11 Koa halaiko indray ny variko amin’ny androny, sy ny divaiko vaovao amin’ny taonany, sady hoesoriko ny volon’ondry aman-drongoniko, izay enti-manarona ny fitanjahany.
11 Noho izany dia hiverina Aho haka indray ny variko amin’ny androny sy ny ranom-boaloboko amin’ny fotoanany, hesoriko koa ny volon’ondriko sy ny lamba rongoniko izay nomena hasarony ny fitanjahany.
11 Koa halaiko aminy indray ny variko raha fararano, ary ny divaiko amin’ny fotoam-piotazana. Hoesoriko aminy ny volon’ondriko sy ny kiran-drongoniko izay nanaronany ny fitanjahany.
11 Koa halaiko aminy indray ny variko raha fararano, ary ny divaiko amin’ny fotoam-piotazana. Hoesoriko aminy ny volon’ondriko sy ny kiran-drongoniko izay nanaronany ny fitanjahany.
11 Koa dia halaiko indray ny variko amin’ny androny Sy ny ranom-boaloboko amin’ny taonany, Ary hesoriko ny volon’ondriko sy ny rongoniko, Izay nomena hasarony ny fitanjahany.
11 Koa dia halaiko indray ny variko amin'ny androny sy ny ranom-boaloboko amin'ny taonany, ary haoriko ny volon'ondriko sy ny rongoniko, izay nomena hasarony ny fitanjahany.
11 Noho izany dia hiverina Aho haka indray ny variko amin’ny androny sy ny ranom-boaloboko amin’ny fotoanany, hesoriko koa ny volon’ondriko sy ny lamba rongoniko izay nomena hasarony ny fitanjahany.
Nisy fety noforonin’i Jerôbôama tamin’ny volana fahavalo tamin’ny andro faha 15-n’ny volana ho fanahafana ny fety fanao any amin’i Jodà, dia nanatitra sorona teo ambony ôtely izy. Toy izany no nataony tao Betela, mba hanaovan’ny olona sorona amin’ireo zanak’omby nataony, ary nampitoeriny tao Betela ny mpisoron’ireo fitoerana avo, izay natsangany.
Fa izao no lazain’i Iavehn’ny tafika, Andriamanitr’i Israely: Indro hatsahatro amin’ity tany ity, eo imasonareo sy amin’ny andronareo, ny hobin-kafaliana sy ny hobim-piravoravoana, ny hiran’ny mpampakatra, aman-kiran’ny ampakarina.
Hampijanona eo afovoany aho, ny hobim-pifaliana, ny feo firavoravoana, ny hiran’ny mpampakatra, ny hiran’ny ampakarina, ny feom-bato fikosoham-bary, ary fahazavan’ny jiro.
Hataoko mitsahatra eo an-tanànan’i Jodà, sy eny an-dalamben’i Jerosalema ny feo fifaliana sy ny feo firavoravoana, ny hiran’ny mpampakatra sy ny ampakarina; fa hanjary efitra ny tany.
manao hoe: Rahoviana no ho tapitra ny voaloham-bolana; mba hahazoantsika mivarotra vary; ary ny sabata mba hamohantsika ny tranom-bary, ka ny efaha hohakelezina, ny sikla hampitomboina; ny mizàna, hatao mandainga, hamitahana.