin’ny mpamia.
Harpa amam-baliha sy langoroany, ary sodina aman-divay, dia izay no fanasan’izy ireo; fa ny asan’i Iaveh tsy asiany fiheverana, ary ny ataon’ny tanany tsy jereny akory.
Koa dia mitatra ny Seoly, ka manadanadana tsy anerany ny vavany; mivarina ao ny reharehan’i Siôna, mbamin’ny be sy ny maro aminy izay mihahohaho sy mifaly.
Fa izao no lazain’i Iavehn’ny tafika, Andriamanitr’i Israely: Indro hatsahatro amin’ity tany ity, eo imasonareo sy amin’ny andronareo, ny hobin-kafaliana sy ny hobim-piravoravoana, ny hiran’ny mpampakatra, aman-kiran’ny ampakarina.
Hampijanona eo afovoany aho, ny hobim-pifaliana, ny feo firavoravoana, ny hiran’ny mpampakatra, ny hiran’ny ampakarina, ny feom-bato fikosoham-bary, ary fahazavan’ny jiro.
Hataoko mitsahatra eo an-tanànan’i Jodà, sy eny an-dalamben’i Jerosalema ny feo fifaliana sy ny feo firavoravoana, ny hiran’ny mpampakatra sy ny ampakarina; fa hanjary efitra ny tany.
Ny loholona nitsahatra tsy nankeny am-bavahady intsony; ary ny zatovo tsy nitendry ny valihany intsony.
tany Edena, sahan’Andriamanitra, ianao, rakotry ny vatosoa: dia sardoana, tôpazy, diamondra, krisôlita, ôniksa, jaspa, safira, eskarbokla, emeraoda, ary volamena nanana amponga tapaka aman-tsodina ho fanompoana anao efa voaomana tamin’ny andro nahariana anao.
Koa halaiko indray ny variko amin’ny androny, sy ny divaiko vaovao amin’ny taonany, sady hoesoriko ny volon’ondry aman-drongoniko, izay enti-manarona ny fitanjahany.
Koa ho lasa izy ireo hatao sesitany ho lohan’ny lasan-ko babo; ary tsy hisy intsony ny hobim-pifalian’ireo mpanaram-batana ireo.
Dia tsy ho re ao aminao intsony ny feon’ny mpitendry harpa, sy ny mpitsoka mozika, mbamin’ny mpitsoka sodina sy trômpetra. Ny mpanao taozavatra rehetra tsy ho hita eo aminao intsony, ary ny feon’ny vato fikosohan-dafarina tsy ho re ao intsony koa.