Manao ny fitsaràny any amin’ny firenena Izy, feno faty hatraiza hatraiza; manorotoro ny loha eo amin’ny tany tontolo Izy.
Isaia 2:4 - Baiboly Katolika Ho mpanelanelana amin’ny vahoaka Izy, ary ho mpitsara ny firenena maro. Ny sabany hotefeny ho lela fangadin’omby, ary ny lefony ho antsy fijinjana. Ny firenena tsy hisy hanangan-tsabatra hamely ny firenena hafa, ary tsy hianatra ady intsony ny olona. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ho mpitsara ny firenena Izy ka ho mpanelanelana amin’ny firenena maro. Dia hanefy ny sabany ho angady ireny, ary ny lefony ho hetim-boaloboka; ny firenena dia tsy hanainga sabatra hamely firenena hafa na hianatra ady intsony. DIEM PROTESTANTA Hitsara ny firenena maro Izy, ary hampanaiky ny vahoaka rehetra ka hanefy ny sabany ho angady ireny, ary hanao ny lefony ho fanetezam-boaloboka sady tsy hianatra hiady intsony. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Hitsara ny firenena maro Izy, ary hampanaiky ny vahoaka rehetra ka hanefy ny sabany ho angady ireny, ary hanao ny lefony ho fanetezam-boaloboka sady tsy hianatra hiady intsony. Baiboly Protestanta Malagasy Ary hitsara ny adin’ny jentilisa Izy Ka hampiaiky firenena maro; Dia hanefy ny sabany ho fangady ireny, Ary ny lefony ho fanetezam-boaloboka; Ny firenena tsy hanainga sabatra hifamely Na hianatra ady intsony. Malagasy Bible Ary hitsara ny adin'ny jentilisa Izy Ka hampiaiky firenena maro; Dia hanefy ny sabany ho fangady ireny, Ary ny lefony ho fanetezam-boaloboka; Ny firenena tsy hanainga sabatra hifamely Na hianatra ady intsony La Bible en Malgache Ho mpitsara ny firenena Izy ka ho mpanelanelana amin’ny firenena maro. Dia hanefy ny sabany ho angady ireny, ary ny lefony ho hetim-boaloboka; ny firenena dia tsy hanainga sabatra hamely firenena hafa na hianatra ady intsony. |
Manao ny fitsaràny any amin’ny firenena Izy, feno faty hatraiza hatraiza; manorotoro ny loha eo amin’ny tany tontolo Izy.
Ny ady natsahany hatramin’ny faran’ny tany; ny tsipìka notapahiny; ny lefona nofolahiny; ny kalesy fiadiana nodorany tamin’ny afo.
eo anatrehan’i Iaveh fa avy Izy. Avy hitsara ny tany Izy; hitsara izao tontolo izao araka ny rariny Izy, ary ny firenena, araka ny fahamarinany.
Ary ny ho vokatry ny fahamarinana dia ny fitsaharana sy ny fandriam-pahalemana mandrakizay.
Ny vahoakako honina eo amin’ny toeram-piadanana, eo amin’ny trano fonenana mahatoky, eo amin’ny trano fipetrahana mandry feizay.
Satria i Iaveh no mpitsara antsika, i Iaveh no mpanao lalàna ho antsika, i Iaveh no mpanjakantsika; Izy no hamonjy antsika.
Indro ny mpanompoko izay tantanako; ilay voafidiko ka sitraky ny foko; napetrako ao aminy ny fanahiko; hamoaka fahamarinana ho an’ny firenena izy.
Ny volotara efa poritra, tsy hotapahiny; ny lahin-jiro efa ho faty, tsy hovonoiny. Hanambara ny rariny, araka ny marina izy;
Fa misy zaza teraka ho antsika; zazalahy nomena antsika; ka ny fanjakana napetraka eo an-tsorony; ary ny anarany atao hoe: Mpanolo-tsaina mahagaga, Andriamanitra mahery, Ray mandrakizay, Andrian’ny fiadanana,
Amin’izany andro izany - teny marin’i Iaveh, - ianao hiantso Ahy hoe: Vadiko: fa tsy hiantso Ahy intsony hoe: Baala-ko.
Amin’izany andro izany Aho hanao fanekena ho azy, amin’ny biby dia, amin’ny voromanidina, ary amin’ny biby mandady amin’ny tany; hofoanako tsy hisy amin’ny tany ny tsipìka aman-tsabatra ary ny ady, ka hataoko mandry feizay izy.
Ho elanelam-panahy amin’ny firenena maro izy sy ho mpitsara ny vahoaka mahery hatrany lavitra any. Hanefy ny sabany ho lelan’angadin’omby ireny ary ny lefony ho antsy fijinjana; tsy hanainga sabatra hamely ny hafa, ny firenena, ary tsy hianatra ady intsony ny olona.
Hofoanako tsy hisy ny kalesy fiadiana any Efraima, mbamin’ny soavaly ao Jerosalema, ary hopotehina ny tsipìka fiadiana. Hilaza fiadanana amin’ny firenena izy; ny fanjakany dia hahatratra ny hatramin’ny ranomasina ka hatramin’ny ranomasina; ary hatramin’ny ony ka hatramin’ny faran’ny tany.
Satria Izy efa nanendry andro anankiray hitsarany an’izao tontolo izao araka ny rariny, amin’ny alalan’ny Lehilahy anankiray izay efa voatendriny sy nohamarininy mba hinoan’ny olona rehetra, tamin’ny nananganany Azy ho velona avy any amin’ny maty.»
Nanaraka izany, dia indro hitako nisokatra ny lanitra, ary nisy soavaly fotsy niseho teo; Mahatoky sy Marina no anaran’ilay nitaingina azy, ary ara-drariny no itsaràny sy iadiany;
I Iaveh! ho torotoro ny fahavalony, any ambonin’ny lanitra no hikotrohany amin’ireny; hotsarain’i Iaveh ny vazantany rehetra. Homeny hery ny mpanjakany, ary hasandrany ny tandroky ny nohosorany.»