Fa fanampin’ny sambon’i Hirama, mbola nanana sambo any Tarsisa koa ny mpanjaka, teny ambonin’ny ranomasina; ary tonga isan-telo taona ny sambo avy any Tarsisa, mitondra volamena sy volafotsy ary ivoara, rajako sy vorombola.
Isaia 2:16 - Baiboly Katolika hamelezana ny sambon’i Tarsisa rehetra, mbamin’izay mahafinaritra ny maso rehetra. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 ny sambon’i Tarsisy rehetra ary ny taozavatra tsara tarehy rehetra. DIEM PROTESTANTA ary ny sambo vaventy sy ny sambo marevaka rehetra. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara ary ny sambo vaventy sy ny sambo marevaka rehetra. Baiboly Protestanta Malagasy Sy ny sambon’i Tarsisy rehetra Sy ny tao-zavatra tsara tarehy rehetra; Malagasy Bible Sy ny sambon'i Tarsisy rehetra Sy ny tao-zavatra tsara tarehy rehetra; La Bible en Malgache ny sambon’i Tarsisy rehetra ary ny taozavatra tsara tarehy rehetra. |
Fa fanampin’ny sambon’i Hirama, mbola nanana sambo any Tarsisa koa ny mpanjaka, teny ambonin’ny ranomasina; ary tonga isan-telo taona ny sambo avy any Tarsisa, mitondra volamena sy volafotsy ary ivoara, rajako sy vorombola.
Ny reharehan’ny olona, haongana, ary ny avonavon’ny olombelona, haetry, fa i Iaveh no hasandratra, dia Izy irery ihany, amin’izany andro izany.
Faminaniana ny amin’i Tira. Migogogogoa, ry sambon’i Tarsisa, fa rava izy! Tsy misy rano intsony, tsy misy hidirana intsony! Avy any amin’ny tany Setima, no nandrenesany an’izany.
Fa Izaho no antenain’ny nosy; ary ny sambon’i Tarsisa no ho lohalalana; hamerina hankatỳ ny zanakao avy lavitra, mbamin’ny volafotsiny sy ny volamenany, ho an’ny Anaran’i Iaveh Andriamanitrao, sy ilay Masin’i Israely, satria efa nomeny voninahitra ianao.
ary hanao fahagagana eo amin’izy ireo Aho. Ary ny afa-nandositra taminy dia hanirahako ho any amin’ny firenena, any Tarsisa, Fola, Loda mpandefa zana-tsipìka, Tobala sy Javàna, ary any amin’ireo nosy lavitra, tsy mbola nandre ny lazako akory, na nahita ny voninahitro; dia hitory ny voninahitro any amin’ny firenena ireo.
Ny sambon’i Tarsisa no niara-nandeha maro, nitatitra ny entanao. Tonga mpanefoefo sy be voninahitra ianao; teo amin’ny ranomasina.
dia roahy eo alohanareo ny mponina rehetra amin’ny tany, fongory avokoa ny vato misy sarin-javatra voasikotra, mbamin’ny sary anidina rehetra, ary ravao daholo ny fitoerana avony rehetra;
Ny mpivarotra etỳ an-tany koa hitomany azy sy higogogogo, fa tsy hisy mpividy intsony ny entam-barony,
maty ny ampahatelon’ny zava-manana aina tao amin’ny ranomasina, ary levona ny ampahatelon’ny sambo.