Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Hosea 5:8 - Baiboly Katolika

Tsofy ao Gabaà ny anjomara; ary ao Ramà ny trômpetra; miantsoa vonjy taitra ao Betavena! Mitandrema ianao, ry Benjamina!

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Tsofy ao Gibea ny anjomara ary ao Rama ny trompetra! Miantsoantsoa mafy ao Bety-Avena! Jereo ao aoriananao ry Benjamina!

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Tsofy ao Gibehà ny anjomara ary tsofy ao Ramà ny trompetra. Velomy ao Bety-Avena ny akoram-panairana. Tandremo ny ao an-damosinao, ry Benjamîna!

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Tsofy ao Gibehà ny anjomara ary tsofy ao Ramà ny trompetra. Velomy ao Bety-Avena ny akoram-panairana. Tandremo ny ao an-damosinao, ry Benjamîna!

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Tsofy ao Gibea ny anjomara Ary ny trompetra ao Rama! Miantsoa mafy ao Betavena! Inay! misy manenjika anao, ry Benjamina!

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Tsofy ao Gibea ny anjomara ary ny trompetra ao Rama! Miantsoa mafy ao Betavena! Inay! misy manenjika anao, ry Benjamina!

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Tsofy ao Gibea ny anjomara ary ao Rama ny trompetra! Miantsoantsoa mafy ao Bety-Avena! Jereo ao aoriananao ry Benjamina!

Jereo ny toko



Hosea 5:8
20 Rohy Ifampitohizana  

Ka tolory fito lahy amin’ny taranany izahay mba hahantonay eo anatrehan’i Iaveh, any Gabaàn’i Saola, ilay voafidin’i Iaveh.» Dia hoy ny mpanjaka: «Hatolotro ireo.»


Ny iray napetrany tao Betela, ary ny iray kosa, tany Dana.


Nihoatra ny hadilalana izy ireo, nitoby tao Gabà tamin’ny alina; raiki-tahotra mafy i Ramà, vaky nandositra i Gabaan’i Saola.


Torio any Jodà, ary ambarao any Jerosalema, lazao, mitsofa anjomara ao amin’ny tany, ary manaova antso avo, ka lazao hoe: Mivoria ianareo, ary andao hiditra amin’ny tanàna mimanda!


Mandosira, ry taranak’i Benjamina, hiala ao afovoan’i Jerosalema. Mitsofa anjomara any Tekoà, ary manangàna famantarana any Betakarema! Fa misy loza tamy avy any avaratra ary fandringanana lehibe.


Noho ny ombivavy kely ao Betavena no atahoran’ny mponina ao Samaria, satria ny vahoakany misaona ny sampiny, ary ny mpisorona mangovitra noho ny aminy, noho ny voninahiny, fa efa niala taminy.


Raha ianao no mijangajanga, ry Israely, aoka i Jodà tsy hilatsaka amin’ny heloka! aza mankany Galgalà na miakatra any Betavena ary aza mianiana hoe: Velona Iaveh!


Ataovy am-bava ny anjomara, fa misy, toy ny voromahery, hiantefa amin’ny tranon’i Iaveh!... Satria izy ireo nivadika ny fanekeko, sy nandika ny lalàko.


Simba hatrany am-potony izy ireo, toy ny tamin’ny andron’i Gabaà; hotsarovan’i Iaveh ny helony, ary hovaliany ny fahotany.


Tsofy ao Siôna ny anjomara; ary ampanenoy ao an-tendrombohitra masina ny trômpetra. Ary aoka hangovitra ny mponina rehetra amin’ny tany, fa tonga ny andron’i Iaveh, fa efa antomotra!


Tsofy ao Siôna, ny trômpetra, miantsoa fifadian-kanina, mamoria fiangonana.


Trômpetra va no haneno ao an-tanàna, ka tsy hivadi-po ny vahoaka? Misy loza tonga amin’ny tanàna va, raha tsy i Iaveh no nahatonga izany?


Naniraka olona i Jôsoe niala tao Jerikô ho any Haia, ka nanao tamin’ireo hoe: «Miakara hisafo ny tany.» Dia niakatra ireo olona ireo, ka nisafo an’i Haia.


Avy any amin’i Efraima ny olona izay mandatsa-paka amin’i Amaleka; nikambana tamin’ny antokonao i Benjamina teo aorianao; avy any amin’i Makira nisy lehibe nidina, avy any amin’i Zabolôna nisy mpitondra nitana ny tehin’ny mpanoratra.


Ary i Samoela nankany Ramà, fa i Saola niakatra nankany amin’ny tranony any Gabaàn’i Saola.


Raha efa izany dia niverina any Ramà izay misy ny tranony izy, dia nitsara an’i Israely tao, ary nanorina ôtely tao ho an’i Iaveh.


Nivory ny loholon’i Israely rehetra nankany amin’i Samoela, tany Ramà,