Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Apokalipsy 8:9 - Baiboly Katolika

9 maty ny ampahatelon’ny zava-manana aina tao amin’ny ranomasina, ary levona ny ampahatelon’ny sambo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

9 ka maty ny ampahatelon’ny zavamananaina tao an-dranomasina ary potika ny ampahatelon’ny sambo.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

9 maty ny zava-miaina tao an-dranomasina ary rava ny ampahatelon’ireo sambo.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

9 maty ny zava-miaina tao an-dranomasina ary rava ny ampahatelon’ireo sambo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

9 ary maty ny ampahatelon’ny zava-manan-aina tao an-dranomasina; ary rava ny ampahatelon’ny sambo.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

9 ary maty ny ampahatelon'ny zava-manan'aina tao an dranomasina; ary rava ny ampahatelon'ny sambo.

Jereo ny toko dika mitovy




Apokalipsy 8:9
13 Rohy Ifampitohizana  

Hovitra no nahazo azy ireo teo, fanaintainana hoatra ny an’ny vehivavy miteraka.


Maty ny hazandrano tamin’ny ony, nanjary maimbo ny ony, tsy azon’i Ejiptianina nosotroina ny rano tamin’ny ony ary heni-dra ny tany Ejipta manontolo.


hamelezana ny sambon’i Tarsisa rehetra, mbamin’izay mahafinaritra ny maso rehetra.


Faminaniana ny amin’i Tira. Migogogogoa, ry sambon’i Tarsisa, fa rava izy! Tsy misy rano intsony, tsy misy hidirana intsony! Avy any amin’ny tany Setima, no nandrenesany an’izany.


Amin’ny tany rehetra, - teny marin’i Iavehn’ny tafika, - ny androatokony haringana ho faty, ary ny ampahatelony sisa, havela ho ao ihany.


Fa io ampahatelony io hampidiriko ao amin’ny afo, hodioviko toy ny fandio volafotsy, haofana toy ny fanofana volamena. Izy hiantso ny Anarako; ary Izaho hamaly azy. Izaho hanao hoe: «Oloko izy!» Ary izy hilaza hoe: «Andriamanitro i Iaveh!»


Nofinaokany tamin’ny rambony ny ampahatelon’ny kintan’ny lanitra ka nazerany tamin’ny tany. Dia nijoro teo anoloan-dRavehivavy hiteraka izy mba handrapaka ny Zanany, raha vao teraka.


Nandraraka ny tao anaty kapoakany tamin’ny ranomasina koa ny Anjely faharoa, dia tonga tahaka ny ran’olona maty ny ranomasina, ka may avokoa ny zava-manana aina rehetra tao anatiny.


Nitsoka ny trômpetra koa ny Anjely fahatelo, dia nisy kintana lehibe anankiray, mirehitra toy ny fanilo, nilatsaka avy any an-danitra, nianjera tamin’ny ampahatelon’ny ony, sy tamin’ny loharano.


Nitsoka ny trômpetra indray ny Anjely fahefatra, dia voa ny ampahatelon’ny masoandro sy ny ampahatelon’ny volana ary ny ampahatelon’ny kintana, ka tonga maizina ny ampahatelon’ireo, tsy nazava intsony ny ampahatelon’ny andro, ary toraka izany koa ny alina.


Dia nitsoka ny trômpetra ny Anjely voalohany, ka nisy havandra sy afo miharo ra nalatsaka tamin’ny tany, ary may ny ampahatelon’ny tany, may ny ampahatelon’ny hazo, may koa ny ahi-maitso rehetra.


Dia novahana ireo Anjely efatra izay efa voaoman-drahateo ho amin’ny ora sy andro ary volana sy taona voatendry, hamono ny ampahatelon’ny olona;


Ary ireo loza telo nivoaka tamin’ny vavany ireo, dia ny afo sy ny setroka ary ny solifara, no nahafaty ny ampahatelon’ny olona;


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra