Isaia 13:5 - Baiboly Katolika Avy any an-tany lavitra, avy any am-paravodilanitra izy ireo dia i Iaveh sy ireo entiny manatanteraka ny fahatezerany handravany ny tany rehetra. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Avy any amin’ny tany lavitra izy ireo, avy any amin’ny faravodilanitra; NY TOMPO sy ireo fitaovam-piadian’ny fahatezerany no avy handrava ny tany rehetra. DIEM PROTESTANTA Tonga avy any an-tany lavitra ireo, avy any am-paravodilanitra any hoenti-mandrava manontolo io tany io: ny TOMPO sy ireo fitaovan’ny fahatezerany izany. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Tonga avy any an-tany lavitra ireo, avy any am-paravodilanitra any hoenti-mandrava manontolo io tany io: ny TOMPO sy ireo fitaovan’ny fahatezerany izany. Baiboly Protestanta Malagasy Izay avy any amin’ny tany lavitra, any amin’ny faravodilanitra, Dia Jehovah sy ireo fitaovan’ny fahatezerany, Ho enti-mandrava ny tany rehetra. Malagasy Bible Izay avy any amin'ny tany lavitra, any amin'ny faravodilanitra, dia Jehovah sy ireo fitaovan'ny fahatezerany, ho enti-mandrava ny tany rehetra. La Bible en Malgache Avy any amin’ny tany lavitra izy ireo, avy any amin’ny faravodilanitra; NY TOMPO sy ireo fitaovam-piadian’ny fahatezerany no avy handrava ny tany rehetra. |
Loza ho an’i Asora, tsora-kazon’ny fahatezerako! fiasàn’ny havinirako ny tehina eny an-tanany!
Indro hatsangako hamely azy ireo ny Meda, izay tsy mandala volafotsy, tsy maniry volamena.
Indro i Iaveh handrava ny tany manontolo sy hanavitsy ny mponina aminy, ny vohon’ny tany hakorokorony; ary ny mponina haeliny.
Mandehana, ry vahoakako, midira ao an’efitranonao, ka mirindrìna varavarana ianao rehefa ao; miere vetivety foana, mandra-pahalasan’ny fahatezerana.
Indro avy any lavitra any ny Anaran’i Iaveh; mahamay ny hatezerany, ka tsy tanty ny fahamainy; mivoaka fisafoahana ny molony; ary tahaka ny afo mandevona ny lelany.
Fa mihatra amin’ny firenena rehetra ny haviniran’i Iaveh, ary amin’ny miaramilany rehetra ny hatezerany; nataony anatema, natolony hovonoina ireny.
Mivoria ianareo rehetra, ka mihainoa: Iza tamin’ireny no mba efa nilaza izany? Ilay tian’i Iaveh dia hanatanteraka ny sitrapony amin’i Babela, ary ny sandriny hamely ny Kaldeanina. -
Manangan-tsaina ho an’ireo firenena lavitra Izy; ary misiaka miantso azy ireo, avy any am-paran’ny tany. dia indreo tonga ireny, faingana sady mailaka.
Hahita izany ianareo, ka ho faly ny fonareo, ary hahazo aina indray hoatra ny ahi-maitso ny taolanareo. Hataon’ny tanan’i Iaveh izay hahalalan’ny mpanompony azy, sy hahalalan’ny fahavalony kosa ny fahatezerany.
Amin’izany andro izany, i Iaveh hisiaka ny lanitra any amin’ny fara lafin’ny onin’i Ejipta, sy ny renitantely, any amin’ny tanin’i Asiria.
Novohan’i Iaveh ny firaketam-piadiany; ka navoakany avy ao ny fitaovam-pahatezerany; fa ananan’ny Tompo, Iavehn’ny tafika, raharaha ny tanin’ny Kaldeanina.
Fa misy firenena avy any avaratra miakatra hamely azy, ka hataony lao ny taniny, fa tsy hisy olo-monina intsony; nitsoaka nandositra, na ny olona na ny biby, dia lasa, - teny marin’i Iaveh. -
Fa indro Aho hanainga sy handefa hamely an’i Babela ny fitambaran’ny firenena lehibe avy amin’ny tany any avaratra. Hilahatra hiady aminy ireny ka hahafaka azy avy any; ny tsipìkany dia tsipìkan’ny mpiady mahery izay tsy mba miverina mitondra tanam-polo.
Ranito ny zana-tsipìka; misaròna ny ampinganareo! Efa nanetsika ny fanahin’ny mpanjakan’i Media i Iaveh; fa ny fiheviny an’i Babela dia ny handrava azy. Fa izany no valim-bonoana hataon’i Iaveh dia ny hamaliany noho ny amin’ny Tempoliny.
Injany tonga amiko avy any an-tany lavitra, ny fitarainan’ny zanaka vavin’ny oloko manao hoe: Tsy ao Siôna intsony va i Iaveh? Tsy ao afovoany intsony va ny mpanjakany? Nahoana izy ireo no nampahatezitra ahy tamin’ny sampiny, sy tamin’ny zava-poana avy any amin’ny firenen-kafa?
Ka dia naidiko teo aminy, ny fahatezerako; nolevoniko tamin’ny afon’ny hatezerako izy; natsingeriko teo an-dohany, izay nataony, - teny marin’ny Tompo Iaveh. -
Haneno mafy ny trômpetra, dia haniraka ny Anjeliny izy, ary ireo hanangona ny olom-pinidiny avy amin’ny vazantany efatra, hatramin’ny fara vodilanitra rehetra.»