Nony tafaverina tao Hebrôna dia nentin’i Jôaba nihataka kely tao anaty vavahady, toy ny hiresaka aminy moramora; kanjo nony mby tao, nofatsahany tamin’ny kibony izy; dia maty izy noho ny amin’ny ran’i Asaela, rahalahin’i Jôaba.
Ary fantatrao ihany ny nataon’i Jôaba zanak’i Sarvià tamiko, dia ilay nataony tamin’izy roa lahy, i Abnera zanak’i Nera, sy i Amasà zanak’i Jetera, filohan’ny tafik’i Israely, fa novonoiny ireo, ka ny ra fandatsaka amin’ny ady, nalatsany amin’izao tany mandry izao, ary ny ra fandatsaka amin’ny ady dia nataony tamin’ny fehikibo teny am-balahany sy tamin’ny kapa teny amin’ny tongony!
Raha zava-poana i Galaada, dia ho tsinontsinona koa izy ireo; nanao sorona omby tany Galgalà izy; noho izany ny ôteliny ho toy ny antontam-bato eny amin’ny saha voasoritsoritra.
Fa ny olona dia mivadika fianianana, mandainga, mamono, mangalatra, maka vadin’olona; ary manao an-keriny, ka ny ra nalatsaka mifanolotra ny ra nalatsaka.
Mandrenesa izao, ry mpisorona; mihainoa tsara, ry taranak’i Israely; manongilàna sofina, ry taranaky ny mpanjaka; fa ianareo no hamoahana ny teny fitsarana, satria ianareo no efa fandrika tao Masfà sy fandrika harato voavelatra ao ambonin’i Tabôra.